jeu.

03

mars

2011

Fitondrana Avon’ny Tetezamita : “Marina ‘zany Prezidà”

Voafefy anaty tamboho avo dia avo, (satria nihidy aman-trano tao) ka tsy mety mahita ny ety ivelany mihitsy ny mpitondra avo eto Madagasikara eto. Nanambara indray ny mpitarika Rajoelina Andry fa tsy fanampahan-kevitry ny mpitondra tetezamita no nivoaka iny omaly teny Ivato iny fa avy amin’ireo mpitarika sy antoko politika miisa eo amin’ny 40 eo ho eo, izay namaly ny antsony. Tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika hoy ny tenany, teo ampanokafana ny fivoriana. Dia samy mamaly ao anatin’ny nofiny sy ny eritreriny ao ny mpanao politika nanatrika fa “marina ‘zany Prézidà”………

Fifidianana ihany, ary fiifdianana hatrany. Io indray no baikom-pitolomana natao nitalakotokotroka nandritra ity fotoana ity, ary nomarihina manokana moa fa tsy misy tokony hahavita fanakanana na hitsivala-pandry amin’ izany na iza na iza, na sehatra inona na sehatra inona. Dia mbola mamaly any an-tsainy any daholo indray ny mpanatrika fa: “marina ‘zany Prezidà”. Ho vitaina alohan’ny faran’ny taona ny “planina” rehetra ka hifarana amin’izay ny tetezamita. Im-piry moa no efa nandrenesana an’izany? Vao sambany ve iny omaly iny? Eny! “marina ‘zany Prézidà”.

17 Martsa 2009-17 martsa 2011

“Foana ny fotoana fa toy ny vao omaly ny fotoana”, hoy ny poeta malaza Rado. Dia izany tokoa anie e! Roa taona katroka ny fotoana nodinganina, fa ny zava-misy dia ny omaly tsy niova. Tsy mbola misy lalampanorenena nifanarahana fa hampiharina ho an’ity tanindrazana ity. Tsy nahavita fifidianana mba nanavahana mazava tsara izay tokony ho lalana hizorana hatramin’izao. Mbola ny hevitra “bemiray” hatambatambatra ihany no masaka an-tsaina sy hotohizana. Ho tapitra ihany ity ny fotoana nofaritan’ilay “taratasy” mba hanofana ny teny Mavoloha sy ny any Ambohitsorohitra any. Marina ihany koa fa tsy manondro mazava ny ho fiafaran’ny tetezamita ilay “lalampanorenan’ny 17 novambra”, saingy tsy hampiasaina sy hampiharina intsony iny hevitry ny “ampaham-bahoaka” iny fa ny nofaritana vao omaly ity indray izao no malaza(?). Tsy voazava hatramin’izao izay tena nihavahan’ity fivoriana vao notanterahina omaly ity sy ny teo alohany rehetra.

Teren-ko masaka hatrany

Tsy mety ho fain-javatra mihitsy ny Gasy mpanao politika tia an’ity mivorivory tsy misy farany ity. Tsy ny finiavana hikaroka vaha-olana akory no tsy ampy sy tsy hananantsika fa ny fomba “hifanarahana” ho amin’ny fanatanterahana hatrany no tena mampifanolana. Nahoana moa no lazaina fa fifidianana ihany no tena vaha-olana kanefa ny fomba hahatanterahana izany fifidianana izany dia teren-ko masaka sy hanaovana an-ditra fotsiny? Mila fotoana maharitra fara-fahaingany any ho any amin’ny enimbolana any ny famerenana ifotony ny fanisambahoaka, hoy ny mpikambana ao amin’ny HPM Ndremanjary Jean André, izay nanatrika sy nandray anjara tamin’io fivoriana omaly io. Ny sasany indray toa ny Praiminisitra lefitra taloha Rajaonarivelo Pierrot dia ny fahavononany hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena no nataony nivoitra. Fa tsy latsa-danja amin’izany ny filazan’ny MTSn-dRatsiraka Roland, izay nanantitrantitra fa sao dia mamerina izay efa nosoniavina teny Ivato hatrizay ihany ny mpanao politika Gasy? Ny Masters n-dRamaroson Alain moa dia ny fiarovana ny tetezamita sy ny tombony efa azo hatrizany ihany no tena masaka an-dohany. Raha ireo notanisaina ireo (ihany) no dinihina kely dia tsapa ho velon’ahiahy ny amin’izay mety haterak’ity fifanarahana vaovao ity ireo mpanao politika rehetra nanatrika teny. Saingy izany akory tsy nahasakana azy rehetra ho niara-niredona fa: “marina ‘zany Prezidà” . Marina satria tsy diso?

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    zily (vendredi, 04 mars 2011 07:00)

    Toy ny fivorian'alika ka ny tsangan-kevitra tsy misy fa ny orokoroka fitombenana no betsaka.Moa tsy toy izany ireo mpanao politika nivory teny Ivato.Efa maromaro ihany mantsy izay fa dia tsy hita izay teo .Dia inona indray ny manaraka ?

  • #2

    sasa (mercredi, 09 mars 2011 10:28)

    manaraka famohahambola mpajakana sy hetsik ireo antitra tsimahay mipetraka , ny tention gne sisa hiakatra satria manao asa tsimifadray @ vatana intsony ry zafy sns

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra