mar.
01
mars
2011
Banky vaovao te-hametraka ny maha-izy azy eto Madagasikara ny BGFI-Bank. Ts y i rony bank y miel i - patrana manerana an’izao tontolo izao irony izy ity, fa f irenena telo ihany ao Afrika ao aloha no misy azy amin’izao fotoana izao: dia i Gabon, Congo-Brazzaville, ary i Guinée-Equatoriale. Ireo firenena notanisaina ireo dia any amin’ny manodidina ny golf-n’i Guinéee daholo. Mikenokenona ny hiorina eto Madagasikara ankehitriny ity banky hafakely ity, ary tany voalohany hisy azy aty amin’ny faritry ny ranomasim- be Indiana izany ny eto amintsika. Ha f a k el y t s y toy ny mahazatra hatrizay ny fomba fiasan’ity banky ity satria mifototra kokoa amin’ny resaka solika ny tena asany. Misy ny fitrandrahana solika izay hahazo vahana àry ve aty amintsika dia tonga izy? Fa inona loatra moa ny fampandrosoana ara-toekarena mahamaika ny banky toa itony hihazakazaka aty amin’ny firenena “mahantra”, kanefa hanaovany fampiasam- bola goavana toy izao?.................
Politika sy fitrandrahana Rahoviana no hitranga i Bemolanga? Izany no hirahira niverimberina tamin’ny fitondrana Ratsiraka. Ary nambaran’ny mpitondra tamin’izany fa ny solika dia misy, saingy tsy hahita tombony isika raha mitrandraka azy io satria lafo dia lafo tsy hahaleo ny sarany ny vokatra ho azo. Fa nanana fahasahiana ny fitondran-dRavalomanana tamin’ny fotoan’andro fa hanao ny dingana lehibe amin’ny fitrandrahana. Ao Bemolanga dia misy solika eo amin’ny 16.000 tapitrisa barila, ary afaka mamokatra 180.000 barila isan’andro. Rehefa atao ny kajikajy dia tsy ho lany io tahiry io raha tsy any amin’ny 30 taona any ho any; Ary raha ho vinaniana ho 75 dolara ny vidin’ny barila iray dia hisy volabe 1.200.000 tapitrisa Dolara no vola hihodikodina amin’izany. Politika goavana izany ny fahasahiana hitrandraka sy hifehy io solika io, ary tsy tokony hahagaga raha higadona ho azy ny fijoroan’ny banky izay vonona ny hikirakira ny vola mihodikodina eto. Tsy izany ve moa ny antony nividianan’ny kaompania TOTAL tamin’ny fanjakana Malagasy tamin’ny taona 2008 ny 60%n’ny fahazahoa-mitrandraka ity solika ao Bemolanga ity? Ny vola nampiasan’ny TOTAL tamin’izany dia 5.000 tapitrisa dolara. Tsy hanary vola amin’ny tsy antony sy aminjavatra tsy ahitana tombony akory ny k aompania vaventy toy itony. Ny hany sisa olana dia ny mety ho fikorontanana politika mandritra io 30 taona haharitra ny tahiry io. Koa efa hita àry ve ankehitriny ny fahefana politika ahafahana mitoetra maharitra sy hampiorina tsara ny fihariana?
Inona no tanjon’ity Banky vaovao? Satria ny TOTAL dia mila mpiikirakira vola ateraky ny fitrandrahana ny solika eto amintsika; koa mety ho avy amin’izany ve no nahatonga ny BGFI-Bank nangataka ny hanorina ny fiasany eto efa hatrany amin’ny taona 2007- 2008? Saingy ny mpitondra tamin’izany dia tsy nanome hatrany ny fahazoan-dalana ho an’ity Banky ity hiorimpaka eto Madagasikara. Fa ankehitriny dia “nahazo” avara-patana sy afaka niorina satria efa milamina ve ny tontolo politika ahafahana mi toet ra mahar i t ra? Ny fiasan’ny Banky toy itony dia tsy maintsy hifototra amin’ny fikarohany ny tombotsoa rehetra ho an’ireo kaompania vaventy mpiara-miasa aminy hatramin’izay, amin’ity sehatra efa nataony am -polotaonany izao. Eto amintsika dia maro ny orinasa akaiky ny BGFI-Bank izay manantena ny hiverenana amin’ny fampiasam-bola goavana indray. Tsara ny manamarika fa tera-tany Malagasy iray efa niasa maharitra tany Gabon tao anatin’ity banky ity no nanakinan’ny BGFI-Bank ny fitsofohany eo amin’ny toekarena Malagasy. Ny tena mampieritreritra ny amin’ny tarehin-javatra toy itony dia ny mety ho tombony ho azon’ny tera-tany Gasy efa miandrandra fatratra ny fiovam-piainany amin’ny fitrandrahana ny hareny. Sa hitelin-drora fotsiny fa hobaboan’ny matanjaka ara-politika sy ara-toe-karena ny eo an-tanany? Enga anie tsy ho marina izany!