mer.
09
mars
2011
Ny ady politika dia mitarika amin’ny heloka politika hatrany ho an’ny mpifanandrina. Ny heloka aterak’izany dia dinika politika ihany no hifanarahana eo amin’ny mpifanadrina. Io mazàna no tsy
mazava amin’ny mpanohana sy ny mpanara-dia; ny mpitarika pôlitika kosa dia matahotra handray andraikitra satria tsy mahatanty ilay horakoraky ny mpomba azy. Matahotra ny ho voatora-bato.
Mila dinganina ilay toe-tsaina “aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”. Mila saintsainina ny mety hateraky ny ady pôlitika. Ilaina ny fanohanan’ny vahoaka tsy mandady harona , kanefa tsy ny
tian’ny vahoaka matetika no hitondra ny rariny sy ny mahasoa azy kokoa. Ny fanarahana ambokony sy ny fanehoan-kevitra aterak’izany dia mankany amin’ny gaboraraka sy fanomezana hasina ny
Répôblikan’ny “mandeha ho azy”........
Tsy ho latsa-danjan’izany ny fitadiavana ilay fanjakàna tena tan-dalàna marina sy hankatoavin’ny olona rehetra. Tsy zava-mifanohitra velively ny “tsimatimanota” sy ny “famotsoran-keloka pôlitika”. Tsy firaisana tsikombakomba ara-pôlitika na “fifanarahan-jiolahy “no dikan’izany fa dingana hizorana any amin’ny tsy hamerimberenana ny fahotana sy ny heloka politika mampidi-kizo ny firenena. Ny fitantanam-panjakàna dia tsy hananan-kavana, ary rehefa vandana dia kary. Tsy fanao amin’ny tany tena Répoblikana ny mifanafin-keloka, kanefa tsy misy tany afaka hiroso amin’ny “réparation politique” sy ny fanorenana firenena aha tsy misy ny hevitra ara-politika tena hifanarahana.
Pôlitikan’ny fanararaotana
Milentika amin’ny fisainan’ny mpanao politika gasy hatramin’izay fa ny fandrombahana fahefana sy fanjakana ihany no ahafahana mihary harena, hahavitàna manasoa ny mpiara-belona aminy. Izay no mahatonga ny fibosesehana anaty fitondram-panjakana. Dia mifangaro ny heloka nateraky ny fanarararotam-pahefana sy ny “heloka politika”. Ny fampiasana ny herim-panjakana ho fiarovana ny tombotsoa manokana no tena mibaiko ireo mpanao politika hiaro mafy ny fahefana hananany. Tsy manaitra ny olompirenena intsony ny fangalarana sy ny fisolokiana ataon’ireny tompom-pahefana ireny. Ny vahoaka mihitsy matetika no manome alalana ny mpitondra azy hangalatra. Moa tsy ireny olompirenena ireny no maneso sy manasokajy mpanao politika niala teo amin’ny fanjakana, ka miverina eny amin’ny fiaraha-monina eny, ho vendrana sy tsy mahay nanararaotra? Nahoana moa no tsy mety milofo amin’ny sehatra fandraharahana fotsiny ny mpandraharaha gasy fa tsy maintsy miroso amin’ny fanaovana politika? Miatomboka amin’ny fanandrata-tena ho mahaleotena sy tsy miankina eo am-pihandohana, avy eo dia mihevitra tsikelikely ho mpanao politika tsy azo hozongozonina
Heloka pôlitika
Ny fahefam-panjakana dia mitaky fampiharana ny lalàna velona mifototra amin’ny lalam-panorenana. Ny fisehon’ny tolona sy fifanoheran’ny sehatra politika malagasy hatrizay dia tsy maintsy misy
hatrany ny heloka politika. Izay no fomba nentina nandrodanana ny fanjakana nijoro teto. Ireny heloka politika ireny dia nifanjevoan’ny an-daniny sy ny ankilany hatrany. Samy nampiasa ny hery sy
ny fananany fanohanana avy (na herim-bahoaka, na hery ara-tafika, na hery eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena). Tonga ny vono olona, ny fanimban-javatra, ny fanararaotana ara-tsosialy, ny
herisetra. Ireny heloka ara-politika ireny dia tsy maintsy hakarina amin’ny dinika sy ny fifanarahana politika mba hahatonga ny fizorana amin’ny fitoniana sy hamaranana ilay fifandrotehana
politika tsy ao anatin’ny lalàna.
Tahotra ny hisian’ny fifanenjehana vaovao
Satria tsy misy ny fifanarahana politika amin’izao fitondrana tetezamita avo ankehitriny izao dia misy toe-javatra tena hafahafa tsy mety ny hampifandrifiana azy amin’ny lalàna manankery. Mpanao
politika maromaro no mbola ziogain’ny fanejehana ara-pitsarana, ary dia tataovana sazy izy ireny. Ao anefa no lasa mpitantana sy mpitondra amin’izao fahefana izao; voatendry any anaty
andrim-pahefana any. Misy ny mitantana ny fitsinjaram-panjana any amin’ny faritra any. Ao no mbola any am-pitandranomasina any, ao no niditra “an-keriny” sy tamin’ny fomba ara-politika avo tsy ho
takatry ny valalabemandry. Ary ny tahotra ny hisian’ny fifanenjehana vaovao eo amin’ny samy mpanao politika no mahatonga fizirizirian’ireo samy mpanao politika Gasy ankehitriny amin’ity
fifamelana eo amin’ny heloka politika nifanaovan’izy ireo. Dia tonga ny don-tandroka sy ny tsindry ara-politika. Mandrahona hiala any amin’ny fitondrana ny sasany, mifanameloka ny hafa fa
mampiditra olona voaheloka sy voasazy na koa tsy mahazo miditra. Ireny rehetra ireny dia baiko sy hevitra politika daholo dia ampy handrava sy hampivoitra azy.