lun.
28
févr.
2011
Tsy mazava ny asa fanelanelanana hataon’ny dokotera Simao eto amintsika. Lasa manao ny asan’ny “mpitsara” ny olana no ataony tato ho ato, fa tsy manelanelana eo amin’ny mpifanandrina, na koa mitady ny vaha-olana marina mba tsy hampisy ny fimonomononana. Satria nahoana?
Adidiny ve no manondro mivantana ny iray na roa amin’ireo mpifanandrina ara-politika ka hilazàny fa ny ankolafy Ratsiraka sy zafy dia tsy vononaintsony handray anjara amin’ny tetezamita iraisana? Mety ve ny filazàny fa Ravalomanana tenany mihitsy no mpivadidibadi-dela tsy hahaitàna ny vaha-olana? Ary nahoana no tsy sahiny lazaina akory ny mety ho fifandraisan’ny “fanelanelanana” ataony sy ny famoriana ireo mpitarika politika izay kasain-dRajoelina Andry ho tanterahina?..............................
Foana ny fihaonana an-tampony?
Marina fa tsy nisy na dia feo kely akory aza, avy tamin’ny mpanelanelana hatramin’izao, ny mahakasika ny mety ho fampihaonana indray (amin’ny toerana iray) ireo mpifanandrina mivantana ara-politika amin’ity krizin’ny gasy ity. Tsy nisy izany, fa ny fakàn-kevitra etsy sy eroa no tena nimasoana tato ho ato, taorian’ilay naharava ny tany Afrika Atsimo farany iny. Variana mandrafitra “vakiraoka” sy andranandrana ny mpanelanelana ka na ny mpanao politika Gasy aza dia tsy miady hevitra intsony ny amin’izay ho vaha-olana tena tian’izy ireo ho tanterahina, fa lasa miandry izay lazain’ilay mpanelanelana fotsiny. Raha tsorina dia samy te-haka ny fo amam-panahin’ity mpanelanelana ity avokoa ny mpanao politika ka te-hilaza (na tsy mivantana aza) fa izay lazainy no ho tanterahina sy tiany hatao. Tafiditra ao anatin’io hevitra io hatramin-dRajoelina Andry, izay te- hanaraka indray(?) izay tondroin’ny mpanelanelana, ka tsy niaro akory ilay lalampanorenana natao “an-ditra” tamin’ny 17 Novambra 2010. Ny fiezahana hanome tsiny ny hafa izay ataon’ity mpanelanelana ity dia midika fa tsy hisy velively ary tsy azo tanterahina intsony ilay fampihaonana mivantana eo amin’ny mpifanandrina. Mifameno amin’io fihetsiny io ny tetika hamoriana ny mpitarika politika amin’io herinandro ho avy io. Ka moa ahilika ho tsy mpandray anjara intsony ny ankolafy Zafy sy ankolafy Ratsiraka? Navoakan’ny “mpitsara” any ivelan’ny kianja? Ary ny mpomba an-dRavalomanana dia tsy hahita rirany intsony fa mpivadibadi-dela? Nahazo carton jaune (fampitandremana)?
Hohamarininy ny “unilatéralisme”?
Hanampy ny mpihazona ny fahefana izany ny mpanelanelana vahiny ary dia minia mikimpy sy tsy mananakiana akory ny fisehoan-javatra hatramin’izay. Inona no nolazainy tamin’ny famonjana ireo rehetra nanohitra ny lalan-kizoran’ny mpitondra avo hatramin’izay? Tsy manana adidy ve izy ireo mba nanameloka farafaharatsiny ny fampijoroana ireo andri-pitondrana nanamafisana ny fahefan’ny mpitondra? Nety daholo ve ny fomba natao ho fanendrena olona tany amin’ireny sampan-draharaha nikarakara fifidianana ireny? Nahiliny tanteraka amin’ireo mpanao politika mpanara-dia ny filoha taloha ny rihitra rehetra amin’ny fampikatsoana ny krizy eto amintsika eto. Ny tiany hambara amin’ny mpanara-baovao dia “lany andro” sy tsy mety intsony ilay fiaraha-mitantanana notadiavina sy nandrebirebeny sainy teto hatramin’izay. Tsy misy fanakiananan’ny “mpitsara” ny fomba filalaon’ny mpitondra ankehitriny fa madio sy marina ireo. Ny mahagaga anefa dia tsy mba nasiany “sitraka” akory ny “safidim-bahoka” nokarakarain’ireto mpitondra ireto. Tsy maintsy hitarika zavatra hafa ny fivadihan’ny mpanelanelana ho lasa mpitsara ny ady politika Gasy ankehitriny. Tsy maintsy hiteraka fifanolanana vaovao, ary dia mampanontany tena ihany hoe: Sao mba tiany hiitatra ny olana dia mitohy ny “asany”? Tsy hay intsony fa andrantsika ny tohiny!