lun.

28

févr.

2011

Vonoy ny anarany

Rehefa tsy dia manana hevitra alahatra loatra ny olombelona dia tsy maintsy tonga any amin’ny « herisetra » ny fisainany. Ezahany hatrany ny mampitaha ny trangan-javatra tsy mitovy akory, mba hiarovany ny “hevi-dravina” hananany. Dia hapoakany amin’izay ny taim-bava tsy misy fifanajana, tsy voadinika, tsy matotra…Izay ilay herisetra tiana ho resahana. Mety hisy lanjany ve ny vaha-olana haroso mba ho ekena sy hankatoavin’ny besinimaro raha ho lazainao ety am-pihandohana fa tsinotsinona sy tsy misy vidiny akory ny sasany ka avelao any, aleo ho tsarain’ny tantara, ‘ndao ilaozana fa mandany andro? Efa mba nanazava ve ireny olombelona ireny ny amin’izay ezaka nataony mba nandresena lahatra ny “namany”? Sa ho vitan’ny tian-ko tsy tian-kano fotsiny? Iza no sahy hiteny fa noho izao antony toy izao sy toy izao no tsy maintsy hirosoana ,na koa hijanonana manoloana ny toe-javatra iray? …….

Manasaro-javatra fotsiny ny fiezahan’ireo mpanao politika ankehitriny te-hanafay sy hamono ara-politika an’ilay Ramose mpitondra taloha…Tsy menatra ny sasany mampitovy io olona io amin-dry Ben Ali izay nitondra nandritra ny 23 taona tany Tonizia, terena ny tontolo politika hiaiky fa iray harona amin-dry Hosni Moubarack tany Ejipta, izay namikitra tamin’ny fitondrana nandritra ny 30 taona, ny mpitondra taloha teto, ary faramparany izao dia mihiaka indray ny hafa fa kapoka iray valihim-boka ilay Ramose sy Ingahy Kadhafi any Libye any. Iny Ramose iny dia olona fa tsy anjely, ary tena nanao ny tsy rariny tamin’ny fitondrana nentiny teto nandritra ny 7 taona. Nambara ombieny ombieny fa mpanampatra fahefana, mpangorona ny tsy azy teo amin’ny “afera” fanaony. Tsy nijery ny tena tombotsoam-bahoaka. Raha asaina mijoro sy ho hainoana ireo rehetra nitondra ny mangidy tamin’ny fotoana nitondrany dia azo antoka fa tsy hitsahatra akory ny vetsovetso miampanga azy. Fa ny tantarany dia hafa fa tsy mitovy amin’izay niseho tamin’ny krizintsika izao. Fifidianana no nampiakatra azy teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara. Mety ho hala-bato? Niara-nangalatra taminy izany ny vahoka niaro ny safidiny tamin’ireny taona 2002 ireny? Tsy mena-mivadika sy tsy mba mijery ny tombotsoa ho an’ny tanindrazana iombonana raha ilay Ramose nitondra teto taloha. Tsy laitra ahitsy, tsy laitra hanarina, ary mpano didiko fe lehibe. Na izany aza anefa dia roa taona aty aorian’ny fidaraboany teo amin’izany fitondrana an’I Madagasikara izany dia mbola tsy nisy na firenena iray aza sahy nanamarina sy nanambara ampahibemaso fa ny fihetsika nataon’ny mpihazona ny fahefana ankehitriny nandritra ireny tolona ireny dia tena mendri-piderana tokoa. Eo ilay tsy fitoviana sy faha-samihafana tany amin’ireo tany Arabo tato ho ato. Saika manameloka ny fihetsik’ireo mpitondra ampolo taonany teo amin’ny fitondrana izao tontolo izao, ary nidera ny fahasahian’ny vahoakany tsirairay avy.

Ny antsika dia ireo nandrombaka ny fahefana no nahazo sazy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny “vahoaka Malagasy” tsy mba nisy mpihoby fa izao mifika ny “hadalana” vitany izao. Mahazo tsiny sy tratran’ny kenda roroka. Tsy mba mandresy tamin’izay tolona nataony teto ny Gasy na dia efa namerimberina izany matetika loatra aza. Koa raha ny anaran’iny Ramose iny ve no manelingelina ny fandresen’ny tolon’ny Gasy tsy aleo izy sy ny anarany mba havalon’ny tantara? Saingy indrisy fa mbola noporofoiny teo imason’izao tontolo izao fa manana mpanohany izy na nolotoina sy nomavomavoina aza. Dia roboka hamafa ny tantaran’i Ramose indray ny mpanao politika Gasy manam-bava ankehitriny, saingy hahavita ny hamafa ny anaran-dRamose any am-pon’ireo “mba” mahatsiaro azy? Ny dobo tsy hita tokoa ve no mahamanina ny hafa? Fa rehefa tojo azy dia rano-potaka ihany e!

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra