mer.

02

mars

2011

Mbola bitika ianao zaza a!

Raikitra indray ny don-tany sy kapo-tandroka politika mandritra izao kihon-dalana tsy maintsy hizoran’ny firenena izao. Tsy mora koa anefa ny maka toky amin’ny mpiray tanindrazana ny amin’izay lalan-jotra tiana handehanana. Tsy maintsy hampandriana ny adrisa, na dia fantatra mazava aza fa tsy mba fomban’izy ireny ny handry in-droa eo ambavahady. Mibirioka (indray) ny resaka ankehitriny ka lasa mirona any amin’ny hevitra sadasada ny ady hevitra. Ny atao hoe fiovàna noresahana hatrizay angaha moa lasa ady fifandrohitana amin’ny maha-tanora, na zaza, na antitra? Fa ady varotra amin’ireo fotsy volo amin’ny tany ve no atao hoe fampandrosoana firenena? Inona marina no hevitra fonosin’izany hoe hatanorana izany? Iza amin’ny olompirenena Gasy no manaiky fa tsara sy ahitam-pahombiazana ny hevitra avoakan’ny tanora ka tsy maintsy ho toavina fa anjarany izao? Ary tsy mety intsony ve ny an’ny antitra ka nilaozan’ny toetr’andro? Inona eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena no tena ilaàna ny fahatanorana, na koa ny fahanterana?.........

Efa notakarintsika ankehitriny ve aloha izay tena tian’ny Ombalahibemaso holazaina amin’ilay resaka hoe: Tsy adidiko izaho samirery, fa adidiko izaho sy ianao? Moa tsy antoka amin’ny fandraisan’andraikitry ny daholobe ho amin’ny fampandrosoana no antonanton’izany? Mbola ity mpitondra taloha ity koa anefa no nivolana fa “ny kely tsy mba mamindro”, ary misy antony goavana matoa nasiany fiavahany ny andraikitry ny kely sy ny lehibe, ny vantony sy ny salasalany. Fa nigagan’izao tontolo izao koa ilay fahatanoran-dRadama rainy raha niakatra teo amin’ny fitantanana ny firenena, satria tsy nisy afa-tsy 18 ranonorana ny tenany tamin’izany. Dia nitondra ny fandrosoana tokoa ny tenany, sahiny ny nitondrana fiovana marobe teo amin’ny fomba fanoratra ny teny Gasy, ny amin’ny fomba fitafy, ny endriky ny miaramila sy ny sisa. Ireo fomba fitondrana roa ireo dia samy nahitan’ny vahoaka tamin’izany “tombony” ho azy sy ny fireneny. Tsy nisy fifanilahana hoe: aleo ho anay fa mikisaka ny hafa, sa diso izany? Fa ankehitriny dia tsy izany intsony no “tetika” ho amin’ny fampandrosoana hampiainan’ny vanipotoana antsika. Iza no sahy hitady asa amin’izao fotoana izao ka tsy hanana alahatra afa-tsy ny hatanorany fotsiny mba hambaboana ny mpampiasa? Iza no tsy mahalala fa misy andrakandrana ny fihetsiky ny tanora ka tsy ho azo antoka velively hianteherana ho amin’ny fahombiazana? Iza ihany koa no sahy hanilika avy hatrany fa lany andro ny “antitra”? Tsy ny tanora ihany koa akory no hokilasiana ho “vendrana “ sy tsy hanana alahatra eo amin’ny fitantanana ny firenena, fa misy tokoa ny antitra nifanahin-jaza maroroka e!. Marobe no nitondra ny lazan’i Madagasikara tamin’ireny tanora tamin’ny fotoan’androny ireny. Fa matoa nipoitra sy nahatokisana ny tanora dia teo ihany koa ny fanomezan’ny “antitra” sy lazondazony azy ireo ny sehatra. Tsy ilàna ady sy taimbava izany, ary tsy dongin-jaza velively no hampandroso, tsy rehefa mitononana ho tanora sy matanjaka dia manana ny fahamarinana izay terena ho eken’ny rehetra. Misy fotoanany ny zava-drehetra…Moa tsy noho ny saritaka nisy hatrizay roa taona izay no nampijoroana ny ray aman-dreny? Sa hofotsiana rora indray ireny? Tsy antitra nionga-potsiny na niverin-tsaina anie ny mpitondra ny repoblika telo nifandimby teto hatrizay e! Tsy mbola tena tanora daholo ireny no tonga teo amin’ny fitondrana?

Tsy adin’ny taranaka zokiny sy zandriny akory no fanaovana politika. Tsy mbola hisy fampandrosoana mahomby eto raha ny kapon-trandroky ny hatanorana fotsiny dia ampy hifehezana fanjakana. Tsy misy antony nanoratana sy namaritana ny taona ahafahana mirotsaka ho mpitondra fara-ampony raha “mety” sy “mahay” an’izany daholo ny bodo sy adala. Tso-drano sy fankasitrahana avy amin’ny ray aman-dreny no tokony hangatahin’ny tanora raha mila ny fitantanana ho amin’ny fampandrosoana izy ireo. Tsy misy ray amandreny hanao fahateran’amboalahy antitra tsy akory raha tamim-pahendrena no nangatahina ny tso-drano. Fa ny fanaovana an-ditra sy ny fiheverana ho mahay ambon’ny rehatra satria tanora dia hadisoana be vava. Ny milingilingy ihany no potraka, ary antitra mampiady kalo hoy ny razantsika, dia ny antitra antitra ihany. Mbola lava ny tehezan-tendrombohitra hodiavina ka tsitsio ny aina fa mbola bitika ianao zaza a! Tsy adala ny olompirenena Gasy ka tsy hino sy hankatoa raha tsy tamim-pisetrasetrana no nanaovan’ny tanora ny fanovàna.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra