lun.
07
mars
2011
Famonoan-tena ve ny fananganana fitondrana tsy mifototra afa-tsy amin’ny fandrombahana fahefana ? Inona marina ny ho lanjan’ny fifidianana ho amin’ny fampijoroana fanjakana ombam-pahefana tena tsara tso-dranon’ny vahoaka izay mpampindrana azy ? Mitondra mankaiza sy mankaiza marina ny fihetsiky ny mpanao politika Gasy eto ? Hamaha olana sa vao mainka hampitombo ny efa miolana ? Inona marina no dikan’ny hoe: afa-nenina eo amin’ireo mpifanandrina ? Mbola azo tohizana lavareny ireo fanontaniana ireo, ary azo antoka koa fa tsy hanana valiny tena iombonana sy tena ifanajana. Tsy hisy dikany ny fifidianana raha azo atao ny manitsakitsaka ny didy aman-dalàna velona. Tsy hisy fotony ny fahefam-bahoaka raha ampiasain’ny mpanararaotra amin’izay itiavany azy. Ary mamono tena ara-politika izay mpandositra ny adidiny ho amin’ny fanalana ny fahasahiranam-bahoaka...........
Tapi-dalan-kaleha ? Nampiadiana ny hevitra, nandritra ny fotoana maharitra, fa ny rora hatrany no lany. Tsy nahitana mangirana mihitsy ny olana ara-politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Misy ny kely finoana sy ny miraviravy tanana amin’izay mety haterak’izao fikatsoana izao, ka leo sy tsy mivaky loha intsony ny amin’izay tena tiany ataony. Tsy midika ho hadalana ve ny mikiry amin’ny mety ho fahafatesana ara-politika ? Tsy manantena intsony ny mety hahafehezana ny filaminana ka aleo hikorontana tanteraka ? Raha hanangana ny tetezamita hafa ve ireto mpanao politika mivondrona ao amin’ny ankolafy telo ireto dia manao izay hitsin’ny lohany fotsiny ho fanoherany ny fikasan’ny mpitondra avo hanao ny fifidianana amin’ny volana septambra ? Tsy ny famahana krizy no andrasana amin’izy rehetra ireo, na inona hevitra tohanana na inona ? Nambaran’ny mpihazona ny fahefana hatramin’izao fa miezaka namaha io krizin’ny Gasy io ny mpitondra, hatrizay, ka anisan’ny lehibe indrindra tamin’ireny ny filazany fa rehefa lany s y vo a f i d i m - b a h o a k a ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika IV dia mivaha ny krizy. Ambonin’io dia mbola tohizany ihany ny fitantanana ny tetezamita satria voasoritra ao anatin’io Lalàmpanorenana io izany. Ary farany dia aleo ho mpanohitra ny fitondrana izay tsy mankatoa izany rehetra izany. Dia aiza ho aiza amin’ireo no hirika sy mangirana fa hilamina ara-politika isika ? Koa tsy nahagaga raha naneho ny fahavononana haneho ny heriny amin’ny fananganana sy fikarohana ny « mba » vaha-olany koa ilay noterena ho mpanohitra satria izy tsy te-hanohitra. Dia iza amin’ireo no tapi-dalan-kaleha ?
Fanerena ho amin’ny fiverenana amin’ny dinika Tsy hisy mpanao politika hampiseho « hadalana » ka hanao sotro ranon’alika tsy akory. Raha mbola misy resaka azo hatolotra dia eo hatrany izy ireo. Ny tetezamita hafa tian’ny ankolafy telo hajoro dia hampisehoana amin’ny rehetra fa manana ny stratejia ho famahana ny olana koa ry zareo ( ?) fa tsy natao ho manaraka ny fironan’ny fitondrana avo fotsiny, na koa hoterena hanohitra tsy hisy mpihaino. Amin’ny fomba ahoana moa no hilazàn’izy ireo indray, taorian’iny dinika farany teny Ivato iny, fa mety aminy, na koa tsipahiny ny fanatanterahana ny fifidianana ? Moa tsy efa notsipahiny ny fitsapan-kevi-bahoaka ? Fa tsy nahitam-bokany izany. Tsy maintsy mbola hitohy lavareny ny fifandrohitana ary tsy hisy hanaiky ho resy tsy miady mihitsy ny mpanao politika Gasy eo anatrehan’ny krizy ankehitriny. Raha mihalava ny krizy dia hahay politika daholo ny « bado sy dondrona » rehetra ka samy haka ny anjara birikiny amin’ny fikarohana ny fampitomboana olana. Ka efa miha-bado ve ny mpanao politika ka aleony « maty » toy izay resy dohika ? Mbola mety ho anisan’ny ady (hevitra) ve ny fikasana hamboly korontana eto ? Tsy tokony hifanentanan’ny mpanao politika ny fampitsaharana ny fifankahalana ? Ka hitondra inona ny tetezamita roa samy hafa ? Samy manana ny laharam-pahamehana hatrehany ? Mbola lavitra tokoa ny fitoniana ! Ony Rambelo
valaka zaho jarao 6 i madagascar samy maka president ho ita eo zay mavoa sy mahery ; i tana ataovy eo dadanareo; Dego omeo an i zafy nare , Tulear Moja odefo li ,Majunga kotite amijay tsiresy miady, Tamtavy rolland ou ratsy iraka Didier ,Fianaratsoa manana olomangabe tsifatanareo Etienne jule jay mbola tsifatanao fataro kely izy very gasy raha tsimahalala azy
president nay sarkosi nefa mijery anareo madagscar malaelo satria i dadanareo tia harena andry koa efa fetsikely sisy manjary i zafy efa tsipakan i miala haina bon haiko aminareo malagasy magnaboara saina fa diso dodrona sy bado satria ampedin i dadadreo sy i Andry matimatifona , jareo mifagnaraka hiany nareo gne maty miady @500000fmg , nefa seza tsipetranao gnedianao , tsara hiany aho fa manajatena
Fianarantsoa omeo an'i Pety
PETY tsara mahery mitolona fa olomanga fianarantsoa izy nefa antsika maro mavoa k olovaovao ao izy MINDRIKA FIANARATSOA
anao mahay andriamatoa Jule Etienne miarahaba anao aho zaho koa mahay azy avy vohipeno izy jandry TOMPOKOLAHY Ravony jule francis ,fa saingy efa ela tany andafy manampahaizana sy manana diplaoma faratampony gne tsy mahatra tsaara asa klinika lehibe any en france azy ambatana io olona hendry mitondra fiarahamonina sy tia olona fantaro olo hotranio gne tokony hitondra madagascar raha gne fahitako azoko antoka , fada elan i gasy zao io fa gne kobakambava gne nahajatra gasy ka lasa tsy mahay mifidy gne hiafarana lasa tojo gne fopla fona vo menomenona akoha loatapaka
Pety ihany ny anay
