ven.
04
mars
2011
Nahitana hevitra « vaovao » sy hafa indray nivoaka teny Ambohitsorohitra teny raha nihaona sy noraisin’ny filohan’ny fitondrana Avo Rajoelina Andry ilay iraky ny mpanelanelan’ny Sadc, ny dokotera Simao Leonardo. Nivoitra tamin’ny fanambaràna fohy nataon’ity Dokotera Mozambikana ity, taorian’ny fihaonana, ny fahaizany ny diplaomasia sy ny fahafehezany tsara ny fanehoan-keviny. Niova ny fomba fiasa eo amin’ny mpanelanelana, araka ny filazany, ary tsy maintsy hisy ny fandraisana ny hevitra rehetra mba ho famahana ny olana, ary misy dingana tsy maintsy handalovany izany fikarohana ny hevitra samihafa (samy hafa) izany. Ny famorian-dRajoelina Andry ny mpanao politika Gasy indray dia nambarany fa anisan’ny dingana eo amin’ny samy Malagasy izany, ary ilaina ny toy izany ho firosoana tokoa amin’ny vahaolana maharitra. Niompana amin’ny fijerena sy ny fitodihana amin’izay ezaka vita no tena anton’ny fihaonana teo amin’ity tompon’andraikitry ny fanelanelanana ity sy ny filohan’ny fahefana avo Rajoelina Andry. Tsy azo hirotorotoana, hoy ny tenany, ny vaha-olana fa tsy maintsy ny teny ifanomezana sy ifanarahan’ny ankapoben’ny mpifanandrina no tena ilofosan’ny mpanelanelana................
Atambatambatra sy tsy maintsy ho raiketina an-tsoratra avokoa ny hevitra rehetra hita sy nandalo ary noheverina fa ho vahaolana ary tsy misy na iray aza azo ho tsinontsinoavina. Ireny fiaraha- manao sonia nataon’ny mpitondra taloha Ravalomanana sy ny mpanelanelana Chissano ireny dia anisan’ny mampiseho fa tompon’antoka sy mpandray anjara amin’ny vaha-olana ity mpitondra taloha ity. Izany rehetra izany dia mba hamolavolana tsy ho ela ny fivoahan’ny sori-dalana tena izy sy voahitsy ary mifanaraka marina amin’ilay fiaraha-mitantana nokarohina hatrizay.Mbola tena mistery tanteraka ny hevitra any amin’ireto mpanelanelana ireto satria isaky ny misy hevitra vaovao mipoitra dia toa miova sy manaraka ny onjan’izany koa ny fampahalalambaovao ataon’izy ireo. Tsy miverina eo amin’ny resaka fanaony intsony ny hoe fakana ny hevitra etsy sy eroa, na ilay hoe tsy maintsy soniavina haingana, fa manjary nirona kokoa amin’ny mety ho fandraisan’ny mpifanandrina mivantana amin’ny raharaha no nimasoany indray, nanomboka tamin’ity herinandro vaovao ity. Raha ny anio alarobia moa dia kianja roa samy hafa no handray ireto mpanao politka Gasy ireto, dia ny eny amin’ny lapa eny Ivato sy etsy amin’ny Villa Elizabeth etsy Ivandry. Fa ny mpanelanelana dia ao amin’ny Colbert ao Antaninarenina ihany. Sa hitsidi-pahitra any atsimo dia avy eo ho eny Avaratra ? Ony RAMBELO