ven.

25

févr.

2011

Valin-dahatsoratra: avy amin'ny Masohivoho Frantsay

(Ndrl : Mankasitraka ny masoivohon’ny Repoblika frantsay eto Madagasikara, SEM. Jean-Marc Chataigner, ny gazety Madagascar Tribune sy Basy Vava. Mankasitraka azy feno noho ny famakiany tsy tapaka ny gazety. Midika izany fa manana ny lanjany ihany ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.


Asa raha ny famakiana ny lahatsoratra nivoaka teto amin’ny pejy 4, édition 6569 no somary nanaitra azy ? Tsorina nefa fa tsy niresaka momba an’I Frantsa mihitsy ny lahatsoratra fa nampahatsiahy ny tantara niseho teto amintsika fotsiny, ary nametraka fanontaniana ho saintsainin’ny mpamaky, ary dia nahazoana setriny avy any aminy ho an’ny tonian’ny lahatsoratra ny masoivoho, izay alefanay manontolo eto...

 

« Tompoko,

 

Raha namaky ny lahatsoratra amin’ny teny Malagasy nivoaka tao amin’ny Madagascar Tribune, ny talata 8 febroary, mitondra ny lohateny hoe « 7 febroary 2009 : Iza no « Madio tanana ? » , indrindra fa ilay fehezanteny « ary ilay fahefana nanao ny fandripahana dia tsy mbola niaiky heloka, ary tsy nihevitra akory ny hifona tamin’ny habibiana nataony » ny tenako, dia voatosika hamaly. Toa minia manadino ny fihetsika misongadina nasehon’ny Lafrantsa nandritra ny taona maromaro sy ny lahateny marobe nataon’ny fahefana avo ambony indrindra frantsay, izay manameloka ny habibiana ny fanjanahantany, izany hevitra miainga amin’ny hevitra manokana izany (jugement subjectif).

« Andriamatoa Camille Rohou, iray amin’ireo masoivoho nodimbiasako, dia nampahatsiahy izany ratra izany tamin’ny 1997, nandritra ny faha-50 taona ny zava-nitranga tamin’ny 1947.

« Ny Filohan’ny Repoblika frantsay, Andriamatoa Jancques Chirac, raha nanao fitsidihana ofisialy taty Madagasikara, ny 21 jolay 2005, dia nanao kabary ofisialy izay mampahatsiahy ny « pejy matroka ny tantara iombonantsika – ary nisy izany – ka noho izany dia tokony ho tonga saina, fa tsy azo ekena ny famaizana nateraky ny biriokan’ny rafitry ny fanjanahantany. Tamin’ny 1947, nitsioka teto Madagasikara ny rivotry ny fitiavan-tanindrazana noho ny fifampitohizan’ny zava-nitranga mahatsiravina. TSy misy, ary tsy misy olona afaka hamafa ny fahatsiarovana an’ireo izay namoy ny ainy tamin’ny fomba tsy ara-drariny, ary miray fo amin’ny mari-panajana mendrika azy ireo ny tenako.

« Tsy ela akory, ny Filoha Nicolas Sarkozy, nandritra ny kabary nataony tany Dakar, ny 26 jolay 2007, no tsy nihambahamba nanamarika fa ny « fanjanahantany dia fahadisoana goavana voaonitra tamin’ny alahelo sy ny fijalian’ireo izay nihevitra fa nanolotra izay rehetra teo am-pelantanany ka tsy nahatakatra hoe nahoana no enjehina fatratra izy ireo. Ny fanjanahantany dia fahadisoana goavana izay namotika ny fankamamiana ny tena (estime de soi) teo amin’ireo voazanaka ary nampiteraka tao am-pony ny fankahalana ny tena izay miafara hatrany amin’ny fankahalana ny hafa. »

« Nampahatsiahy indrindra koa izy fa « tsy misy afaka hihevitra ho toy ny tsy nisy ireny tranga ireny. Tsy misy afaka ny hihevitra ho toy ny tsy natao izany hadisoana izany. Tsy misy afaka hihevitra ho toy ny tsy nitranga izany tantara izany. »

« Raha ny tenako manokana no asian-teny, ny tenako mihitsy no nandeha tany Moramanga mba haneho mari-panajana ho an’ireo maritioran’ny 1947 ho fanamarihana ny fanajako ny vahoaka Malagasy.

« Amin’ny finoana marina, fa ny hevitra tsy miangatra (objectivité) farany izay lehibe indrindra dia manampy amin’ny fifanatoanan’ny vahoaka, dia miangavy anao ny tenako mba hitondra izany fanazavana izany amin’ireo mpamaky ny gazety Madagascar Tribune, eo amin’ny toerana izay nisehoan’ny lahatsoratra nivoaka ny talata 8 febroary 2011.

« Raiso Tompoko ny haja atolotro ho anao. »


Jean-Marc Chataigner

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra