jeu.

03

mars

2011

Halan’olo fa tian-Janahary?

“Fahendrena ny miala rehefa rehefa tsy misy hapoaka”. Miverina an-tsaina io hiran’i Zokibe Raoul io amin’izao zavatra hiainan’ny firenena Malagasy izao. Ny mpanao politika Gasy dia manana “hapoaka” sy “harefodrefotra” hatrany fa “diso i Zokibe e! Fa tsy “fipoahana” ve ireny teny Ivato sy teny Ivandry omaly ireny? Ny teny Ivato dia nihidy aman-trano tao (à huis clos = 8 kilao ‘zany no lanjan’ny hevitra tao?). Ny teny Ivandry kosa dia famoriam-bahoaka sy tsimialonjafy (satria tao an-tranon’i Zafy?). Ireo vondrona roa ireo dia tsy misy mivonona ny “hisara-maina” fotsiny eo, fa tsy maintsy misy “maratra” sy “fay” vao hifarana ny fampiderana taim-bý. Ampiasaina daholo ny resaka matavy, ny tsindry ara-tsaina, ny fahefana, ny mokon-doha, ny “lainga politika” maro isan-karazany, saingy mbola tsy nivaha ny olan’ny gasy. Mbola mihodina am-pitoerana ny tandrimo. Ny hivavahan’ny vahoaka leo sangodina sy miandry ny rariny dia enga anie mba hisy ho fanina sy ho ratsy fihazona dia miala an-daharana ho azy sy miakarapoka. Tena ilàna lazon’ady ny politikan’ny Gasy. Ilàna vahoaka sy Zanahary ho “mpiaro”………..

Mankadilo sofina ny mandre fanehoan-kevitra ataon’ny mpanao politika fa manana “vahoaka” sy ny maro an’isa ao an-damosiny izy, ka izay lazainy dia marina sy azo tanterahina daholo. Tsy mijanona eo fa ampiasaina koa ny “fivavahana” sy ny finoana isan-karazany ka hamarinina fa “tian-Janahary” ny mpitondra matoa tonga eo amin’ny filingilingiana fara-tampony hitondra firenena, ary ankilan’izay, matoa nihongana ny hafa dia izay koa ny didin-Janahary. Ka inona marina moa ny kabary politika amin’izany? Zanahary sa vahoaka? Indraindray dia avadika ho Zanahary mihitsy ny “resaka samy gasy”, ary hifampivazavazana fa mila ny hambo-po sy fitiavan-tanindrazana ny fitantanana izao firenena gasy izao. Matetika koa dia iankohofana ary arahina ambokony ny sehatra iraisam-pirenena fa ny baiko avy amin’izy ireo no tena sitrapon-Janahary tsy maintsy toavina sy hifikirana amin’ny hevitra politikan’ny tena. Ny vahoaka eo anatrehan’izany dia tambazana izay mampandripandry ny sainy fotsiny amin’ny tolotolotra isan-karazany (tsindraindray?). Aleo hiteny ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana fa izay no vaha-olana sy tena manakaiky ny marina indrindra, ary izany hatrany no ambetin-dresaky ny mpanao politika Gasy hatramin’izao. Mifangaro tanteraka ny politika sy ny fivavahana ary ny lanjan’ny vahoaka, eo amin’ny famahana ny krizintsika ka izany no anisan’ny mampitarazoka ny famahana azy. MIsy mihevitra fa fanambinan-Janahary no nahatonga azy ho tonga eo amin’ny fiantsapazana amin’ny fahefana, ary dia adinony tanteraka ny maha-masi-mandidy ny vahoaka. Koa inona moa no hantenaina amin’ny olona toy izany? Moa tsy fanondroana ny hafa ho “demony” no tena himasoany? Henjehina daholo na “mpivavaka”, na “mpitondra fivavahana”, na “mpanompo sampy”, na “mpitana ny fomban-drazana” rehefa manelingelina ny tombony ara-politika tiana harovana.

Ho lany andro hatrany ny mpanao politka tia mampifangaro ny fahefana ara-politika sy ny fitiavan-Janahary, izany no mahatonga azy ireo ho tia mitsikera ny hafa. Tsy politika velively ny manao tsinotsinona ny “vahoaka”, ary tsy vahoaka velively no hanome fahefana izay fantany fa manenjika sy mamoritra azy. Aza miafina ho “tian-Janahary” raha mbola tsy sahy mihaiky ny tsy fahombiazana. Iza amin’ny mpitarika politika nanetsika ny “hadalan’io vahoaka io” no mba sahy niteny taminy mialoha fa “mety” ho diso sy tsy hisy vidiny ny “fampiasana” azy? Fiarovana ny tena hetahetam-bahoaka marina ve ny fihazonana ny krizy mandritra ny roa taona kanefa tsy manana fahasahiana hiaky fa “lany bala” sy tsy misy hapoaka? Aza miantso an-Janahary akory raha mbola “hamitaka” sy “hampiesona”. Ny adala no tsy hambakaina, hoy ny Ntaolo , dia noho ny tahotra an’Andriamanitra. F’angaha tsy hainao fa ny vazaha ,hono, no mody miady…fa ny Gasy mody mihavana?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra