mer.
23
févr.
2011
Raha ny lalàna dia fangalaram-pitia ny fitiavana ivelan’ny tokantrano ary mety hitondra aretina ho an’ny vady ao an-trano. Misy anefa ireo tsy te hahalala izany ka minia mamboly fitiavana any an-kafa ihany. Toy izao ny fomba fialana amin’ny lehilahy manambady, raha sendra izany ianao vehivavy. Mialoha ny zavatra rehetra dia voalaza fa tsy dia ny vehivavy hatrany no meloka, lazaina ho maka vadin’olona amin’itony tranga itony. Ilay lehilahy manambady mihitsy no misarika, manao izay ahazoana ilay vehivavy. Atao avokoa izao karazana langolangon-dresaka isan-karazany izao, hatramin’ny fanaratsiana ny vady ao an-trano. Roboka ihany amin’ny farany ny vehivavy ka dia miafara amin’ny fiarahana izany matetika.
Somary voaelingelina ihany ilay vehivavy any am-boalohany noho ny fisian’ny peratra eo amin’ny rantsana manarapoana havian’ilay lehilahy, saingy rehefa tojo ny fampanantenana maro momba ny isarahany amin’ny vadiny izy dia mety ho latsa-pitia ihany amin’ny farany. Eo vao tena miandoha ihany koa ny olana rehetra. Voatery mamonjy ny vady (aman-janany) izy isan-kariva na dia hitanao niseho ho lehilahy tena tia aza nandritra ny fiarahana. Sasatra miandry eo am-pototry ny telefaonina miandry ny antsony. Tsy misy ny fiarahana isaky ny faran’ny herinandro izay tena mahafatifaty ny mpifankatia. Herintaona aty aoriana mbola mitohy ihany izany tantara izany. Mampanantena ny hisaraka amin’ny vadiny lalandava izy. Matahotra foana ihany koa ianao sao ho tratran’ilay tena tompom-bady. Miaina anaty fahoriana. Ny vahaolana tokana ho anao dia tsy misy afa-tsy ny mitsoaka lavitra ihany. Mila herin-tsaina tanteraka anefa ny fanaovana izany, satria tia azy ianao. Arakaraky ny iandrasanao andro sy fotoana anefa no vao mainka ihany koa mampitombo ny fahorianao. Ho an’ny 95%-n’ny tranga toy izany efa hita mantsy dia tsy misaraka velively amin’ny vadiny ny lehilahy manao sipa. Hiandry azy 80 taona eo ianao raha izany. Na lazaina ho mety hisy aza izay fisarahana izay dia ho azo antoka ve fa hijanona samirery aminao ihany koa izy na dia hivady aza ianareo ? Rehefa misafidy ny handao azy dia aza mametraka adiresy na nomerao-na telefaonina. Ovay ihany koa ny nomeraonao. Mety hitomany sy harary fo mihitsy aza ianao aorian’izay fisarahana izay, saingy tsy maintsy andalovana izany. Tsara kokoa raha any amin’ny namana no andehanana, hitsoahana hahazoana herin-tsaina. Lehilahy tia tena no manao izany fitan-droa izany, ka tsy tsara ny hanomezana vahana azy. Koa hisorohana izany adin-tsaina rehetra izany dia aza miaraka amin’ny vadin’olona ihany!
leleo izy de vita e!
Ny sipa kely no tena mitady rangahy efa manam-bady. ny antony? misy vola @ ireny no sady tsy sahy hiteraka aminy. noho izany moramora ny manataka azy.
Revy ane zany e, zay le fiainané, ty tany ty ane fandalovana iany e
