lun.

07

mars

2011

« B » tena mipoaka

“Saika maty aho lehiroa, tamin’’ny andro faharoa! Tena mpamosavy lava loha no nanao kitoatoa”. Kilalaon’ankizy tamin’ny fotoan’andro taloha izany fa tsy rediredy na koa fitia te-hampiady rima fotsiny! Tsy mety amin’ny fomba fisaina sy ny tontolo politika maneran-tany ny herisetra hateraky ny fifanolanana ara-politika. Tsy maintsy ireo tsy manan-tsiny hatrany no mitondra faisana. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra dia tsy politika ny fikendrena ny hamono hahafaty olona, indrindra ny “filoha avo mpitantantana ny tetezamitan’i Madagasikara” no lasibatra(?) Tsy politika ny fandoroana ny lapan’ny tanàna, tsy politika ny famonoana ny filoham-panjakana, tsy politika ny fandorana ny lapa teny Andafiavaratra sy ny teo Manjakamiadana, tsy politika ny fandorana ny RNM sy ny TVM, ary vao mainka tsy politika ny miafina ao anaty herisetra “B” rehefa te-haneho tanjaka sy hampiseho amin’ny rehetra fa mbola mpidinika sy mpitarika politika. Fa tonga ny “B” tena mipoaka rehefa ny politikan’ny herisetra no mitranga. Tsy voatery ho ny mpifanolana hatrany ny hanamboatra ny “B” mba hapoaka fa hevitry ny beloha io. Hevitry ny tsy manana halahatra, hevitry ny kanosa, hevitry ny leom-boanana............

Mampitombo ny f(if )ankahalana sy ny herisetra ny vava mifono fandrangitana sy sofina donto tsy mety hihaino. Raha hiverenana ny tantara dia nandray fiadiana ny mpitolona “tia tanindrazana” nolazaina ho mpioko tamin’ny taona 1947 rehefa tsy nahomby ny “kilemilemy” nataon’ny antoko politika niantomboka tamin’ny hiakan’ny fahafahan’ny taona1929. Aina maro no ripaka satria niana-kendry ho mpioko tamin’ny matanjaka. Dia toy izany hatrany no nahatonga ireo fahamaizana miampy faharavàna marobe notanisaina tetsy aloha ireo satria tapitra ny dinika, tapitra ny resaka, tapitra ny fifandeferana. Aleo dinganina ny taona marobe fa ny “omaly” no hotomorina akaiky: Efa tapitra angaha ny resaka? Dia iza moa no nivolana fa ajanony amin’izay ny dinika fa tsy hinanan-kanina? Dia iza no mihevitra fa ny tetika “B” na ny “be tetika” amin’izay no hanao ny hataony sy homena vahana? Iza no hahita tombony amin’ny setrasetra? Iza no maniry ny fisetrasetrana? Tsy hisy zava-mipoaka eto raha tsy misy ny “faly sy mitsinjaka” amin’ ny hipoahany. Ny anton’ny fanampoahana sy ny tanjona amin’izany no tsy mitovy. Ny hafa te-hamendrofendro fa tratran’ny “lako” tampoka noho ny zavanataony. Tsy misy toerana ho an’ny herisetra ny tontolo politika raha voahaja ny “demokrasia” (fifanarahana sy fitsipi-pifehezana tsy hanotàna fady sy hamerimberenana ny hadisoana). Tsy misy azo hanamarinana ny herisetra sy ny fikasana hamorona f(if)amonoana ny fidongiana toy ny zaza minono. Ny sasany indray dia mety ho tonga any amin’ny fandatsana sy ny fifanomezan- tsiny fotsiny. Fa rehefa fotorina amin’ny lafiny samy hafa dia miseho ny herisetra “B”, rehefa tonga eo amin’ny resaky ny moana sy ny marenina ny toe-draharaha. Tsy mpanao politika velively izay rehetra tsy manameloka ny herisetra sy ny f(if)amonoana. Tsy mpanao politika ihany koa izay faly ny hanameloka sy mihiaka ary maika hanondro ny hafa ho tompon’antoka sy mbola hanao angoa-tendda hatrany fa ho faizina sy hohenjehina ny nahavanon-doza. Tsy mpanao politka ny faly hiaro tena sy hanamarina ny herisetra (na ara-tasaina, na ara-pitaovana) niseho sy mety mbola miseho. Ny adidin’ny mpanao politika dia ny manentana ny tsirairay sy ny mpomba azy, hampitsahatra miaraka amin’ny vava ny herisetra. Mbola adidiny ihany koa ny mandini-tena fa sao nitarika “fipoahana“ any amin’ny tsy izy ny vava navoakany hatrizay. Moa tsy tokony ho vain-dohan-draharaha amin’ny tarehin-javatra toy izao ny mampiseho “fitiavana” ny fahavalo (na mpifaninana) politika? Tsy anisan’ny asan’ny mpanao politika ny misoroka hatramin’ny fakany ny teti-dromotra mitondra any amin’ny fipoahana? Aza apoaka intsony ny vidim-piainana fa ho faty ny olompirenena, aza apoaka intsony ny taim-bava fa mitarika any amin’ny herisetra tsy voahevitra (na avy aiza na avy aiza fihaviany), aza apoaka intsony ny f(if)ankahalana amin’ny maha-olona ny olona fa tsy mitondra ady hevitra mazava, ary farany aza apoaka intsony ny “B” fa mahafadiranovana. “B” = baomba, beloha, bemanaiky, bebaoty, belelo, bevava, be dohika, be konetaka….. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra