mar.

22

févr.

2011

Aleo hody i Zandrikely

Vanimpotoana hafa mihitsy no hiainanan’ny Gasy ankehitriny (*) satria hatramin’iny krizin’ny taona 2009 iny dia mbola tsy nivaha ihany ny olana ara-politika hatramin’izao. Maro ihany ireo mpitonra teo aloha no tsy tafaverina intsony eto an-tanindrazana satria toa nifandovàna fotsiny ny kolontsain’ny valifaty ara-politika. Tena tantara tokoa sisa ilay niverenan’i Deba tamin’ny taona 1996 ireny, fa hatramin’izao dia mbola any ampitan-dranomasina any hatrany ny tenany. Nanandrana niverina teto an-tanindrazana koa i Ramose tamin’ny taona 2011 fa herim-po very maina ny an’ireo mpomba azy tamin’izany fa tsy nisy hirika niverenany intsony e! Dia mahagaga fa tonga indray ity ny anjaran’i Zandrikely, ilay nampideradera ny fanovàna tamin’ny fotoan’andro; Fa manin-te-hody an-tanindrazana koa, hono, saingy indrisy fa tapi-dalan-kaleha toy ny sokina nanani-bato fa hitoetra any an-tanin’olona toa ireo mpitondra taloha nifandimby rehetra koa e! Mbola marobe ny nahatsiaro ny zava-bitan’ity Zandrikely ity ireo mpankafy sy mpanohana azy ankehitriny ka tsy nitsahatra ny nametsovetso fa tsara ny foto-drafitr’asa toy ny kianja sy ny hopitaly marobe vitany tamin’ny fotoana .nitondràny. Namaha ny olana ara-tsosialin’ny mponina koa izy tamin’ireny fotoana ireny satria vitany ny nitazona ny vidim-bary tamin’izany ho 1000Ar ny kilao. Mitelin-drora fotsiny ny mponina amin’ny ankapobeny ankehitriny fa toy ny anganon’ny Ntaolo ny resaka “mora” tamin’izany. Betsaka anie ny nahazo tombony tamin’ireny e! Vary mora, trano mora, izay rehetra natao dia tena mora avokoa. Manembona ireny fotoana nahafinaritra ireny ny mpanohana an’i Zandrikely ankehitriny ka tsy nitsahatra ny nametsovetso ny fotoana niarahana tena nahafinaritra...........

Tamin’izany dia nahazo tombony manokana ny miaramila sy ny tafika iray manontolo mihitsy; Ka raha tsy nahazo fitaovana dia nisondrotra galona. Teo ihany koa ny mpanao politika marobe izay nanao tsy homby aloha nikepoka “saosy mafilotra” tany anaty lapam-panjakana tamin’izay. Ny fanalalahana teo amin’ny haino aman-jery dia nalalaka nahazo niteny daholo rehefa nahay nanindrahindra an’i Zandrikely, Vitsy dia vitsy ny nogadraina noho ny fanehoan-keviny satria tsy nisy afa-tsy 109 izy ireo tamin’izany. Nahitam-pahombiazana ihany koa ny fitantanam-bola teo amivon’ny fanjakana foibe fa na dia tsy nahazo ny fankatoavan’izao tontolo izao aza ny fitondrana tamin’izany dia nahavita zavatra marobe tsy hay ho tanisaina. Anisan’ny iray amin’ireny io lapan’ny tanàna mbola tazantsika eo Analakely io mandraka ity ny anio. Fa amin’izao fotoana dia indrisy fa tsy tafaverina eto an-tanindrazany ihany koa i Zandrikely na dia be aza ireo mbola mitaky an’izany hatrany. Tsy mbola misy ihany tsinona hatramin’izao fotoana iainantsika izao izay fifanarahana matotra na koa fifdianana(*) madio teto amin’ny firenentsika fa dia nifandimby nifanongana hatrany fotsiny ny mpitondra antsika.

Dia mba hanao ahoana ihany anefa ny ho tohin’ny tantarantsika miaina izao vanim-potoana izao? Tsy misy na iray aza ny tanora sy ny mpandimby ankehitriny mba te- hitondra an’ity Madagasikara ity satria toa azon’ody daholo izay nitondra teo. Tsy manao afa-tsy ny mifanenjika sy mifanebaka imasom-bahoaka, dia mifanakatsakana sy mitady ny fomba rehetra tsy hahafahan’ny hafa haneho ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny. Tena miaina anaty valifaty tanteraka ny firenena satria tsy nahatsinjo lavitra ny mpitondra nifandimby ka aty amin’ny taona marobe aorian’ny krizin’ny taona 2009 diambola tsy nivaha ihany ny olana. Anjaran’i Zandrikely indray izao no te-hiverina an-tanindrazana. Aza manody tokoa ny goavy manta…Enga anie ho tapitra amin’izay ny nofiratsin’ny Gasy!

(*) Satria tanteraka tsy fidiny faminan’ilay mpitondra fivavahana

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    baombina (mardi, 22 février 2011 12:39)

    tena manaiky aho izao fa hay tsy tantara efa lasa ihany no soratana an-gazety fa misy fiction koa? Manaiky anareo ny tenako

  • #2

    Fina (dimanche, 27 février 2011 18:07)

    Tsy mahagaga raha raha izao no zva-misy eto Mcar. ireo izay lasa nitsoaka any ivelany de tsy avela hody eto intsony. Tsy mahataitra izany satria ny nanongam-panjakana t@ 1991/1992 ihany no nanao ny t@ 2002, ary mbola ireo ihany no isan'ny tai-doha nikotrika ny t@ 2009 fa saribakoly fotsiny i boakely. Ka raha mbola eo i Ratsirahonana Norbert Lala, Richard Randriamanjato ary Marson Evariste de ho toy izao foana ny eto amintsika.

    F

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra