mar.

01

mars

2011

An’iza ny zaza ?

Raha toa ka mizotra soa aman-tsara ny dinika tian’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita tanterahina amin’ity herinandro ity, dia hipetraka indray ny fanontaniana mikasika ny tena tiany hotontosaina, mandritra ny tetezamita ho teraka eo. Tsara ihany mantsy ny manamarika toe-javatra vitsivitsy etoana, hahalalan’ny Malagasy tsirairay ny lalan-kizoran’ny tanindrazany. Na marimarina kokoa, ny zotra irin’ny mpitondra ankehitriny hizorana. Raha mahatsiaro ny tsirairay, izany hoe ireo ampy taona ka nasaina nandatsa-bato tamin’ny 17 novambra, tamin’iny taon-dasa iny, dia nankalazaina hatrany ny filazana fa « vaha olana amin’ny krizy ny fandaniana io lalàmpanorenan’ny Repoblika Fahefatra io. » Dia nankalazaina ihany koa, raha mbola tany anaty kibon’ny omby ny valiny, fa « fandresena goavana no azon’ny Malagasy » satria toy ny efa fantatry ny mpitondra ny fahefana avon’ny tetezamita fa « ho » lany izy io. Dia lany tokoa. « Teraka » tokoa, hoy izy, ny « Repoblika Fahefatra ». Saingy teraka tsy nisy ray, tsy nisy reny. Marina fa nisy ny namolavola azy, nanao izay handrafetana ny lahatsoratra maro dia maro ao anatiny, ary nampiely ny « vaovao mahasoa » teny rehetra teny. Saingy, toy ny zanak’i dada…, tsy misy ray. Tsy misy ray satria tsy mbola misy anie ny Filohan’ny Repoblika e ! Ilay mbola tokony hofidian’ny rehetra..............

Apetraka àry ny fanontaniana sy ny… fanahiana isankarazany. Ny voalohany, dia mikasika ity tondro zotra, tondro zotra ity. Dia ny lasa indray no ho tsiahivina, io mantsy ilay nolazain’ny Ntaolo hoe : « Ny lasa tsy mba fanadino ». Tondro zotra tokony nitondrana ny « tena » tetezamita no nosoniavina tany Maputo, notovanana ny tany Addis-Abeba. Tondro zotra ihany koa ilay nolanian’ny « dinika santatra » teto an-toerana. Mbola tondro zotra ihany ilay malaza be, teny Ivato. Hatramin’izao isika miresaka izao, toa tsy misy fiafarany fa tondro zotra foana no asian-teny sy andaniana andro, ka niantsoana ny mpanelanelana avy any amn’ny Sadc indray. Mbola tsiahy faharoa : io Sadc io anie, ry zareo, no nolavin’ny fitondrana avon’ny tetezamita e ! Nolaviny sy nodradradradrainy fa « mitsikilo » ny ativilanintsika. Io Sadc io no nitarika ny fianakaviambe iraisam-pirenena ka nanasazy ireo mpitondra rehetra – tsirairay – ao anatin’ny Fat. Mbola io Sadc io ihany koa no nanaovany fihantsiana ka nivazavazany fa « tsy ilaina » satria « ny samy Malagasy » ihany no maha vaha ny olana. Kinanjo… io mihazakazaka io « ry zareo », hametraka ny lavo tondro sy ny sonia tsy hay vakiany. Eissy e ! « Taon-dasa tsy tsaroana » va re, sa ny fisainana no efa maty ?! Raha tohizana ny resaka, ka itodihana vetivety kely indray ilay resaka Lalàmpanorenan’ny Repoblika Fahefatra, dia toy ny kilalaon-jaza (tsy misy ray) no ifaliana eto an-tanindrazana. Tsy misy ny filoha mpitarika, mazava io. Tsy mbola sahaza ilay olona mitonona sy tononina ho filoham-pirenena izany, raha ny marina, ireo marika hita maso isalorany, toy ny karipetra mena, ny samboady, ny sariny miteronterona etsy sy eroa… Saingy tsy dia maninona loatra izany. Fa ny filazany fa « efa ao anatin’ny Repoblika Fahefatra isika » no maha valalanina. Alalana avy aiza moa ? «’Ndeha atao hoe izay tokoa, ka aiza àry ny tombo-kase ? Tsy ny fanovanana ny teny hoe « fitiavana » eo amboniny akory no itarafana ny « tena izy », azafady an ! Fa dia mahagaga loatra ny fizotry ny fiainam-pirenena, ry rahalahy sy anabavy isany. Ho aiza marina isika ity, raha toa ka ny tondro zotra aza mbola tadiavina – izay milaza mazava fa tsy mbola misy izany ny tetezamita tena izy - , ahoana moa no ahafahan’ny mpitondra ny fahefana avon’ny tetezamita milaza fa efa izy no ao ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra