ven.

25

févr.

2011

Mila mpanosika ilay sambo fefika?

Mba ataovy mazava ny resaka, na ampio jiro fa maizina sy tsy ahita-mitsinjo! Fefika eo amoro-pasika ve ny sambolay sa efa any an-dranomasim-be? Hampiakatra ireo mbola dobo? Sa hiala ny tora-pasika? Inona marina no hatao ho an’ity firenena Malagasy ity? Nojonoina daholo ny “karazana hazan-drano” rehetra fa tsy misy nahavoky ny “mpihogahoga” akory. Nampiasaina nifanesy na toto, na kankana fa tsy nahomby…Hariva ihany ny andro! Hovoriana indray ny mpanao politika rehetra (efa im-piry moa izay?) amin’ny Talata na Alarobia ho avy izao mba hidinika ny fomba hiatrehana ny fifidianana. Saino amin’ny fo tsy miangatra ny toe-draharaha: Raha efa eny an-dranomasina tokoa ny sambolay dia izay tapaky ny olombelona Gasy tamin’ny 17 novambra 2010, no lôjika indrindra sy tokony hotanterahin’ny “mpihazona ny fahefana”. Fa raha ny mifanohitra amin’izay (izany hoe fefika eo amorom-pasika) dia iantsoy vonjy, havan’ory ve hilaozana fotsiny? Aza menatra mitady tosika. “Omeo tanana kely, fa onkona ny herin’ny vatoaratra rahavako!”……………

Mpitarika politika

Raha resaka antoko politika no nahavaha izao olana Gasy izao dia efa tsy niverimberina teto intsony ireny mpanelanelana vahiny ireny. Ny antoko politika, izay maniry ohatra ny anana, eto Madagasikara dia tsy natao hitady vaha-olana fa natao ho fomba hidirana (an-keriny) eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy ny maha-antoko ny antoko no hahazoana mandrefy ny tanjany ara-kevitra fa ny fahaizany manasohaso ny mpitondra fotsiny. Koa inona moa no ho lanjan’ny mpitarika politika hovoriana ireto indray? Tsy mbola nety sy azo hampiharina angaha izay nandaniantsika volabe aman-tapitrisany teny amin’ny lapam-pivoriana teny Ivato? Inona marina no lanja nentin’ireo andri-pitondrana miisa roa (tsy afa-nivory intsony?) izay najoro hitady ny lalan-jotran’ny mpitondra avo? Inona marina no tena anto-pisian’ilay sori-dalana atsipitsipy etsy sy eroa? Ny mpitarika politika Gasy hatramin’izao dia tsy mahay manavaka ny fandrebirebena sy ny fampikatsoana ny raharahantsika. Izay rehetra tsy mety manao sonia no hambara ombieny ombieny fa mpampikatso ny raharaha, fa mba inona kosa no hanondroana izay mamerim-berin-dresaka sy lany andro manilika ny hafa? Raha misy mpamily tsy mahita tetika ny hahavelona ny fiara nankinina taminy ve dia tokony harahina amin’ny sitra-pony izy amin’nzay hevitra arosony?

Hiara-maty sy haniry am-pitoerana

Andrasana amin’izao fampivoriana ny mpitarika politika eto amintsikaizao indray ny “miara-mirona sy miara-mitrosina”. Hisy datim-pifidianana hivoaka indray, tahaka izay voatondro teny Ivato ihany. Hanomboka ady hevitra amin’izay tokony hatao sy mbola manahirana azy hatrany ny mpankafy ny “ila-kiraron’Ibeminahy”. Havondron’ny mpitarika ny fahefana avon’ny tetezamita indray ireo “mpanosika” azy mba hialàna amin’ny fampihaonana ireo mpitarika ny firehena rehetra kasain’ny mpanelanelana hatao eto Antananarivo(?). Dia iza no hahazo tombony amin’ny fikatsoana? Tsy maintsy ireo mpanao politka efa manana ny tombony ao anaty fitondrana ihany e! Moa tsy adidin’izay te-hanohana na/sy hamarana ny fitondrana avon’ny tetezamita no manambara ho ren-tany ho ren-danitra fa mamono tena ny mpanao politika mpanohana fotsiny ny mpitarika fa manadino ny fahasahiranam-bahoaka? Raha tena antoko politika manana mpitarika mahatsinjo lavitra tokoa no hanatrika izao fampihaonana kasaina ho tanterahina izao dia tokony hanam-pahasahiana hamaky bantsilana ny tsy fahombiazan’ny vaha-olana rehetra nifanesisesy teto. Fa rehefa tsy ho sahy hanao izany dia foano ny maha-antoko politika sy ny maha-mpitarika fa manjary maro tsy mahavita na inona na inona toa ny tana-poza.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra