Voatonona ny anaran’ny Pasitera Rasendrahasina Lala, filohan’ny FJKM, sady filoha amperin’asa ho an’ny FFKM ihany koa, fa namone baiko ny hampiatranoana ny fitaovan’ny Radion’ny Gasy tao amin’ny toby fitaizanana zaza teny Ambohipotsy. Notazonina kosa ramatoa Rakotoarivony Tantely izay tompon’andraikitr’ity toby ity. Nanokafana fanadihadiana ny mpisolovava Ranarivony Stephanson, izay nokaramain’ny FJKM fa tokony hiaro ny voarohirohy amin’ity raharaha ity, noho ny fikasany hanao kolikoly sy fanararaotana maro samihafa tamin’ny voarohirohy.
Ireo tranga ireo no miverimberina tamin’ny resaka mahakasika ilay radion’ny gasy, izay voatondro ho radio piraty sy nandrangitra ady teo amin’ny samy Malagasy, ary indrindra koa manentana ho amin’ny fifankahalana sy fanakorotanana ny filaminam-bahoaka. Nisy ny fijoroana vavolombelona sy faneriterena samihafa, ary dia samy naneho ny fomba fanazavany ny toe-draharaha ny voakasikasik’izany……………
Niaro tena ?
«Raha ny momba ny Radion’ny Gasy dia voatàna any Ambohitsororitra araka ny fahalalanay azy , Ramatoa Rakotoarivony Tantely, izay mpiandraikitra ilay toby fitaizana zaza eny Ambohipotsy. Tompon’andraikitra amin’ny fampiatranoana io radio piraty io ny mpiandraikitra ity toby fitaizanana zaza kamboty ity, ary tsy misy tokony hidiran’ny mpiandraikitra foibe FJKM mihitsy izany fihetsika izany . Ary raha ny tenako manokana nandritra ny fotoana nitrangan’ny raharaha dia tsy teto an-toerana nanomboka ny 16 hatramin’ny 22 febroary 2011, noho ny fanatrehany fivoriana tany Soisa, ary ny 23 hatramin’ny 26 febroary 2011 dia tany Toamasina nanatrika ny fivorian’ny FFPM » Io no azo hamitinana ny fanazavana nataon’ny Pastera mpitarika ny FJKM ankehitriny raha nihaona tamin’ny mpampahalala vaovao tetsy amin’ny trano ifanomezantsoa misy ny foibe FJKM ny tenany. Navoitrany tamin’izany fananmbarana miendrika ho fiarovana tena izany fa manampahefana tanteraka amin’izay olona tiany hampiatranoana ao amin’ny toby iasany ny tompon’andraikitra amin’ireny toby misy fifandraisany amin’ny foibe FJKM ireny.
Zo hahalala vavaovao
Mana-jo hahalala vaovao ny tsirairay, ary tsy tokony hisy faneriterena mialoha mahakasika an’izany ankoatra ireo izay mamoafady sy manohitohina ny filaminam-bahoaka, izany dia voarakitry ny lalampanorenantsika , araka ny fanambarana avy amin’ny DST izay sampandraharaha miankina mivantana etsy amin’ny fiadidina ny fahefana avon’ny tetezamita etsy Ambohitsorohitra. Ny DST (direction de la securité de la territoire) dia manambara fa nilaza ny tao an-tsainy sy ny tao am-pony Ramatoa Tantely Rakotoarivony, ary voarakitra anaty kapila mangilattra izany,.Ny pasitera Rasendrahasina Lala no niantso azy an-telefôna mivantana sy nanery azy hampiatrano ny fitaovana ampiasain’ny radion’ny Gasy, ary dia ny ampitso dia tonga tao amin’ny toby iandraiketany tokoa ny solombavam-bahoaka taloha voafidy tany Ambositra Rakotonirina Lova sy olona roa hafa dia i Tsilavo sy Sata. Ankoatra izany dia ny Mpisolovava Ranarivony Roland Stephanson no nalain’ny foibe FJKM mba hiaro ny voarohirohy tamin’ity raharaha ity , saingy mbola naka vola 4 hetsy ariary tamin-dramatoa Tantely sy 4 hetsy ariary hafa tamin’ny ray aman-drenin’i Tantely ihany koa ity mpisolovava ity. Ary nambarany tamin’izany moa fa omena ny tompon’andrikitry ny DST izany volabe izany mba ho takalon’ny famoahana an-dRamatoa Tantely ihany. Ireo rehetra ireo no natambatra dia manokatra fanadihadihana ho an’ity mpisolo vava ity ihany koa ny DST mba hikarohana ny tena marina, amin’ny fikasana hanao kolikoly. Dia narovan’ny DST manokana ny fikarakarana sy fiarovana ny ain-dramatoa Tantely noho ireo antony maromaro ireo.
Tsy mbola ho fantatra ato ho ato ny ho fivoatran’ny raharaha raha ny momba ity radion’ny Gasy ity satria na ny fomba nampielezany ny feo nandritra ny fotoana maro dia efa namaky loha ny tompon’andraikitra maro. Ankehitriny efa misy ny voasambotra fa mbola hiitatra sy tsy hijanona amin’izao ny raharaha. Andrasantsika ny jho tohiny.
Fa nahoana no natao amin'ny kapila mangirana fa tsy tonga dia conférence de presse ny filazàn'i Tantely? izany no porofo fa norahonana izy hanao "cinéma" hiampanga ny FJKM. Nahoana no any
Ambohitsirohitra izy no tazonina? Mba noheverina ve ny amin'ireo zaza tezainy izay zary kamboty fanindroany?
