lun.
21
févr.
2011
« Ravalomanana te-hody an-tanindrazana ». Izay no azo hamintinana ny zava-niseho teny amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesburg, tao Afrika Atsimo, tamin’iny sabotsy iny. Nikonendina tetsy sy teroa, nitady lalana sy tetika hahazoana fiaramanidina hiverenana eto amin’ny taniny izy. Nivoa-dinitra, niady saina, kanefa tsapa tamin’ny fihetsiny fa lehilahy tsy mora kivy ny tenany. Aleo tsy ho topazamaso akory izay fihetsiky ny tafi-mpitondran’ny mpitondra avo, na koa ny nataon’ireo « vahoaka » nanemitra ny arabe nihazo ny seranana tao Ivato tao, fa aleo ho zahana ny antonanton’ny tsy nahatongavan’ilay filohan’i Gasikara taloha.
Resaka taratasy Resaka taratasy karazany roa samihafa no tena fototry ny tsy nahatongavan-dRavalomanana. Naoty ho an’ny seranana, na koa ny kaompaniam- pitaterana sy ny mpanamory ny voalohany. Efa voasoratra ho isan’ny mpandeha hihazo an’Antananarivo ny filoha taloha, Ravalomanana, sy ny delegasiona mpanaradia azy. Ireo olona ireo dia ny ankohonany sy mpiara-miasa aminy akaiky, izay marihina fa Malagasy daholo ireo. Io fiaramanidina io dia an’ny kaompania Afrikana Tatsimo AirLinks...............
Natao ny kenonkenona samihafa ho fanamarinana ny antontan-taratasy sy ny fahazoana miondrana. Kanefa noho ny fisian’ilay taratasy niainga avy taty Madagasikara izay milaza fa: “ Noho ny antony fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana, dia mampahafantatra ny kaompaniampitaterana mikasa ny hitondra io olona io (Ravalomanana) izahay fa tsy voaantoka sy tsy hisy ny filaminana ho amin’ny fitondrana azy”. Malagasy ray, Malagasy reny ihany koa ireo olona anankiroa nanoratra io taratasy io. Nikaro-kevitra ilay Ramose mpitondra taloha, ka nahavita taratasy fifanarahana tamin’ny kaompania tsy miankina iray, ho amin’ny fiondranany aty Madagasikara, kanefa dia tonga ihany koa ny taratasy iray hafa (ilay faharoa) avy aty amintsika ihany: “Tsy hisy fandriampahalemana sy filaminana ho an’izay fiaramanidina mitondra io olona io, satria hitarika korontana izany. Koa miangavy ny kaompania rehetra miasa eto Afrika Atsimo mba tsy hitondra azy. Raha toa misy minia mandika izany dia ho raisinay ny fepetra ka ho tananay am-ponja hatramin’ny mpanamory sy ireo rehetra ao anatin’izany fiaramanidina izany rehefa tonga aty”. Dia taraiky teo Ingahirainy satria natahotra ny loza mety haterak’ireo taratasy roa ireo ny mpanao fitaterana an’habakabaka tany an-toerana… Tamin’ny dimy ora sy sasany hariva (ora taty amintsika) dia mbola nahita fiaramanidina iray hafa indray izy, saingy noho ny fampihorohoroana tsy nisy farany dia nilefitra ihany. Nanamarika ny tompon’io fiaramanidina manokana io fa tsy ny maha-fanjakana na tsia izay nanoratra ny taratasy no nampihemotra azy fa noho ny horohoro sy ny fampitahorana natao taminy. Vita hatreo ny kihonohono Nolazaina sy naparitaka ho ren-tany ho ren-danitra fa voaroaka ao Afrika Atsimo Ramose, ka izay no tena antony nahatonga azy nanao fanahy iniana nanao an-ditra hody. Nambara koa fa efa fantany mialoha fa tsy ho tonga aty velively izy kanefa dia mbola nikiry ihany, ary farany dia natao laza masaka eran’ny tanàna fa olo-meloka sy tokony hamita sazy any am-ponja ity filoha taloha ity ka mendrika azy sy tokony hasehony ny her im-po hiatrika izany. Ireo kihonohono rehetra ireo dia samy tsy mitombina sy tsy azo antoka intsony ny fahamarinany… Raha voaroaka marina ao Afrika Atsimo ity filoha taloha ity dia tsy maintsy ho nafindra monina ny tenany, ka raha tsy lasa taty Madagasikara aza dia tsy maintsy ho nizahan’ny firenena Afrikana tatsimo toerana hafa. Raha fantatr’i Ramose mialoha ihany koa fa tsy ho afaka hiondrana aty Madagasikara izy dia tsy handany andro hifampiraharaha amin’ny fiaramanidina hafa izy, fa zarany aza nisy ilay taratasy fandraràna voalohany, dia tsy hikaroka hevitra hafa intsony ny tenany. Ary farany, dia tsy ho afaka ny hisambotra an-dRavalomanana akory ny mpitondra Avo ankehitriny satria, araka ny fanazavana mifanaraka amin’ny lalàna, dia tsy mbola azo hampiharina ilay sazy nanamelohana azy noho « ny raharaha 7 febroary », satria tsy natrehan’ny voaheloka akory ny fitsarana, sady mbola misy ny lalàna ho fampiakarana amin’ny fitsarana ambony kokoa raha tiany, ary indrindra mbola azony atao ny mangataka fandravàna didy amin’ny fitsarana tena mahefa, fa tsy amin’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao, araka ny fanazavan’izy tenany ihany. Ka ny tahotra azy tokoa ve no tsy nahatongavandRavalomanana ? Dia iza no natahotra an’iza ?
