mar.
08
mars
2011
Tokony haharitra adiny firy ny fanaovana firaisana ara-nofo ? Mety hahatonga im-piry ny olona iray ao anatin’ny alina iray ? Mila maharitra adiny firy ny fihetsiketsehana isan-karazany fanao mialoha ny tena firaisana ara-nofo ? Mety ho karazana fanontaniana ho tonga ao antsain’ny maro ireo ary mety hilany valiny ihany koa. Toy izao no azo resahana mikasika izany. Ho an’ny ankamaroan’ny olona mantsy dia ny tarehimarika sy ny antontanisa no tena mahamaika momba ny fiainana ara-pananahana. Mazana dia mahamatikambo ny lehilahy ny firesahana ireo zava-bitany manodidina izany.........
Toy ny hoe niaraka tamim-behivavy marobe, nahavita firaisana ara-nofo isan-karazany, ny fihetsika samihafa natao nandritra izany … Marobe ihany koa ireo maimaika rehefa manao firaisana ara-nofo. Misy ireo mankafy an’izay, nefa misy koa ireo tsy mahazo fahafinaretana raha tsy atao moramora. Safidy sy toe-batana no miresaka betsaka. Ho an’ireo mpikaroka Amerikana momba ny fiainana ara-pananahana dia manaraka dingana efatra ny firaisana ara-nofo. Eo aloha ny “préliminaires”, na ireo karazana fihetsiketsehana fanao mialoha ny tena fiarahana. Eo ihany koa ny “plateau” izay itazonana ilay “excitation” mandritra ny fotoana misimisy. Dingana fahatelo ny “orgasme” na ilay fotoana fiainana ny fahafinaretana fara-tampony, lazaina hoe mahatonga. Farany dia ny “résolution” na ilay fiarahana miverina eto an-tany indray ho amin’ny fahatoniana. Tsy voatery hanaraka ireo dingana ireo anefa ny mpivady, satria mbola safidy ihany koa ny momba izay. Ao ny te hiaina ilay “orgasme” avy hatrany, tsy mila mandalo “préliminaires”. Ho an’ny manam-pahaizana sasany ihany dia tsy tokony horefesina amin’ny isan’ny “orgasme” ny fahaizamanao eo amin’ny fiainana ara-pananahana. Ny zavatra azo antoka, araka ny fandinihana ihany, dia ny moramora sy ny milamina no tena ahazoana fahafinaretana noho ny maimaika sy ny taitaitra. Saingy mbola safidy avokoa ny fanatanterahana izany rehetra izany.
misoatra e!! mahafinaritra be le resaka!
ooooo manala azy manandra tsira
