ven.
04
mars
2011
Araka ny fanadihadiana nivoaka tamin’ny site www. autoscout24.fr dia fantatra fa frantsay 2 amin’ny telo no nanambara fa efa nanao firaisana ara-nofo tao anaty fiarakodia, izany hoe 69% ho an’ny frantsay eo amin’ny laharana voalohany raha 56% monja ho an’ny allemands eo amin’ny laharana faharoa. Fanontaniana telo no napetraka tamin’izy ireo : karazana fiarakodia toy inona no mety sy tsara ho anao amin’izany, inona no fanomezana ho an’ny fetin’ny Saint Valentin tianao indrindra ary ny hoe efa nanao firaisana ara-nofo tao anaty fiarakodia ve ianao? Ho an’ny fanontaniana voalohany dia ny fiarakodia “coupé cabriole” no be mpisafidy indrindra izay nitana ny laharana voalohany. Ny fiarakodia 4x4 kosa no faharoa izay 1 amin’ny 10 no nisafidy azy ary 8% monja kosa no nisafidy ny fiara monospace. Ho an’ny fanontaniana faharoa kosa dia ny fanomezana fiarakodia no be mpisafidy indrindra. Manaraka azy avy eo ny peratra vita amin’ny diamondra ary fahatelo ny famataranandro raitra dia raitra. Tsatsara toerana amin’ny fanomezana koa anefa ny tononkalo nosoratan’ilay olon-tiany. Ho an’ny fanontaniana farany moa dia 69% n’ny frantsay no efa nanambara fa efa niray ara-nofo tao anaty fiarakodia ary 11% no maniry hanao izany. Zaka Fils