ven.

11

mars

2011

Ravin-taratasin’ny SADC: Hotsipahin-dRajoelina Andry ?

Raha hiverenana ny kabarin’ny filohan’ny fahefana avo tamin’ny alahady 06 martsa 2011 dia miharihary loatra fa mety hanova ny zotra sy ny lalan’ny mpitondra avo indray ny fampiharana ilay sori-dalana natolotry ny mpanelanelan’ny SADC. Tsy hifarana alohan’ny faran’ny taona 2011 ny tetezamita eto Madagasikara. Tsy maintsy mbola ho amin’ny taona vaovao indray vao hirosoana ny fifidianana. Tsy maintsy mametra-pialana tsy ho mpitarika ny tetezamita Rajoelina Andry mialoha ny fifidianana ho Filohampirenena satria mbola mifantoka amin’izany hatrany ny programany. Ho very an-javony ny fampi joroan-dRajoel ina Andry ny Repoblika IV nimatimatesany. Tsy nisy vokany ny « tolom-bahoaka » nifandrebireben’ireo mpanao politika. Dia lasa toy ny vorona eny an-danitra ilay resaka hambom-pom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana. Mbola hitohy hatrany ny krizim-piaraha-monina sy ny lafiny ara-tsosialy, ary indrindra indrindra dia tsy hisy fitondrana miorina ho tena manaraka ny lalàna sy ho tan-dalàna eto............

Te-ho filohan’ny Repoblika IV Ny sori-dalan’ny SADC izay ni fandr imbonan’ny mpanao politika Gasy nosoniavina farany teo dia tsy hisy hirika ho amin’ny fahombiazan- dRajoelina Andry mba ho Filohan’ny Repoblika IV. Ny Repoblika IV izay ho rava ho azy sady tsy maintsy hanangana lalàmpanorenana vaovao (hafa) indray ve ny mpanao politika Gasy ? Voasoratra ao anatin’ity soridalana ity fa hisy fifidianana ho filohan’ny Repoblika sy ho solombavam-bahoaka fa tsy mazava kosa hoe : Filoham-pirenena sy solombavam- bahoaka tondroin’ny lalàmpanorenana manao ahoana ? Ny sori-dalana natao sonia dia tsy manome vahana (araka ny lalàna) ny lalàmpanorenana sy ny Repoblika IV naterak’izany. Koa raha adika tsotsotra ny anton’ny sonia nifanotofana tamin’ilay soridalana natolotry ny SADC, dia sonia mampiseho ny kopia fahafatesan’ilay Repoblika IV tian-dRajoelina Andry ho tarihina. Mandritra ny fivoriana an-tampony hataon’ireo Fi loha mpik ambana ao amin’ny SADC dia hodinihina any ny fomba hampiharana sy ho fanatanterahana ny vaha-olana voavolavolan-dry zareo, ary dia efa nampanantena ny Dr Simao fa hiverina eto amintsika indray amin’ny faha-18 n’ny volana martsa hoavy izao. Inona daholo no fonosin’izany ? Tsy maintsy manaiky ny sori-dalana izany ny mpitarika ny tetezamita avo ankehitriny raha mbola te hitondra ny tetezamita ihany. Sady tsy hisy lanjany koa na hanao sonia izy tenany na tsia satria efa voasoratra ao ihany fa tsy hisy mpitarika na koa vondrona mpanao politika afaka hitsivalana (droit de veto) manoloana ny fanapahan- kevitra efa nataon’ny mpanao sonia rehetra.

Tsy maintsy ho laviny avy hatrany ? Raha tian-dRajoelina Andry ny hi tondr a ny Repoblika IV (ary izany no antony nanaovany sy nitakiany ny fanovàna) dia tsy maintsy ho laviny amin’ny fomba rehetra ny fanatanterahana sy ny fampiharana ny taratasy vao nosoniavin’ny mpanao politika Gasy. Tsy maintsy hotohizany ny lalany eo amin’ny fanondroana ny datin’ny fifidianana izay tiany hizorana. Moa tsy izany no anton’ny filazàna nataony fa tsy ny fositra tsy akory ny tsy ambolem-boavahy ? Ary raha izay lalana izay no hotanterahiny dia tsy misy antony ihany koa hanendreny praiminisitra sy mpikambana anaty governemanta handrafitra izany. Inona anefa no mety haterak’izany ? Tsy hanana mpanao politika hanohana izany hevitra tiany hatao izany intsony ny mpitondra avo ankehitriny, satria ny hitohizan’ny fifandrohitampahefana sy ny tetezamita lavareny no tena anton’ny fanekena ny sori-dalana. Tsy hivaha velively ny korontana politika eto amin’ny tany sy ny firenena ny fanapahankevitra horaisina ary mety ho ny mpanohana an-dRajoelina Andry indray no hiverina haneho ny tsy fahafaliany amin’io « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena » io . Dia ho sanatria hanaraka ny zotran’ny fifandrohitana ao andrefan’i Afrika ve ny eto amintsika? Ny mpanao politika Gasy mihitsy no tsy mitsinjo ny tanindrazany sy ny mpiray firenena aminy, fa jamban’ny fitiavan-tena. Ony Rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra