lun.
07
mars
2011
Nisy zavatra nirefotra be tetsy amin’ny làlana mandalo ny «marais Masay » ny alakamisy madiva ho alina teo. Tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara mitondra ny filohan’ny FAT teny amin’iny làlana iny indrindra no nirefotra ilay « zavatra », saingy tsy nampihontsona ilay fiara « blindée » nitondra azy fa ny fofom-banja naterany no ren’ny orona. Teti-dratsy hikasana hamonoana an’i Andry Rajoelina ve no nampirisika izay nahavanon-doza hanao vela-pandrika toy ireny ? Sangy mihoatry ny loha, raha izay tokoa no izy, ka mampieritreritra lalina satria tsy hamaha ny krizy politika efa niainana tao anatin’izay roa taona izay ny trangan-javatra toy ireny. Vao mainka aza hampitarazoka ny fikatsaham-bahaolana !...............
Niditra an-tsehatra Voalazan’ny mpiambina akaiky azy fa « vao nipoaka ilay baomba dia izay hanaterana haingana any an-tranony ny filohan’ny FAT aloha no nataon’izy ireo, ary avy eo vao niverina nizaha ifotony teny amin’iny lalana vao avy nisehoan’ny fipoahan-javatra iny ». Tonga teny an-toerana ihany koa ny praiministry ny FAT Camille Vital, fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ilay fipoahan-javatra. Nikirakira sy nijery ireo tariby (fil) 150 m nafenina tao ambadik’ireo vy arofanina manamorona ny farihin’i Masay, izay voalaza fa nifandrohy tamina « batterie » nanapoahana ilay « baomba nitoto-bozaka » nipetraka teo amin’ilay dongona analefahana ny hafainganam-pandehan’ny fiarakodia mandalo iny lalana iny. Tompon’andraikitra ambony ao amin’ny FAT maro koa no tonga tsikelikely teny an-toerana, toy ny CST Ramaroson Alain, ny ministry ny foloalindahy, ny lehiben’ny Etat Major-n’ny tafika, sns, ankoatr’ireo olona akaiky an’i Andry Rajoelina sy ireo mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana, ary ny mpanao gazety. Tsy maintsy hisy moa fanadihadiana momba iny raharaha iny, araka ny voalazan’ireo tompon’andraikitra ireo, ka ho hita eo indray hoe iza no ahiahiana ho « ati-doha » nikotrika izany. Nanaitra ny manodidina ny fipoahana ka ny sasany aza dia nihevitra fa « fanandramana ilay afomanga apoakan’ilay orinasa « loterie vaovao » iny ka tsy naharototra azy ireo ».
Tsy hay intsony… Soa ihany aloha fa « tsy izy no voa fa ny tolàna » e ! Ary arahabaina ny filohan’ny FAT tsy maty fo aman’aina. Fa ny mahagaga dia miseho hatrany ny tranga mampihoronkoditra toy ireny rehefa injay misy dingana tsy maintsy hirosoan’ireo mpifanandrina ara-politika hamahana ny krizy politika. Hampitarazoka ny fialàna amin’izao tetezamita mbola tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izao indray ve iny toe-javatra mamohehitra iny ? Dia hitohy indray izany ve ny fahoriambahoaka, sa misy mpanao politika mahazo tombony amin’ny trangan-javatra toy ireny ? Mba “masay” kosa, hoy ny tenin-jatovo, raha izany no toe-tsaina e! Ankoatra ireny resaka baomba napetrapetraky ny “sasany” tetsy sy teroa tamin’ny taona 2009 sy 2010 ka nahavoarohirohy ka nitanana am-ponja, na nitazonana tamina toerana manokana an-dry Raharinaivo sy ny tariny ireny mantsy, dia efa indroa izao no nisy “fikasana hamono” ny filohan’ny FAT”. Tsaroana ilay hoe : “nisy nitifitra iny fiara mitondra azy iny teny Ambodimita, tamin’izy niverina avy tany Maputo,volana maro lasa izay”, dia ity nitranga tetsy Masay ity indray. Tsiahivina ihany fa tsy nipoaka ny ankamaroan’ireny baomba ireny, afa-tsy ilay tetsy Ambohibao namoizana ain’olona iray sy “nahasamborana olona nahafahana nanao famotorana ka nanonona ny anaran’ireo voarohirohy tamin’izany. Tangena