mer.

23

févr.

2011

Hetsi-bahoaka any Lybie : Inona ny hevitry ny FAT ?

Nihazakazahan’ny fitondrana FAT ny nandefa taratasy niarahaba ny « vahoaka Toniziana » tamin’ny fahombiazan’ny hetsika an-dalambe nataon’izy ireo ka nahavoatery nampitsoaka nandositra an’ingahy Ben Ali, filoham-pirenenan’i Tonizia, niala teo amin’ny toerany tamin’iny volana janoary efa nivalona iny. Noraisin’ny filohan’ny Fat ho ohatra mihitsy aza ny zava-nisy tany Tonizia sy Egypta raha namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety momba ny filazan-dRavalomanana Marc fa hody eto an-tanindrazany izy ny sabotsy lasa teo. « Azo heverina ve hoy izy ny hiverenan’i Ben Ali any Tonizia taorian’ny nitsoahany nandositra any ivelany ? ». Tsy tanteraka moa izany fiverenan’ity filoha teo aloha ity an-tanindrazany izany noho ny sakana tamin’ny fomba samihafa nataon’ny mpitondra FAT, na dia nilaza aza izy ireo fa « avelao izy hiverina eto raha lehilahy, amin’izay mora ny mampiditra azy am-ponja ».

Hanohana azy ve ny FAT ?

 

Fa tsy andrenesam-peo kosa ny fahefana avon’ny tetezamita amin’izao hetsi-panoherana miseho any Lybia izao. Hanohana ny hetsi-panoherana an-dalambe ataon’ny vahoaka Lybiana mitaky ny hialan’ny kolonely Kadhafi izay tondroin’izy ireo ho filoha jadona efa nanjaka tao Lybia nandritra ny 42 taona ve ny Fat ? Sa hiaro ity filoham-panjakana anisan’ny nanampy sy niaro azy fatratra tamin’ny fotoana sarotra nolalovany tamin’ireny taona 2009 ireny ? Moa tsy ingahy Ali Triki, solontena maharitr’i Lybie any amin’ny Firenena mikambana no nanao izay hampiteny an’i Andry Rajoelina tany amin’ny fivoriambe faha 64-n’ny firenena mikambana, tany New York, ny 25 septembre 2009, saingy nolavin’ireo firenena maro aty Afrika sy ireo mpikambana tao amin’ny SADC ny handraisany fitenenana satria mpitondra fanjakana tsy ankatoavin’ny SADC sy ny Vondrona Afrikana ny filohan’ny FAT. Tsiahivina koa fa rehefa tsy afaka natao teto Madagasikara (izay antony lehibe nananganana foto-drafitrasa manara-penitra, toy ny CCI Ivato sy ireo 54 Villas présidentielles), ny volana jolay 2009 ny fivoriana an-tampony faha-12-n’ny Vondona Afrikana noho ny fanonganam-panjakana niseho teto, dia i Lybia no nandray ilay fivoriambe. Misy heviny lalina izany, ka moa tsy tonga amin’ilay fitenena hoe « ny tody tsy misy fa ny atao no miverina », ho an’ity firenena ity. Fantatra moa fa efa an-jatony maro no maty hatramin’izao noho ny fampiasan’i Kadhafi hery sy fitaovam-piadiana mahery vaika hamotehana ny mpiray tanindrazana izay mpanohitra azy hiarovany ny sezany.

Rakoto

 

écrire commentaire

Commentaires: 5

  • #1

    baombina (mercredi, 23 février 2011 15:58)


    efa manakaiky ny farany. ary manao toetran'ny mamon-drongony ty khadafi ity raha niteny tamin'ny telé tany amin-dry zareo omaly

  • #2

    Ragasy (mercredi, 23 février 2011 18:53)

    Efa ho telotaona zao no nitenenana foana hoe efa manakaiky ny farany fa toa tolona tsisy farany.Mampme koa aloha ngahy mpanoratra fa eo ambany fifehezan'ny FAT, aza mba voany ihany eh!!!Mahatsikaiky mintsy le resa-paty, ny FAT no manjakazaka amin'ny velona,hahaha!Telotaona be zao ve no nanjanahan'ny FAT an'i Madagasikara de mbola manaiky ihany ry velompaty!!sa toy y lamban'akoho ny andry velompaty sy ny FAT ka FATY no isarahana!!!hahaha

  • #3

    RABZ (jeudi, 24 février 2011 12:19)

    Ho an'i Ragasy
    Ts hoela dia hivadika ny glaoby dia ny FATin'ialahy no hoanin'ialahy. Ampahafirin'i Kadafy zay Radomelina kelin'ialahy! mba ataon'ny Lafrantsa saribakoly de mba miseho ho Baoby. Mba jereo ireo saribakolin'i Lafrantsa efa mitsingidina ireny: Beb ali; Moubarak ; Kadafy ... Mba misaina fa tsy vitan'ny hambo-poza ity fiainana ity

  • #4

    Fina (dimanche, 27 février 2011 18:25)

    Tokony tsy mahazo milatsaka ho fidiana filoham-pirenena, na solom-bavambahoaka,na lehiben'ny faritra na ben'ny tanàna na sefo-pokontany izay olona double nationalité ary tsy tokony homena andraikitra toy ny ambassadeur na ministre satria efa tsy gasy 100%

  • #5

    Zaza hendry (mercredi, 02 mars 2011 00:49)

    Tony ary moa no mba olona mpanohana an sasany ko .Olona mpanao didy jadona .Ceux qui se ressemble s´assemble an!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra