Io àry fa voakiana (mafy) ny mpanao Gazety Gasy, nandritra ilay fanehoana ampahibemaso ny tatitra mahakasika ny asa fanaovan-gazety eto amintsika, izay natao tao amin’ny efitra Bougainvilliers tao amin’ny Hotel avo lenta Colbert tamin’ny alakamisy 24 febroary 2011 teo. Tohan-kevitra roa no naseho tao mahakasika indrindra ny tondro-haavon’ny serasera Afrikana sy Malagasy. Ny voalohany dia momba ny “fototra sy fiavahan’ny serasera eto Madagasikara”, ary ny iray faharoa dia ny “toe-javatra iainan’ny mpanao gazety Gasy eo ampanatanterahany ny asany”. Ny FFE na ny fondation Friedrich Ebert no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny “lanonana”, ary vory lanona nanome endrika ambony dia ambony ny hetsika ny tompon’antoka isan-tsokajiny amin’ity serasera ity. Anisan’ireny ny Ambasadaoro Frantsay monina sy miasa eto amintsika, ny Minisitry ny fitondrana Avo miadidy ny serasera, ny tompon’orin’asan-tserasera marobe, ary indrindra indrindra ny mpanao gazety Gasy araky ny taonany sy ny asany avy.........
Nitotongana Sady tsy ampy fiofanana no tsy maha-fehy ny asany amin’ny ank apobeny ny mpanao gazety gasy raha ny tohan-kevitra naseho tao. Nihanitotongana ny fahaiza-manao ary lany andro ho mpiaro ny hevitra politika tohanany fotsiny ny ankamaroany. Koa tsy mahagaga raha tsy hita taratra loatra ny fandrosoan’ny asa , na dia nitombo izay tsy izy aza ny karazan-gazety (na an-tsoratra, na radio sy tele, na aterineto). Io fiandaniana hita mivandravandra eo amin’ny asan’ny tsirairay io ihany koa dia nitarika (sanatria) ho fifampiandaniana teo amin’ny samy mpanao gazety, ka niharatsy ny fifandraisana teo amin’izy samy izy. Noho ireo antony ireo dia ilaina ny fampiofanana eo amin’ity asa ity; izany dia mahakasika mivantana an’ireo mpanao gazety amperin’asa, ary indrindra koa amin’ireo tompon’ny orinasa iasan’izy ireo tsirairay avy. Nitsidika tamin’izao fampahafantarana izao koa ny famporisihina ny amin’ny fampijoroana marina sy hampanan-kery ilay “satan’ny fifandraisana”, ary ho fanampin’izany dia ny fahavononana eo amin’ny tsirairay manao ny asany no tena namporisihina mafy.
“Mafy ady” ny mpanao gazety Sady mafy ny asa, no kely dia kely ny fiarovana eo ampanatanterahana ny asanny mpananao gazety. Ny fitiavana no tena mibaiko ny tsirairay, ary toa tsy misy lanjany firy akory eo amin’ny fiatrehana ny fiananana andavan’andro ny tambiny azo amin’izany asa mafy izany. Tsara anefa ny manamarika fa amin’ny maha-hery faha-efatra ny asa fanaovan-gazety eo amin’ny firenena iray dia tsy mitombina velively ny fanakilasiana azy ho miandany amin’ny foto-kevitra sy avadika ho “fikitra” mampiady angely. Tsy ny mpanao gazety velively no hanao ny asan’ny mpanao politika ka hitady ny vaha-olan’ny firenena. Tsy andraikitry ny mpanao gazety koa anefa ny hanentana ny olona hifandrafy sy hifankahala ka hanondro ny lalana mankany amin’ny fifanoherana. Fa manana adidy ny mpanao gazety, na koa orinasa miandraikitra izany, mba hijoro ho arofanina tsy hampipoitra ny fifankahalana, hampivandravandra ny tsy rariny sy ny tetika politika mifanafindravina tsy mahasoa ny mpiray tanindrazana. Tsy azo adika ho fiandaniana velively ny fanatsikafonana ny tsy an-drariny sy ny fanamparam-pahefana, na koa ny “halatra ara-politika” Tsy izany ve no maha-hery fampivoarana ny asa fanaovangazety? Hatao inona gazety fatra-panao “hosanna, hosana” sy “homboy, homboy” fotsiny? Nitarika ny fotoana nandritra izao tohan-kevitra sy fampahafantarana izao Rakotomalala Dominique avy ao amin’ny FFE, Razafindehibe Stephan, mpanao gazety sy mpahay lalàna; Randriatavy Lova avy amin’ny Anjer imanotolo; Ralambomahay Tahirimanitra, mpanao gazety sady mpikambana ao amin’ilay komity COPP manomana ny fametrahana ny san’ny fifandraisana; ary nanao ny fanelanelanana sy nandrindra ny resaka dia ny filoha lefitry ny Anjerimanontolon’A ntananarivo, Rakotoarisoa Eric. Misimisia ny tatitra toy itony mba hisy hotsakotsakoina sy mba hahalalan’ny tsirairay ny tokony hametrahany ny tongony.