Mahatsikaiky dia mahatsikaiky ilay lahatsoratra!ny hany azoko ambara dia: ny tody tsy misy fa ny ratsy nataonao rehetra tamin'ny olona io miverina aminao io, nanongampanjakana teny andalambe enao sady nampiasa fitaovampiadiana mintsy nakana fahefana tamin'ny 2002 (izay tsy mba nataon'i andry rajoelina satria i manandafy ihany no niteny fa tsisy basy nipoaka mintsy), nodorana sy norobaina ny fananan'olona lazaina fa fahavalo ka dia natao hazalambo-tranon'i razanamasy-josé kely-tsaranazy-sns), nanagadra sy nampanao sesitany reo tsy mitovy hevitra sy manelingelina anao ara-mpandraharahana enao nandritra ny 7 taona (zay tsy nataon'i andry rajoelina koa satria reo olona migadra ankehitriny ireo dia tratra ambodiomby avokoa nanao ratsy fa tsy toy ny anao nogadraina aloha dia namoronana dossier avy eo), nosakananao tamin'ny fomba mitovy toa io nanjo anao io ingahy Pierrot Rajaonarivelo mba tsy hilatsaka hofidiana ary namoahana "NOTAM". Ohatra vitsy ireo fa ampahany amin'ireo ratsy vita ka mitamberina sy mifody aminao!Mba mitongava saina fa mbola fotoanany zao!!
tena tsy vanona ravalomanana ! koa maninona ny nataony ihany no mbola haverina? f'angaha tsy hoe mila mitondra fiovàna ? Ny lahatsoratra no mahatsikaiky sa ny hevitra voizin-dRagasy no tokony hovàna? Raha misy diso io lahatsoratra io dia tokony hanome porofo enao hoe tsy nahavita izay nataon-dRavalo ny mpitondra amin'izao.
Ny fitondrana FAT mitsy no rain-tetaka sy tena sarotahotra.Maninona raha navela nody Dada raha sahy nisambotra azy ny FAT.
Atahoran'ny FAT ny hipotra ny marina t@ rahraha 7 fevrier de izay no hanakanana azy tsy hiditra eto, satri Ra8 de efa niteny fa tokony hatao ny enquette sy ny tribunal inernational fa maninona no tsy mety manao izany ny FAT misy raha ao...
Sady alohan'ny 7 février dia nisy ihany koa ny 26 janvier ary nisy koa taorian'ny 7 fév ? donc mila hotsaraina daholo ireo, moa ilay Ragasy dia tena hita fa olona mihinana amin'izao fotoana izao miaraka amin'ny HACHETE dia izay no maha maivava azy io, fa efa ho avy ny anjarany atsy ho atsy.
petsopetsona ery ny vava hoe aleo hody nefa rehefa teny hody ilay olona hatahorana indray .Rain tetaka !
Hitan olona rehetra ny fahasahian Dada e !Hataoko fa vao mainka tokony hampisaina antsika mpanaradia an Dada iny zavatra niseho iny fa izy dia tena mitazona ny teny nomeny.Lozan izay nanao izay
hahadiso fanantenana ny vahoaka dia tsy iza izany fa ny bande de lache A t.
dadan areo amin i haona ary dada ragaha atidoha dre anareo manaradia azy io ampiasany gnatidohany very nareo e 25000fmg ve jaraina hatrany mandrimena, taraika nareo igny miditreo de ra mandriaka koa satria ra nadriaka gne nangalany fitondrana ka ra mandriaka juska farany i dadan areo vohojonan ireo ra sampy sy ra n olomaty rehetra izy ; , hendry tsara Andry raha miala de ampahendrena hiany jay gnafatro anao Andry endrea fa gasy
ny tenanay aloha de vonona hiroso @ repoblika faha efatra e! jereo ngé ry Alain Andrimaiseza e! mety mintsy ny nataony fa hadalan dry Fetison sy ry Mamy Rakotoarivelo sy ny sasany no mbola miady @ ze
pitsopitsony any. Nefa inn koa fa le hiverenan'i Ravalo mintsy no tena tetiny nefa zao aiza???? Yves Aimé ary zao efa nanaiky hamarana ny tetezamita hiaraka @ zandrkely , tsy aleo ve reto mipetraka
@zay a! tena hita mitnsy i Fetison hoe tsy faly tam Alain Andriamiseza tam jeudi teo , nohaniny tsara de tsara mintsy ary notebahany akory aza hoe: tsika zao de niara nitolona tao @ TIM kanjo
nivadiany ary tsara ho anao iny ry Fetison a! jereo zao ty enao lasa mince kely mintsy , anjarani mamy Rakotoarivelo ndray zao ngà iny vita mora e!!!! namono tsy nafaty fa mahatatesa kosa valifaty a.
ny anay ANDRY hatrany fa tsy mila Ravalo fahavalo zahay , efa niala le kravaty mena bé vé aloha izy e
sarothtr n FAT no azo ilazan azy.be vava fotsiny nefa kanosa velona.hoe samborina nf ts avel mody.
