ven.
04
mars
2011
Tsy vaovao intsony ny vidim-piainana tsy mitsaha-mitombo. Ny fandalovan’ny rivo-doza no toa vao mainka nahatsapana fa tsy ho tanty intsony izy ity, raha mbola mitohy lavalava kely fotsiny. Mifampihinana ny vahoaka ! Izay no azo anambarana azy. Toa tsy fidiny anefa, satria « teren’ny zavamisy » hoy ny filazana azy. Saro-dalana ny sarety ka tsy tafakatra intsony harina. Ratsy ny lalana ka tsy tonga any an-tanàna intsony ny taksibrosy, miakatra noho izany ny vidin’ny anana sy ny legioma isan-karazany. Dia inona intsony no hanina, raha toa ka na ny vidin’ny vary tsy ho laitra ?
Jumbo sisa ! Lasa vazivazy ny fisehoan- javatra, na dia mihatra aman’aina aza. Satria tsy azo atao intsony ny mahandro ny anana amin’ny menaka, dia ny « jumbo » sisa no ifampitadiavana...........
Fa tandremo an ! Zaraina roa !! Efa fantatry ny mpivarotra kao anagamba ny filàna, ka dia mba manaraka ny onjany koa izy. Mampahatsiaro ny fotoana nipoiran’ny dibera mizarazara voalohany. Afananosotra ny mofony daholo, zary lasa « gote »n’ny ankizy aza ny mofo amin’ny dibera. Izao izany tao lasa nofy sisa. Tsy te hampitsetsetra, fa io « jumbo » io anie rey olona sisa koa no lasa tsaky toaka e !
Mandeha be ny « sase » Dia mitohy ny tantara. Tsy azo eritreretina intsony koa ny milaoka hena. Ny kisoa izany moa, toy ny tsy hita hatramin’izay ihany. Tafakatra Ar 8000 mantsy ny kilao. Ny omby, izay nifampizarana tamin’ny mpanana teo aloha izao, somary sarotsarotra vao mahazo antsasaky ny fahefany eny amin’ny mpivarokena, fa « mahamenatra » hono. Dia iza no ndeha ho afa-baraka eny eo, maheno ilay esoeson-tenin’ingahy mpivarotra ? Toy ny tsy nisy irony fotoana nifandrombahana tamin’ny taovan-kena. Ireny mantsy, tany aloha tany, no mba azo nihoriranana, kinanjo toy ny vidim-bolamena izy izao. Ka na ny trondro maina aza mila tsy ho zaka. Dia inona moa izany, fa tsy mifika ny taola-maina e !