jeu.
24
févr.
2011
“Tena nisy marina ve ny fankatoavan’ny mpanao gazety, na koa ny mpitsara, na ny mpisolo vava ohatra, ny fanendrena ireo nolazaina fa mahasolo-tena azy ireo ao anatin’ilay vaomieran’ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika?” Ireo no teny niverimberina teo amin’ny resaka namorian’ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny mpanao gazety tetsy amin’ny “La Rotonde” Besarety omaly talata 22 febroary 2011. Fotoana izay notarihin’ny filoha nasiolalin’ity antoko ity RABEARISOA Saraha Georget. Tokony ho hita taratra amin’izao fotoana izao ireo antoko vonona hiatrika ny fifidianana izay tsy maintsy hiseho amin’ity taona ity, hoy ihany ny fanazavana nentiny, ary aoka hitambatra ho andro iray ny fanatanterahana ny fifidianana depioté sy ny ho filoham-pirenena...........
Eken’ny Antoko Maitso Hasin’i Madagasikara ny tondro zotra tokony hiiarahan’ny rehetra manao sonia ankehitriny, ary nomarihiny manokana fa hevitry ny antoko maitso ny manodidina ny 60%n’izay voasoratra tao amin’ity tondro zotra nahabe resaka tato ho ato ity.
Vonona hirotsaka ho filoham-pirenena
Tsy mihemotra ny antoko fa mbola namerina hatrany fa vonona hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena ny mpitarika azy, saingy te-hametraka kosa ny fepetra rehetra mba hisorohana ny tsy hiverimberenan’ny krizy eto amintsika intsony. Fototra iray tena goavana amin’izany ny fampijoroana marina ny CENI tsy mitanila sy tena mahaleo tena, na amin’ny lafiny ara-teknika na koa ny ara-bola. Ary aoka hivoitra ny fifampitokisana sy ny mangarahara, na aty amin’ny CENI foibe, na koa any amin’ny faritra isanisany. Anisan’ny tolo-kevitra naroson’ity antoko ity ny hisian’ny mpikambana maharitra mivoaka amin’izay nifanarahana sy notendren’ny sampan’asa niaviany avy, ary manampy an’ireo ny hisian’ny mpikambana tsy maharitra izay atolotry ny antoko na fikambanana manana sy vonona handrotsaka olona amin’ny fifidianana. Rehefa manana ny solontenany eny amin’ity vaomiera mikarakara fifidianana ity ny antoko isanisany dia ho azo antoka ny fangaharahan’ny fizotran’ny fifidianana. Ary avy amin’izany no hifanarahana ny amin’ny didy aman-dalàna hoentina mitantana ny fifidianana. Ny fidirana ho mpikambana amin’ny andrim-pitondrana misy ankehitriny dia tsy antoka loatra hisian’ny fahamarinan’ny fifidianana araky ny hevit’izy ireo, fa ny CENI ihany no tokony hifanarahan’ny mpandray anjara rehetra mba hamahana ny olana. Ny tetezamita amin’izy ireo dia mampandeha raharaha fotsiny ihany.
Sokafy ny haino aman-jery
Anisan’ny nitsidika tamin’izao fotoana omaly izao ny nampatsiahivin’ny mpitarika ity antoko Maitso ity fa hery lehibe haha-azo antoka ny fangahararahan’ny fifidianana ny fahalalahan’ny fampitam-baovao isan-karzany. Anisan’ireo haino aman-jery mbola tsy nahazo ny fahafahany miasa an-kalalahana ny radio-n’ity antoko ity, ka nanaitra ny sain’ny tompo-marika amin’izany ry zareo mba hijery akaiky ny fepetra tokony hatao sy ho raisina amin’izany
mahafinaritra ahy ty madama Saharah ty. Ny paoziny mihitsy 'zany an!
