jeu.
10
mars
2011
Nodian’iny olona iny niraikiraiky dia voany ihany tamin’ny farany e! Nampiasainy daholo ny voambolana isan-karazany dia fanina ny ankamaroan’ny Gasy (ilay mpanao politika miseho ho mahiratra io). Nampiresahany ilay mpihazona ny raharaha ifanaovana amin’ny vahiny teny Anosy teny ka nanjary nalefa-piteny fa aleo halamina ny tetezana dia mody sy miverina eto i Ramose, aiza kosa no hisy Gasy tsy hahazo hiverina eto an-tanindrazany izany ? Fa tsy vao tamin’ny androatokom-bolana lasa ve ity minisitra eny Anosy ity no nivolana fa tongava eto iny Ramose iny raha lehilahy? Niova ny resany satria nandalo sy niresadresaka taminy tao iny olona iny e ! Avy eo dia noseran’iny olona iny koa ny teny Mahazoarivo teny ka vitany soa aman-tsara ny « nampiesona » azy. Vitany ny nilaza an-kolaka fa tsy maintsy handao ity toera-mahazatra azy nandritra ny herintaona mahery ity mpanaofa tranon’i Mahazoarivo ity. Politika ve hisy ohatra ny nataon’iny olona iny ? Vitany ny namolavola lalan-kizoran’ny Gasy, ary voavolavolany amin’ny antsipirihiny ny tokony hatao amin’izany. Marina fa mbola misy pitsopitsony madinidinika mbola miandry ity mpampianatra mahay ity kanefa ny sarotra noho izao aza vitany e! Moa tsy nandritra ny roa taona aza tsy nahita lalan-kivoahana ny mpitondra sy ny mpihazona ny fahefana teto ? Fa hain’iny olona iny no nandambolambo ny mpanao politika Gasy ka tojo ilay rango-pohy ihany izy ireo……
Nilaza ary iny olona iny fa tsy misy mahamaika ny firosoana any amin’ny fifidianana fa aleo hilamina tsara dia misesy. Fantany mazava fa mitarika gidra hatrany ny fifidianana teto amintsika teto ary tsy sasatra iny olona iny nampatsiahy an’izany. Navoitrany fa io gidra io dia nateraky ny fiifdianana tandrametaka nahazatra hatrizay. Mila fotoana maharitra, hoy iny olona iny, ny fizahana ifotony ny olana ka hahatonga ny fifidianana ho eken’ny rehetra, indrindra ny olompirenena malagasy, mangarahara sy tsy ho azo lavina intsony ny vokatra mivoaka eo. Tsy maintsy ilain’ny sehatra rehetra (na eto an-toerana, na any ivelany) ny fitantanana mahomby ny fifidianana eo ambany fanaraha-mason’ny sehatra iraisam-pirenena. Dia mitanaka vava ny mpanao politika Gasy eo anatrehan’izany fahaizan’iny olona iny mampianatra antsika ny mitongilana tsy maintsy harenina eo amin’ny fanaovantsika zavatra izany. Tena mampianatra izy e ! Hainy ny nanadamina ireo bevava fa tsy maintsy ho toy izao sy izao ihany fa raha tsy izany dia tsy hanaiky ny fandaminana sy ny rafitra hajoro. Hainy ny nila ny fandripandrika sy ny resaka mety hitarika ady hevitra vaovao hafa indray. Tsy nasian’iny olona iny resaka akory izay hevitra efa nipoipoitra tany ambadimbadika rehetra tany fa ny fisantarana ny fanaovana sonia rango-pohy ny vokatry ny fanelanelanana nataony ihany no masaka an-dohany.
Mbola hisy ny lanonana manetritretrika hanaovana ny tena sonia ho amin’ity vaha-olana naroson’iny olona iny raha araka ny fanazavany. Tsy misy fahefana mpitantana ny fitondrana eto amintsika eto ka sahy nitsipaka na koa nandà ny programa nosoritany nandritra ny fivahinianany teto. Rehefa miteny izy fa soniavo dia mihazakazaka ny mpanao politika Gasy ny hanao sonia. Rehefa miteny indray izy fa tsy ilaina ny mirotoroto amin’ny fifidianana dia miara-miredona indray ny rehetra fa misy fahamarinany ny zava-nambarany. Dia iny olona iny ihany tokoa ve no hikarakara ny lanonana ofisialy ho amin’ny fanaovan-tsonia ity lazainy fa sori-dalana marina sy voahitsy ity ? Dia aiza ny manam-pahefana Gasy mitonona ho mpitondra eto ? Tena any amin’iny olona iny tokoa ny baolina raha izany ! Rehefa tiany holalaovina dia lalaovina e !
za koa mba miombokevitra aminao fa tena mpampianatra mahay le rangahy io:ny antony mahay miova loko sy teny isaky ny toerana andalovany hany ka tsy mahagaga raha maro no voany asa zany tokoa ve no
asan- ny mpanelanelana e sa sao de mpikaramanady kosa ; za zao raha ny fahafantarako @mahaolotsotra ahy de ,ialoha ny hanaovana paraphe zany de efa mba voavaky sy voadinika daholo ny ao anatiny nefa
rah ny fahafantarako ny talatahariva nolazainy fa eo ampamaranana izy ny fannamboarana ka fotoana taiza no nizarana le izy ho an' ny mpanao sonia sy nandinihan' ny fikambanana na antoko politika
alohan' ny hanaovana eny na tsia.Tena lasa ny saina fa hoe le mpanao politika gasy zany tena vendrana sa misy resaka vola koa tao ambadika tao.Mbola manamarina zany fa mahay le mpampianatra.Manarka
izany misy hevitra hita fa tokony mba noraisiny ihany ho fanitsiana ohatra le ceni zay hita fa tsy nahay niasa tokony navaozina ny membre sy ny fiasany raha tena hoe mila fifidianana madio nefa de
tgv daholo ny fisainan'ny ao ka tsy azo antenaina mihitsy fa ho madio ny vokatratra sady maninona no tsy nety nanaiky ny hanavaozana ny membre ry zareo.Tahka izany koa le ct sy cst, ny vahoaka
sahirana nefa ny isan'ny mpitondra ampitomboina arakizay tian'ny mpanao politika tsy mifanohitra ve zany ?hanao inona daholo anefa ireo sa hanomana ny election presidentiel? Da mbola kotozafy ihany
no lexsisy e fa de eto isika miaanakavy .Tsy nisy antony ho an'ny vahoka ny tolona fa vao maika nandetika any andavaka fa ny mpitondr fat kosa miha be kibo sy vozona andro amanalina; Nareo mpanao
gazety tsy tokony hanasohaso ny tsy mety fa mbatokony sahy miteny fa zay foana no nahavoa teto ary tsy tokony hankahala be fahatany fa mba mila mihaino ny hafa de avoaka ny hevitra; masahia mba
miteny ny tsy rariny rehetra fa aza afenina (fitsarana,bois de rose, tafika,tvmsy rnm aiza ry johary ravaojanahary nilokaloka fa tsy hitongilana @mpitondra irery intsony ny vaovao havoaka,sns)
