ven.
04
mars
2011
Eo anelanelan’ny volana mey sy ny novambra 2011 (mety ho ny volana septambra) no hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavam-bahoakan’ny Repoblika IV, izay natsangan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Andro iray no hanatanterahana izany ary hisy solontenan’ny kandida isanisany hanara-maso akaiky ny fomba fiasan’ilay vaomiera hikarakara ny fifidianana. Izay ny ankilany, ary ny andaniny dia mikenonkenona ny « hanohitra » izany hevitra izany, amin’ny alalan’ny fananganana “ »governemanta tetezamita » hafa. Aiza ho aiza amin’ireo tetika ireo no azo ho tanterahina sy ahitana izay tena vaha-olana ? Fa mpanao politika hafa mihitsy àry ve ireto vonona ny hiroso amin’ny fifidianana ireto, fa tsy ireo namporisika ny hirosoana amin’ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana filoha ? Tsy ny mpitarika ny tetezamita avo ve ilay nanao bontolo tamin’ny heviny taorian’izay, fa ny fifidianana ben’ny tanàna no tsy maintsy hirosoana ? Ravarava indray àry ve izany ny resaka « fisokafana » vao notantaraina tamin’ny taom-baovao ? Ary inona indray no antony nanaterana ny fanapahankevitra vaovaon’ireto mpanao politika ireto tany amin’ilay mpanelanelana avy amin’ny SADC ?................
Tsy mety ho matotra Mendrika ny ho mpitondra sy hitantana ny raharaham- panjakana tokoa ve ny mpanao politika Gasy miovaova hevitra sy tsy misy fahamatorana toy izany ? Nahoana moa no tsy sahy manapa-kevitra amin’ny maha-mpitondra avo azy Rajoelina Andry ? Inona no antony tsy maintsy ho nakàna indray ny hevitry ny mpanao politika kanefa efa hitany mialoha fa ny mpomba azy ihany no nanatrika izany ? Tsy manam-pahasahiana ho tompo-marika amin’izay hevitra tiany hitondrana ny lalanjotra harahina mihitsy ny tenany. Dia hahagaga ve raha tonga ho azy ny hevitry ny hafa ka mikasa ny hanangana governemanta tetezamita indray ? Tsy voafaritra sy tsy misy antony hananganana sy/ na fanovàna ny mpikambana ao amin’ilay governemantan’i Vital Camille intsony raha ny vontoatin’ny fehin-kevitra vaovao hirosoana anaty fifidianana mitambatra ity. Sa nisy mpanao politika mbola niady varotra ny hananganana ilay governemanta ho fampiraisam-pirenena ve ? Efa samy hanangana ny azy daholo anie raha izao no hitohy e ! Koa famahana olana manao ahoana no tena hivantanan’ity fifidianana tsy maintsy ho tanterahina ity ?
Hijanona ho nofy hatrany Tsy misy ho tompon’antoka amin’izao fikatsoan’ny raharaha eto amintsika izao mihitsy ny mpanao politika Gasy. Tsy misy lalana tena iraisan’ny rehetra fa samy mandrirotra amin’izay tiany avy. Manonofy ho mpitondra tetezamita efa ao anaty Repoblika vaovao fahefatra ny mpitondra avo ankehitriny. Tsy fantatra intsony izay tena tiany hatao sy tiany hampanaovina ny Gasy. Vaha-olana ve ny fikarohana hevitra ho fifanilihana eo amin’ny lafiny politika ? Tena fifidianana hamaha ny olana ve ny fifidianana tsy hahafahan’ny rehetra handray anjara akory ? Tsy maintsy hisy hatrany ny fanoherana ny fiatrehana azy, eo am-pilazana ny vokatra haterany. Tsy mahagaga raha hanahaka ny efa fisehoanjavatra tsy misy vaha-olana toy izay miseho any Côte d’Ivoire ny hanjo ny firenentsika. Te-hijanona anaty nofy antoandro ny mpanao politika fa tsy mijery ny ampitso mbola tsy maintsy harenina sy mbola any an-kibon’ny omby. Raha ny fanononana datim-pifidianana no atao hoe: vaha-olana, tsy efa lasa lavitra kokoa isika toy izay ? Tsy efa nanomboka tamin’ny taona 2003 moa ny tariky ny Profesora Zafy no tsy nandray anjara intsony tamin’ny fifidianana izay natao teto ? Izany tsy midika fa ny sitrapony no tsy maintsy toavina fa mila hevitra tsy maintsy hifanarahana mba hahafahana mifampifehy e ! Sa aleo hanangana fitondrana marobe isan-karazany ? Dia hisavoritaka eto ? Amin’izay mba samy ho Prezidà daholo isika mianakavy !