lun.
21
févr.
2011
Tsy tong aizy na dia nanantena izay tsy izy aza ireo tonga teny ivato,dia tsy hita na dia ny tendron’oron’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc aza tamin’yny sabotsy teo « Ny nanantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana »,hoy ny fitenenana.Dia izay tokoa ,fa setroka mandatsa-dranomaso no nandroaka ireo mbola tavela faramparany teo,tany ho any amin’ny fito ora hariva.
Avadiho indray ny pejy,ny fiainana mizotra ihany na eo izy na tsy eo,moa va tsy Madagasikara ihany Madagasikara ! Na ho inona endriny na ho inona ny fiaimpiainan’ny vahoaka eo aminy,izay ataon’ny mpitondra ihany no hamaritra ny momba azy.hoviana teto amintsika moa no mba nojerena akory ny hevitry ny vahoaka,tamin’ny alalan’ny valim-pifidianana teto,nandritra ny dimampolo taona izay,Mainka fa izay mba fihetsika na fidinana an-dalambe nilazany ny hetahetany !Toy ny hoe :henoy izany ry hazon-damosiko »
Kanefa…matanjaka io hazon-damosina io,matoy mbola mijoro sy mitraka toy izo ny mponina ao aminy.Tsy mahatsiaro vizana na kotsa ; tsy mahatsiaro resy na kamboty satria mbola any hono hoe ilay filoha na ireo filoha ianteherany.Amin’ny inona moa io?Eo indrindra no ilàna ny fahamatoran’zay mitondra.Inoana feno fa tsy olona tsy manan-katao ireny olona marobe tonga teny Ivato ireny,toy ny tsy maha olonolom-poana .............................
ilay filoha teo aloha anankiray hafa miezaka foana ny hamaha ny olana eto an-tanindrazana,amin’ny anaran’ireo anankiroa,amin’ny alalan’ny fampifanatonana ireo tompon’andraikitra sy tompon-kevitra rehetra azo hakana izany.Sanatri ve dia atao ha toy ny tsy misy izy ireo noho ny hambompo sy ny tahotra ilay anankiray ?
Sao mantsy tsy tsaroina fa toy izao koa no nidinanny sasany an-dalambe,tamin’ny 2009.Nisy nihaino izy ary nisy nanaraka.Izany hoe nisy hafatra sy hetaheta tao aminy.Koa inona no tsy handrenesana ny hiakan’ireto olona marobe ireto ?Sa rehefa tsy azy dia tsy tokony ho hainoina ?Na koa rehefa tsy feony dia tsy tokony horaisina ?
Fa ny nahavariana dia ny fihetsika ambadika,nanehoan’ny mpitondra sy ny mpomba azy ny eritreriny.Naninona raha vao nivoaka ny filazan’ny filoha teo aloha fa hody izy,dia efa nanao ireny filazana NOTAM ireny ?Ny tsy azon’izy ireo an-tsina dia ny famitahana ireto olona marobe ireto.Tsy ny teto Antananarivo ihany anie no nizotra teny Ivato e !Azon’ny mpitondra natao tsara ny nilaza tamin’ny vahoaka fa tsy ho avelany hiditra ny fiaramanidina akory ny filoha Ravalomanana Marc sy ireo mpiara-dia aminy,noho izany tsy ho avy izy.Mazava ho azy fa tsy nisy ireny fanemerana ny arabe ireny.Toy ny hoe nahafaly ireo milaza azy ho mpitondra ve ny ahita azy ireo nitonantonana teny ivato ireny e !Asa re fa samia mahita izy manomboka izao indray !
Raivobe
ny azo lazaina dia izao :mampalahelo ireo ollona lany frais fotsiny avy lavitra mba te hitsena an i dada kanefa dia lany vola sy avizanana fotsiny .izay tsy fiheverana ny madinika @ny lafiny ny fiainana rehetra mahafinaritra anareo pitondra ve ny mampanatena tsy misy ny madinika ? efa ztra izahay e!kanefa mba asio fanajana sy fahalalampomba iany na izany aza
Za nge efa niteny teto hoe tolona 2 taona 3 taona tsy mamokatra mbola tohizana ihany eh!mafyloha loatra ry zanakidada ka de eo nareo.Olona marobe aona koa mo eh, matoa tsy nahahongana de vitsy an'isa
eh, de mba mahaiza mipetraka fa mbola tsy lany mamy ny fitondrana tetezamita matoa ny vahoaka tsy manaraka anareo, na le anarana hoe "zanak'i dada" aza ange mamenatra satria fomba fanasokajiana olona
nahazo tombotsoa manokana io fiteny io, olna "niangarana", zany ve dia ho tian'ny vahoaka???
ANDRASO EO I DADA EH
