ven.

11

mars

2011

Mpivarotra amon-dàlana: Enjehina toy ny mpangalatra

Fitaintainana tanteraka no iainan’ireo mpivarotra amoron-dàlana ao Analakely isan’andro raha vao mivoaka ny trano. Tsy maintsy mitady anefa satria tsy afaka ny tsy hihinana. Vao manomboka antoandrontoandro eo dia efa tazana mandehandeha eny ny fiara mitondra ireo polisy monisipaly. Avy hatrany ihany koa dia mangorona ny entany ireo mpivarotra. Tsy te hahalala izany anefa ireo polisy ireo fa na dia efa mitsoaka miaraka amin’ny entana aza ny mpivarotra dia henjehina toy ireny mpangalatra mandositra ireny. Tsy mba misy akory ny fampitandremana azy ireo mialoha ny hidinan’ny polisy hanatanteraka ny asany........

Tamin’ny fandalovanay teny an-toerana dia sendra renim-pianakaviana iray niharan’ny antsonjay ataon’ny polisy monisipaly. Nalahelo mafy ary sahi ran- tsaina tanteraka ity ramatoa ity nitantara ny zavatra mahazo azy ireo isan’andro. Ny zazakely babena, ny entana tsy maintsy vimbinina, raha tsy tiana ho lasan’ireo polisy. Raha ny nambarany di a alain’izy ireo ny entana ary tsy azo intsony. Mampalahelo ihany ny fitondrana ireto mpivarotra ireto satria fianakaviana sahirana daholo ny ankabetsahan’izy ireo. Ekena fa izay hilaminan’ny tanàna no tanjon’ny mpitondra nefa tokony hojerena ihany ny momba ireo mpivarotra ireo. Mbola fanontaniana mipetraka aloha hatreto ny hoe dia ataon’izy ireo aiza daholo ary ireo entam-be voaangona isan’andro raha tsy averina any amin’ny tompony? Efa azon’ny olona an-tsaina ihany satria manam-bady amanjanaka ny ankamaroan’ny polisy monisipaly ka mazava ho azy.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    fanihy (vendredi, 11 mars 2011 15:38)

    Tsy mahita asa atao ny olona ka voatery mivarotra nefa mbola enjehina ihany, izany no mahatonga ny olona mangalatra, ny entana keliny ndray no raofina. Ahoana ihany izao fitondrana izao ?

  • #2

    na (samedi, 12 mars 2011 09:39)

    rehefa tsy ampy ny volan ireo polisy da faly gne mangalatran ireo entana avidy reo , gne pitandro filaminana mihitsy ange no mpagalatra ao madagascar ao n aiza n aiza de mihaina @ tsirariny areo , mapalahelo nareo mivarotra @ morondalana de mivavaha fa ho lozan ireo mampijaly anareo

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra