ven.
25
févr.
2011
Efa eo ampelatanan’ireo mpanohitra ny Kolonely Kadhafi tanteraka ny faritra atsinanana iray manontolo ankehitriny. Ary tsapa ho mahazo vahana any amin’ny faritra maro hafa ity fihetsiketsehana ity. Manameloka tanteraka ny fandripahana sy ny vono olona atao an’ireto mpanohitra ireto ny sehatra iraisam-pirenena , ary miray feo mihitsy ry zareo amin’izany, ary mivonona ny hanafay ara-toe-karena ny Kolonely Kadhafi sy ny jamahyria tarihiny raha mbola mikiry hatrany ny hifikitra eo amin’ny fitondrana.
Efa manomboka miala any an-toerana daholo amin’izao fotoana ireo tera-tany vahiny niasa sy nonina tany an-toerana. 10.000 ny an’ireo teratany Eraopeana, ary manodidina ny 100.000 kosa ny Aziatika. Efa mananontanona an’ity mpitondra nandritra ny 42 taona tany aminy ity izany izao ny firodanana tanteraka sy ny mety handaozany ny fitantanana an’i Libye………
Miakatra ny vidin’ny solika tsy voadio
Any amin’io faritra atsinana efa eo an-tanan’ny mpanohitra io no tena misy betsaka indrindra ny solika any Libye, koa hita miharihary ankehitriny fa misy fiatraikany be amin’ny vidin’ny solika tsy voadio ity fihetsiketsehana any an-toerana ity. Tafakatra hatrany amin’ny 100 dolara izany ankehitriny, teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tao an-drenivohitr’i Angelera, ary mety ho tonga hatrany amin’ny 110 dolara mihitsy amin’ny herinandro mitsidika io. Izany no tarehimarika ambony indrindra hatramin’ny 2008 no mankaty eo amin’ny vidin’ny solika tsy voadio.
Fiarovana ny zon’olombelona
Tsy azao eritreretina mihitsy ny hitaza-potsiny izao habibina ataon’ny Kolonely Kadhafi izao, hoy ny Filoha Amerikana Barack Obama teo anoloan’izany tarehin-javatra izany. Ary dia nanome teny ho an’ireo Amerikana izay mpikambana ao amin’ny filan-kevi-pilaminan’ny firenena mikambana ny tenany mba hijery akaiky ny toe-javatra misy marina any Libye,. Nomarihiny fa tsy maintsy handray ny valin’asa daholo araka ny fijeriny ny mpampiasa herisetra amin’ireto mpanohitra mitaky ny fanavaozana ny fitantanana any aminy ireto. Nanamafy koa ny tenany fa tsy maintsy hihazo an’i Genève ny lehiben’ny diplomasia amerikana, Hilary Clinton amin’ny Alatsinainy ho avy izao, mba handray anjara amin’ilay fihaonana iraisam-pirenena mahakasika ny fiarovana ny zon’olombelona, izay hiresahana manokana ny manjo ireto mpanohitra any libye ireto
na ny mijery ny hendriny aza mampatahotra tena devoly hita maso io no dictateur tena biby indrindra .ary marina iany ny an i .izao ramyade izao sarkozy vao mody manao hoe miala kadhafi nanatena fa hoe ividy avion kadhafi ka nanatena tsy misy nicolas .Ary ny tena nahagaga dia saingy taraiky t@miny daholo ny filohampirenena rehetra afa tsy i régan ary efa président ny ua mihintsy aza esy aho hoe
