jeu.

24

févr.

2011

Mpitondra avon’ny tetezamita : Mamerina an-jambany ny hadisoan’ny taloha

Raha tiana ny hanova ny fomba fitondràna ny raharaha politika eto Madagasikara, dia aza haverina intsony ny hadisoan’ny mpitondra taloha. Matoa mihitsoka anaty krizy ny firenentsika dia miverina sy manahaka ny fomba “nahazatra” fotsiny ny mpitondra nifandimby. Tsy misy na dia kely aza ny “zava-baovao” nampanantenaina teny an-kianaja fa ny teo ihany no miverina sy averimberina.............

 

 


Rajoelina Andry dia tsy hitovy amin-dRavalomanana, ary Ravalomanana dia tsy mitovy amin-dRajaonarivelo Pierrot, Voninahitsy Eugène dia tsy hitovy velively amin’ny Kolonely Andrianasoavina Charles, Ramaroson Alain dia tsy misy hanahafany an’ Andriatavison Bruno. Sasanangy samy hafa ny amin-dry Andrianoelison José sy ry Andriamahefamparany Donat. Tsy hanara-davahana an-dry Vaovao Benjamin ny mpomba an-dry Raharijaona Pierre… Samy nanana ny lalany, samy manana ny heriny aman-tanjany ary ny antony nahateo amin’ny sehatra politka azy izy rehetra sendra voatonona ireo, sy ny maro hafa.. Samy hafa ny toe-javatra, ary tsy mitovy ny rano nandroana araky ny fitenin’ny miaramila.

Tsy fangala-tahaka ny politika

Tsy foto-kevitra ara-politika ijoroan’ny antoko no resahana eto, satria ireny foto-kevitra ireny dia tokony tsy hiovaova hanaraka ny onja, fa ny mpanataneraka azy no mila olona mahafehy ny foto-kevitra tiana hampiharina. Raha misy antoko marina tena vonona ny haka fanjakana amin’ny alalan’ny tanjany ara-poto-kevitra sy manana programan’asa tiany ho fampandrosoana teto amin’ity Madagasikara ity dia efa tsy niverin-dalana ohatra ny fanoron-jaza toy izao ny politikan’ny Gasy. Satria toetran’olona no alain-tahaka eo amin’ny fanaovana politika gasy dia vao mainka loza ny manjo antsika mianakavy. Rajoelina Andry dia te-hitovy amin’ny Filohan’ny repoblika voafidim-bahoaka, te-hitovy amin’i Tsiranana Philibert sy Ratsiraka, Zafy, ary Ravalomanana. Tsy naha-menatra azy akory ny nisalotra ny mari-boninahitra ambony teto amin’ny firenena satria izany no masaka tao an-dohany? Dia inona àry izao no mety hiavahan-dRajoelina Andry amin’izay Filoha vaovao ho voafidim-bahoaka manaraka? Dia tsy nahagaga raha ny toetra ratsin’ireo olona efa nahongana tamin’ny alalan’ny fihetsiketsehana ireo ihany no averiny sy alainy tahaka. Satria ve nisy didy navoakan-dRavalomanana talohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin’ny 2006, izay mandrara an-dRajaonarivelo Pierot tsy hiditra eto Madagasikara tamin’izany, dia mbola haverina koa ny toetra ratsin-dRavalomanana? Satria nitsabaka be loatra tamin’ny famatsiana ny zavatra nilaina tamin’ny fiainana an-davan’andro ny politikan-dRatsiraka, dia halaina tahaka, kanefa tsy nanome fahalalahana ho an’ny mpanadraharaha tera-tany? Satria nisy fanidina sy fanakatonana haino aman-jery taloha dia tsy maintsy hanakatona koa ny mpandimby rehetra ato aoriana? Satria noho ny krizinm-pitantanana teo amin’ny resaka foko sy fiaviana no nahafaty tsy fidiny an-dRatsimandrava dia mbola ho soratana any anaty “sori-dalan’ny tetezamita avo” koa izany amin’izao fotoana? Eritrereto!

Tsy misy antony nilàna ny fiovana

Ny krizy politika teto amintsika dia nitaky fiovàna sy mba hitoeran’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Iza no tsy nametsovetso ny fomban’I Tsiranana nony nidaraboka izy. Moa tsy ny fanembonana an-dRatsiraka no nampiverina azy teo amin’ny toerany? Kanefa dia nodradradraina fa “meloka” noho ny fihetsiny izy telo taona talohan’io fiverenany io? Iza no tsy nahatsiarotsiaro ny fahalalahana sy ny momban’ny demokrasia nampalaza an’i Zafy nony nahongan’ny depiotén’i Madagasikara ny tenany. Ary ankehitriny dia aza omena tsiny ny “vahoaka” raha mila sy mitaky ny famerenana an-dRavalomanana satria tsy manana tetika vaovao tena maha-vaha ny olany an-davan’andro ny mpitondra ankehitriny. Ny mpanao politika Gasy hatramin’izao dia lany andro mifanao valifaty ara-politika fotsiny. Kajikajy hijanonana eo amin’ny fitondrana no maha-maika izay nandrombaka ny fahefana efa in-dimy nifanesy izao. Ny mpanongana indray dia tsy manana hevitra afa-tsy ny fanakianana mivaivay amin’ny tsy antony. Dia inona no antony hamerimberenana sy hifamitahana amin’ny fanovàna? Tsy tokony ho dingana ho famahana ny krizy ve ny fanomezana ny mpitondra taloha rehetra lesona ho amin’izay tsy mety nataony? Sa rehefa mitondra vao mahatsapa fa mety sy marina ny fanampahan-kevitry ny mpitondra taloha? Koa tsy naleo niharitra fifidianana vao niaka-dapa? Izany ihany no tsy nampanidina ny akoho


écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    sarlelison (vendredi, 23 mars 2012 09:35)

    nga tsy misy zava-baovaovao hafa, f fantata daolo zany

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra