mar.

08

mars

2011

Fifidianana roa hatambatra: TSY HAHAMARIN-TOERANA NY REPOBLIKA

Ny antoko politika eto Madagasikara dia samy manao angoatenda fa vonona ny hiatrika ny fifidianana daholo. Fa ny hany azo antoka kosa dia azo isaina amin’ny rantsa-tanana an’ila ny antoko tena mahahenika ny fari-pifidianana manerana ny nosy. Io fari-pifidianana io dia i Madagasikara iray manontolo raha hanao fifidianana ho filohan’ny Repoblika, ary ny distrika kosa raha hanao fifidianam-paritra, toy ny solombavambahoaka sy loholona, na kaominina raha ny ben’ny tanàna sy mpanolon-tsaina no horesahana. Azo hamaritana ny mahakely, na koa maha-goavana ny antoko iray izany ny fananany kandidà amin’ny faritany, na faritra na distrika, na kaominina maro, indrindra manerana an’i Madagasikara. Raha antoko mitetika ny hifaninana amin’ny fifidianana ny ho filohan’ny Repoblika dia tokony ho antoko mieli-patrana any amin’ny kaominina faran’izay ambanivohitra indrindra ary manerana an’i Madagasikara. Tsy ho lany hitondra ny firenena mihitsy ny kandidà atolotry ny fitambatambarana antoko « kely » satria tsy maintsy hisy ny olana eo amin’izay fitambarana izay, na dia ny resaka ara-bola sy arapitaovana fotsiny ihany aza.............

Tsy voafaritra ny satan’ny fanaovana politika Tsy maintsy mbola hisy ihany, raha izao fisehoan’ny toe-draharaham-pirenena izao, ny kandidà tsy miankina. Mety ho mariky ny fanalalahana eo amin’ny fanaovana politika izany, kanefa dia anisan’ny singa iray tsy mampisy ny fahamarinampototry ny Repoblika. Izany indrindra no mampisy ny fiverimberenan’ny krizy eto amintsika. Ny antoko heverina ho matanjaka eo amin’ny fitondrana dia nahongan’ny « kely » mitambatambatra miampy ireo andian’olona tsy manana antoko sy tsy manana foto-kevitra arovana akory. Izany dia nitarika hatrany ny fifandrohitam-pahefana rehefa « vita » ny tolona. Koa ny fanaovana ny fifidianana amin’ny volana septambra ho avy izao dia tsy haha-marintoerana velively ny fototra tena demokratika tadiavin’ny firenena. Tsy maintsy miady amin’ny handreseny amin’ny fifidianana filoham-pirenena ireo antoko mihevi-tena ho goavana, ary ny antoko madinika sy kely na ny tsy miankina dia hanao izay ho afany aty amin’ny sehatra kelikely toy ny fifidianana depiote. Dia inona ny rirany ho an’ireto mpifaninana madinidinika rehefa tonga tokoa ny fananganana ny andrim-panjakana isan-karazany amin’izany satria hisy solombavam-bahooaka tsy hanana vondrona parlemantera indray ? Dia toy ny hatry ny repoblika hafa rehetra teo aloha ihany fa hitambatambatra hanao izay tsy hahamarin- toerana ny fanjakana ny fiambatambaran’ny antoko kely isan-karazany. Tsy voafaritra mazava aty amboalohany sy mialoha ny fiatrehana ny fifidianana ny tena satan’ny fanaovana politika, ka na voafaritry ny lalàna aza fa tsy mahazo miovaova vondrona parlemantera ny depiote iray rehefa lany, dia tsy hahasakana ny korontana sy ny tsy fahamarinan-toerana izay.

Mila vola, mila fotoana Tsotsorina indray amin’izao fotoana izao fa efa hain’ny Gasy ny manao fifidianana roa ao anatin’ny andro iray, satria efa toy izany no natao amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Diso tanteraka izany ! Ao anaty fari-pifidianana iray ihany no hisehoan’io fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina io, ary dia ny biletà koa samy manana ny azy ny antoko tsirairay tamin’ireny, dia samy mampiasa ny herin’ny antokony avy ny mpifaninana. Fa ity amin’ny septambra ity dia fari-pifidianana roa samy hafa no ho terena hanaovan’ny olom-pirenena latsa-batso anaty andro iray. Ny biletà koa ve mbola ho biletà tokana ? Raha ny lalàm-pidianana sy ny fomba fahazoana ny toerana arakaraky ny isan’ny vaton’ny antoko iray dia mbola ny fomba taloha ihany. Mila fotoana lavabe izany ny fomba hanentanana ny olona handray anjara amin’ity fifidianana tiana hatao sy hikirizana mafy ity. Ambonin’ireo rehetra ireo dia mbola tsy milamina ny didadisa politika sy ny fifandrohitam-pahefana. Koa Repoblika manao ahoana loatra re no ho marin-toerana sy tsy laitran’ny saritaka politika amin’izany e ? Antoko politika iza amin’ireto roanjato mahery no hisalotra fandresena amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, ary hahazo ny maro an’isa koa amin’ny fifidianana solom-bavam-bahoaka ? Vorona eny an-danitra tokoa ka hasiana sira ? Tsy ho ela velona ny Repoblika fa ny krizy no hahazo laka. Diniho kely e !

Ony Rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    lalao (mardi, 08 mars 2011)

    ry gasy fitaovana ety miady seza dana modia antrano ataovy gne fitadiavana vola hiinanankanina voky da matoria fa k aza ambakainy mpanao politika vakio baiboly fa andriamanitra gne nanamboatra ano sy ny sainao fa tsy gne mpanao politika na president de repoublike ka agnodikodina lohatsika gasy ka miafara aiza ny aina , dana mamojy bal r'aha tsimanankatao fazamandany rara ry havako

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra