ven.

04

mars

2011

Fanalam-baraka ny filohan’ny FFKM: Fihantsiana ady amin’ny kristiana

Tsy maty voalavo ankibo. Izay no tsapan’ny kristiana maro, momba ny fanalam- baraka natao tamin’ny filohan’ny FJKM ary filohan’ny FFKM Pasitera Lala Rasendrahasina, momba ilay fanambarana nataon’ny olona ao anaty tetezamita ankehitriny ity Mpitandrina ity. Ilay resaka radion’ny gasy no vontoatin-dresaka, ary voalaza fa niray petsapetsa tamin’io radio tsy tonga lavitra io ny tenany. Efa nanao fanambarana lava momba iny ny avy eo anivon’ny fitondrana, ary nitondra ny heviny ihany koa ny Pasitera Lala Rasendrahasina, izay nanambara fa fanalam-baraka azy ireny, ary toa mitanila ny fahazoana manome vaovao marina ho an’ny vahoaka. Mbola notsindriany mazava fa vonona amin’izay rehetra hiseho ny tenany na ho samborina aza. Ny vahoaka mpino krisitiana na avy eo anivon’ny FJKM na ireo mivondrona ao amin’ny FFKM dia naneho ny heviny mazava tsara, fa tetika entina handotoana ity olona ity ny fanelezana ireo ankety efa vita natao fanta-bahoaka. Nisy mihitsy no nanipy teny, fa ny olona akaiky ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ihany no toa mamingana azy amin’izay fihantsiana ady amin’ny mpino kristianina izao? Mety hampakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana momba izao fanalam-baraka ny filohany izao ireo mpino ka ho hita eo ny tohiny. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra