mar.

01

mars

2011

Repoblika fahefatr’i Madagasikara: Teraka ihany fa « zaza sary »

Tsy mbola fantatra izay hiseho amin’ity alatsinainy ity, satria rehefa avy naka « récréation » kely tao amin’ny Nosy Maorisy ny « mpitsara » ny olan’ny Gasy dia hampanao sonia ny « feuille de match ». Tsy maintsy hisy ankolafy mpifanandrina « vaovao » indray satria match (lalao, na fifandonana, na fifaninanana) no hatao. Tsy safidin’ny Gasy loatra ny hanao izany fa teren’ny sehatra iraisam-pirenena ireo mpanao politika mba hifanao ankolafy roa ho mpifanandrina. Tsy maintsy mizara roa ny tobin’ireo mpanao politika Gasy manomboka anio. Ny iray dia ny mpanohana ny tetezamitan-dRajoelina, izay hovorian’ny kapiteniny rahampitso talata, na ny alarobia izao. Ireo ilay andiany vonon-kanao sonia ny taratasin’ny mpanelanelana vahiny. Ny iray faharoa dia ireo « zaza kamboty » efa hatry ny ela ka « midongy » tsy hiray hevitra amin’ireo andiany voalohany ireo. Tsy fantatra mazava hatramin’izao izay tena hatao fa efa samy maka ny « tobiny » avy aloha............

Mitombo ny olana Tsy mahazo mody aty Madagasikara koa ny Deba ary efa nivoaka ny « naoty » mikasika izany. Iza no sahy hilaza fa mariky ny fitoniana ara-politika ny fandraràna toy izany ? Ratsiraka Didier dia tsy nanome alalana na iza na iza hisolo tena na hiresaka ny mikasika azy amin’izao fikatsaham-baha-olana eto Madagasikara izao. Nandeha mantsy ny feo teo aloha fa ny tena antony nampisisika andRavalomanana hody teto Madagasikara dia hamaha ny olan’ny Gasy sy hamarana izany. Koa nanamarika ity filohaben’ny Arema ity, fa tsy mahasolo tena azy velively raha ny filoha taloha Ravalomanana, fa tsy maintsy ny tenany ihany no hametraka ny dian-tanany amin’izao raharaha izao. Tsy ireo ihany fa mbola misy ihany koa ny mpanao politika tsy mankasitraka velively ny vaha-olan’ny sehatra iraisam-pirenena, izay heverin-dry zareo ho fitsabahana be loatra amin’ny raharaha samy Malagasy. Anisan’ireny ny tariky ny praiminisitry ny fahefana Avo taloha, sy ny antoko Otrikafo ary ny mpomba azy ireo. Ambonin’ireo rehetra ireo dia mila « mpanohitra » ny fitondrana izay tarihiny ny filohan’ny tetezamita avo, raha ny firesany tany amin’ny fitsidiham-paritra izay nataony farany teo. Koa ireo mpandà sy tsy manaiky hanao sonia àry ve no tiany hanohitra ny fitondrany ? Dia fitondrana toy inona ity ho toherina ? Ilay tetezamita avo ? Sa ilay Repoblika IV ? Tsy mihevitra ny ho mpitondra ny Repoblika izay natsangany velively ny mpihazona ny fahefana satria tao amin’ireo ady varotra politika rehetra izay nataon’ireo mpanohana azy (eny fa na ny tenany aza) dia tsy niaro velively ity Repoblika faha-IV ity.

« Zaza sary » Na manao ahoana na manao ahoana mety ho tohin’ny ady hevitra politika mbola hisy (ary tsy maintsy hisy) dia teratera-poana sy tsy nanana « Ray » ho mpiaro azy ny Repoblika faha-IV. Nigadragadra foana ireo nikely aina ho nanohitra ny lalàmpanorenana nanorenana azy, lany rora fotsiny ireo andiana mpanao politika sy « vahoaka » nanao ny « tsia ». Ary ny tena tra-nenina sy natao ho tsinontsinona dia ireo « vahoaka » nanantena (sy nampanantenaina) fa vaha-olan’ny krizy ny fitsapan-kevi-bahoaka izay natao tamin’ny taon-dasa. Tsy misy na iray aza ankehitriny mpanao politka Gasy mba niaro sy nampanjaka ny hevitr’ireo vahoaka nampanantenaina ny « fitiavana » sy ny fiovana ireo. Moa an’isan’izany maha-zaza sary ny Repoblika IV izany ny mbola tsy hananany « fitombo-kase » tena azy hatramin’izao ? Mbola ilay an’ny Repoblika III ihany no notinginina « fitiavana » e ! Mba saino ihany fa tsy misy miaro ny hevitry ny « vahoakany » izany ho’aho ny mpanao politika Gasy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra