mar.
08
mars
2011
Angamenavava, hoy ny tenin-drazana ka aleo samy mitsilotsilo ny alehany. F’angaha moa ianao irery no milanja ny mangidy eto amin’ny firenena? Aza mitarai-tana-miepaka fa ny sitrapon-dRalakamisy koa no nilingilingiany hanambady ny Ambaniandro. Raha sendra ny tsy nampoizina ve moa tsy ho hiantràna ihany fa havan’ory? Saingy tsy izany anie no manjo anao e! Moa mba nasianao vidiny ny ezaky ny hafa? Nasianao lanjany ny fananana iombonanana tamin’ireny haitraitra natao ireny? Moa mba nosaininao fa mety ho nanandanja teto amin’ny firenena ny dingana vitan’ny “vahoaka” te-hiasa mafy sy hiasa tsara? Nahoana no novelenao teto ny kolon-tsain’ny tanora tsy te-hahalala ny hevitry ny hafa? Aleo koa mba ho tantatraina anao ny nanjo hafa, dia mety ho azonao an-tsaina ihany fa tsy fitia te-handatsa ny an’ny hafa, raha mba mitaraina izy. Tsy ialohavan’ny “ry tanindrazanay malala ô”, ny fitarainany fa faniriana fotsiny ilay hoe: “He! Sambatra tokoa izahay!.............
Manan-janaka telo mianadahy kely koa ny hafa e! Ny azy ireo efa ho herintaona izao no tsy afaka nianatra intsony fa lavitry ny toera-ponenana ny sekoly ka aleo nitady vola nanampy ny ray aman-dreny. Ireto ray aman-dreny ireto dia Gasy toa antsika ihany saingy “madinika”, tsy ilay avy eny ambany tanàna” afaka miakatra TVM sy RNM toy ny sasany akory, fa miandry ny Andriamanitra tsy andrin’ny sasany. Voaroaka teny amin’ny fihariana afak’haba ilay Ramatoa noho ny setrasetra politika teto ka lasa manasa lamban’ny ”mpanana” sy mitaona biriky eny amoron’Ikopa. Ilay Rangahy kosa dia mpiandry tanànan’olona tany Sabotsy Namehana tany ka in-droa isan-kerinandro vao afaka mba mihaona amin’ireto vady aman-janany. Taloha izany fa efa ho efa-bolana izao dia miandry izay hitsaràna azy eny Antanimora eny. Voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-basy tao amin’ilay trano nambenany. Dia mitolona irery amin’ny fiainana ilay renim-pianakaviana. Manampy azy ny zanany telo mianadahy kely tsy mahalala izay tena anton’izao fahantrana lalina manjo azy izao. Fadiranovana amin’ny setrasetran’ny “tsy mataho-tody” rehefa mba hamonjy fodiana eny amin’ny trano sasé. Mila hipoaka ny lohany amin’ny kajikajy amin’ity vidimbary izay efa iainana an-davanandro. Marina fa misy ny vary hamidy 900Ar fa amin’ny fomba ahona moa no ahazoany an’ireny? Amin’ny 5 ora hariva anie vao miala eny amoron-drano e! Tsy zakany ve ny onjam-piainana ka hikonetaka aminao izy? Hanantena inona koa? Tsy maintsy hametrahana adidy indray izy atsy ho atsy mba hanamafisana ny fahefana efa eo ampelatanan’ny mpitondra sy mpitarika ny tolona ho an’ny firenena. Raha izany tokoa moa no hahitany ny anjara masoanadrony indray tsy hataony? Izany ve no ahafahany hampiana-janaka amin’ny tokony ho izy? Hahitany ny rariny eny amin’ny fitsarana? Ary indrindra mba hampilamin-tsaina azy tsy hiaran’ny herisetram-piaraha-monina intsony. Hifidy izy! Ary hifidy anao mpanao politika avo fandini-javatra. Mahagaga fa anaty trano manjelatra sy vonton-kafanana eo anivon’ny vady aman-janaka ianao kanefa dia mangorera sy mimenomenona fa misy tsy “mataho-tody” manakorotana ny efa milamna tianao iainana. Tananao malemilemy iny tokoa ve moa ho foinao hitoto vary lena? Samy manana ny tandrifiny azy avokoa ny olombelona, ary samy natao hizaka ny hazo fijaliany. Kanefa milamin-tsaina ianao fa tsy tompon’antoka nanavesatra ny fahasahiranan’ny mponina? Dia tsy manana ahiahy fa mety sy lavorary ny vaha-olana entinao ho an’ny mpiray tanindrazana? Dia iza no tsy maintsy hatao ho sorona amin’ity fahoriam-bahoaka ity? Tsy maty sy lavo amin’ny basy aman-tafondro ihany akory no mizaka ny mafy eto fa misy ny tratran’ny horohoron-tsaina sy tsy mahita mangirana amin’ny fiainana. Fantarao izany fa tsy hatoro voanjo hadiana ianao e! saingy aza mangorera intsony fa tsy misy toa anao eto. Sady tian’ny Mpamorona no mamim-bahoaka ihany koa! Ony RAMBELO
ratiana makadala ve politika gasy o samy mhery zany io basy mipoaka dahalo tsisy resaka satria matimaty foana maty dahalo satria mpitondra fanjakana variana manisa vola ao ?, mampagarohoro gasy en ville gne dahalo mampagorohoro gasy anatin i ala, fa haona marina gne tena fihainan i malagasy miala lalana iraisampirenena ve avy aiza ny basy @ dahalo o modiana tsijerena ve erianareo @micro mignanagnana fotsiny gne sasany maty tifirin i sasany any
