ven.
11
mars
2011
Tsy nahandry ny andro maraina mihitsy ny sasany fa dodona amin’ny « fanampahan-keviny » ho an’ny firenena Malagasy (hono). Inona tokoa moa no maharatsy izany ? Inona no hisalasalana amin’izany? Rango-pohy sa inona ity natao? Tsy izany no zavaddehibe fa izay alehany any alehany ! Midika inona tokoa moa ny hevitr’izay andininy miisa 44 ao anatin’ity « ravin-taratasy » ity? Vakio tsara kosa ohatra ny andininy faha-23 azafady: « Tsy misy na iray aza mpanao politika izay nanao sonia, na tsia ity taratasy, ka afaka ny hitsivalam-pandry eo amin’ny fampiharana izany taratasy izany mandritra ny fotoan’ny tetezamita ». Manoatra izany ity noho ilay voalazan’ny Boky Masina? Izay voasoratra dia voasortra? .........
Na dia olona iray sy antoko iray aza nanao ny « soniany » dia hampiharina eto amin’ny firenena malagasy ny vontoatin’izy ity? Aiza marina no handehanan’izany vaha-olana hitondràna ny firenena malagasy izany? Midanadana eo anoloantsika ny hantsana mangitsokitsoky ny faharavàna tanteraka satria tsy mahatsapa intsony izay hahafaty ny fireneny ny mpanao politikantsika.Tena « adala » sy miverin-tsaina ve ny mpanao politika Gasy ka tsy nahatsapa teo ampanaovany ny «rangotr’akoho »-ny fa mbola tena misitery tanteraka ny « fanekena » nataony (?).
Tsy voalaza sy tsy voatondro tao akory ny fe-potoana haharetan’ny « tetezamitan’ny sehatra iraisam-pirenena ». Tsy nambara mazava ny amin’izay fotoana hanaovana indray ilay fifidianana izay lazaina fa mangarahara sy heken’ny rehetra. Tsy nasiana lanjany ny lalampanorenana natao tery vay manta fa tsy maintsy ho nampiharina hatrizay. Tsy misy resaka ao ny mikasika ny hevitra nivoaka tamin’ilay dinika nifanaovan- Rajoelina Andry sy ny mpanao politika. Sady tsy an-tany no tsy am-parafara ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana satria noesorina taminy ny famoahana ny vokatry ny fifidianana fa hanangana zavatra tena spesialy ny « mpifanaiky ». Hanana fahefana tsy maintsy hankatoavin’ny rehetra ny « fitsarana manokana momba ny fifidianana » (CES). Fa misoratra mazava tsara ao kosa aloha, mainty ambonin’ny fotsy ary tsy rangotr’akoho velively, fa Rajoelina Andry no neken’ireo nandrangotra fa filoha mpitarika ny tetezamita sady « filoham-panjkana » tsy azo haongana na amin’ny fomba ahoana na fomba ahoana..Io fahefana mandritra ny tetezamita io no hiaro ny filoha taloha Ravalomanana sy ny fianakaviany, rehefa milamina sy tafody eto an-tanindrazana izy ireo. Hatsangana sy omena lanjany ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy, mba handinika ny fanasitranana ny ratra nateraky ny politika teto amintsika teto nandritra izay fotoana lavabe izay (taona 2002 hatramin’ny vaninandron’ny rangotra). Hisy volabe (fonds) hanonerana ny « voa mafy » tamin’ireny herisetra politika ireny ka antsoina ny sehatra iraisam-pirenena mba hampibotsina io tahirim-bola io. Foana daholo izay fifanarahana rehetra tany aloha tany na efa vita sonia na vao nokonokononina fa ity rangotr’akoho vao niatomboka ity indray no « nohamasinina ». Mananmpy ireo rehetra ireo dia hanori-ponenana eto ny mpanelanelana tarihin’ny Sadc mba hananatra ny mpitrifana na koa hibaikobaiko ireo rehetra mpankatoa ny teniny. Henjana izany resaka izany ‘rey olona…Aia ty hombana ? hoy ny hiran’ny mpihira malaza fahiny. Na firy na firy nahavita ny adidiny tamin’iny santatra ambava rano iny dia ny fanampahan-kevitr’izy ireo no hoterena ho vaha-olan’ny krizin’ny Gasy. Vita hatreo ny eritreritr’angidina ho amin’ny fiaraha-mitatatra (mitantana azafady !). Tapitra hatreo ny maha-firenena sy fanjakana malagasy masimandidy eo amin’ny taniny antsika mianakavy. Fongana tanteraka ny fihavanana gasy nampirehereha hatrizay fa hampianarin’ny hafa hifankatia isika. Hampianariny hifanavaka koa amin’ny alalan’ny tany niaviana sy ny tantaran-drazana. Dia mbola Gasy ve isika amin’izany ? Ony RAMBELO
fiahavanana filaminana fitiavana fimbanjinana ny hoavy ndry hono hoy dadan i jareo e , odoy aza mandaiga teo anao2002 ,2003 ka tsinampiharina anio fa fitiavantegna nimbajina tao andohanao rehefa
ampiditra camion anao mody sisy tax lalana te hanondrana yaourt avaratra mody amboharinao lalana , ambolenao vary i ambato nefa sisy tanidadabenao tany , gadrainao 5 frere satria mapiditra menaka
import ka mamono vidin i menaka tiko nao ,.Rehefa ho tonga fifidianana de miakatra ny 20 ariary ny yaourt anaovanao propagandy 20 foi isan i gasy mihinana sy zaza menavava no tena mila mihinana ny
yaourt , taxenao tsimataotr Andriamanitra ve mbola inokoa gnanao milelalela eo teo tsinilay , agnino koa anao hagnonotra gne perte magro sns fanananao vilavila io sy andea anagadra gne tsitianao ,
tara loatra tsisy marche ariera zany i madagascar raha zany da aleo mipody @ frantsay raha marcha ariera ry dadan i magro mindry ny todinao anao
99jours anao 1 jour tsianao
