lun.
28
févr.
2011
Voalazan’ny fanadihadiana iray fa misy karazana asa mety hahasarika ho amin’ny fampirafesana avy hatrany. Asa voasokajy ho mampanonofinofy ny lehilahy sy ny vehivavy. Voalohany indrindra amin’ireo asa ireo ny an’ny « hôtesse de l’air” na ny an’ ireny vehivavy miandraikitra ny mpandeha eny ambony fiaramanidina ireny, eo amin’ny nofin-dehilahy. Ny lehilahy mpanao tao-trano na “achitecte” kosa no asa mampanonofinofy ny vehivavy. Ireny asam-behivavy mitaky fanaovana “uniforme”, toy ny aron’akanjo ireny no voalaza ho miteraka ny nofinofindehilahy. Ny antsasa-manilan’ny lehilahy no manonofy hiaraka amin’ny “hôtesse de l’air”, manaraka azy ao ny mpitsabo mpanampy (42,8%), ny mpitantsoratra (37,7%), ny mpitsabo (36,1%). Ny mifanohitra amin’izay indray dia fantatra fa ny 3,1% monjan’ny lehilahy no te hiaraka amin’ny vehivavy mpikirakira informatika, 1,6% amin’ny mpamily iarakretsaka. Tsy fantatra izay tena antony … Eo amin’ny tontolon’ny vehivavy indray dia ny karazana asa mampidi-bola be no tena mahasarika azy sy miteraka nofinofin-tsaina amindehilahy. Ny 40%-n’ny vehivavy no milaza ho voasariky ny lehilahy mpanao tao-trano, 37,4% amin’ny mpisolovava. Any amin’ny laharana fahatelo ny mpitsabo (37,1%). Tsy maharototra ny vehivavy kosa ny hiaraka amin’ny lehilahy mpijanona ao an-trano (3,2%) sy ny mpamboly (2,7%).