ven.
11
mars
2011
Maro ihany izay filazana etsy sy eroa izay fa hoe mpampiana-dratsy ny haino aman-jery, ary anisan'ny voatonoton'INY OLONA INY iray tamin'ny fahitalavitra ny gazetintsika. Nambarany tamin'izany fa io gazety io mihintsy no mitarika ny tanora hifoka rongony, handroba, hanolana... Tsy dia mitombina anefa izany satria tsy resaka "sexe" no votoatin'ny lahatsoratra fa "sexualité" (zany hoe fitaizana ny fihainana ara-pananahana), ary milaza mihitsy ny gazety fa natokana ho an'ny zatovo sy ny olon-dehibe izay inoana fa afaka mandanjlanja io pejy manokana io...
Raha ilay tranokala iray izay anefa no jerena dia azo lazaina amin'ny tenin-jatovo hoe "mbola gravy" kokoa ny votoatiny sy ny sary hita ao anatiny
Mitombo dia mitombo tokoa mantsy ankehitriny ny "site internet" malagasy mampiseho sary porno na tovolahy na tovovavy io, ary mampiseho mihitsy ny tarehy fa tsy miafina intsony. Tao aorian'ilay site "call girl" izany hoe tovovavy mivarotra ny tenany eo amin'ny tranokala dia misy koa zany ny "site vaovao" fampisehoana ny fiainan'olona samihafa ara-pananahana misy sary miboridana mitsy aza sns... Anisany olana mety hisy amin'ny tranga toy itony dia misy ny alaim-panahy mamoaka sary an-tsokosoky tsy nahazo alalana avy amin'ilay olona nalaina sary ka miteraka disadisa sy fahafaham-baraka tsy nahy, araka ilay fitenenana hoe "sady maty no miosona..."
Tsy mbola tena mazava ny lalàna mikasika itony "site internet itony", tsy fantatra ny hoe hatraiza ny manara-dalana na tsia azy. Ny hany aro-fanina apetraky ireo mpamorona azy aloha dia ilay fanontaniana hoe feno 18 taona ve ianao? Nefa tsy manakana ny tsy hijery izany.
Ny hany hafatra hapetrakay indrindra ho an'ny ray aman-dreny angamba dia ny hoe tandremo ihany ny fahafahan'ny ankizy indrindra tsy ampy taona mi "surfer", na mba asiana "verouillage" ireto tranokala mety hisy sary "porno"
Jr
mba omeo hoe ilay site mba ho jerena, misaotra e
de mba zarao e
