lun.
14
févr.
2011
ity no antoka hanomezana ilay fanomezana fankatoavana avy amin’ireo sehatra iraisam-pirenena a ! ». Izany no fomba hifandresen-dahatra amin’ity resaka mandany jiro mampihodikodina am-pitoerana ireto mpanao politika Gasy ireto. Tsy dia azo antoka loatra izay mety haterak’ilay taratasy fa tetika an-dalana no betsaka. Izay manao sonia dia ho tafiditra ao anatin’ny fitondrana sy ny fitantanana ny tetezamita. Mahatsapa izany fitsambikina-mikimpy ataony izany ve ny mpanao politikantsika? Fantany tsara ve ny zavatra resahany? Izay vokatry ny soniany ve mba hahatonga azy ho tompon’antoka? Aiza ho aiza izay ho aro riaka tsy hahadobo antsika mianakavy amin’ity resaka ity? Sao maika tsy faingana ka ho kenda vao dony aho Ranaotra!................
Iza no fahefana hamadika iny sori-dalana naderaderan’ny Dr Simao iny ho lasa lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena? Ny filoha avo ve no hanao izany? Tsy lasa ho mandidy dia homana ve ny tenany amin’izany satria izy irery ihany no hivangongoan’ny fahefana voatondro sy voasoritra ao? Ry zareo eny Ambohidahy? Io sori-dalana io ve dia mifanaraka amin’ny lalampanorenana izay nambara fa voafidim-bahoaka? Vakio tsara fa voasoratra mazava ao fa ireo fifanarahana rehetra talohan’ity sori-dalana ity dia tsy manan-kery avokoa. Foana izany ny Dinan’i Maputo, ny dinika santatra, ny dinan’Ivato, ary indrindra iza no milaza fa mbola manankery ny lalampanorenan’ny 17 Novambra 2010 raha hampiharina sy hosoniavina ity sori-dalan’i Simao ity? Ary raha ny sehatra iraisam-pirenena no hanao tian-kano tsy tian-kano dia heken’ny mpanao politika ve izany fitsabahany mivantana izany? Ny fizorana amin’ny lalankevitra voizin’ity “tetika Simao” ity dia tsy maintsy hisy lafiny hampangirifiry ny fahorian’ny mpiray tanindrazana, indrindra ireo vahoaka Gasy mbola sahiran-kevitra sy tsy mahita ny ho fivelomanana sy hiadiana amin’ny sondro-bidy isan-karazany. Inona tokoa moa no antoka fa hamaha ny olana ny fankatoavana “handohaliana” eo amin’ity sehatra iraisam-pirenena ity? Mandeha mitsitaitaika arakaraka ny ezaka sy dingana vita anie ny fankatoavana raha ny hambaran’io sori-dalana io e! Tsy misy teny na iray aza ao, milaza fa omena amin’ny endriny “bolongany” io resaka io. Koa nahoana ny mpanao politika Gasy no mifanentana amin-javatra tsy fantany akory fa hitondra na inona na inona ho an’io vahoaka io? Nahoana no entina an-jambany sy hanaovana tetika am-panidinana ny fikatsahana vaha-olana ho an’ny firenena? Efa vonona hametraka ny teti-panorona hiatrehena ny famahany ny “krizy Gasy” ny sehatra iraisam-pirenena ankehitriny, ary dia sanatria ho lasa mpandray anjara sy ho mpitan-damba fotsiny ny tontolon’ny fanaovana politikantsika. Moa tsy izany no tetika efa nasehon’ny ONU fa hametraka mpikarakara (experts) ao anatin’ny CENI ry zareo? Dia ho avy izany ny vola miraraka etsy sy eroa ho fikarohana izay “olona” , na vondron’olona mety haterak’izany fifidianana izany. Dia iza amin’ny mpanao politika no haharaka izay mety ho fanohanan’ity sehatra iraisam-pirenena ity ny olona tiany hitondra an’i Madagasikara? Ho laniany amin’ny olona hanohitra azy ny volany ? Ony RAMBELO
inona notena tianareo lazainae!Tsy voatery mitenigasy akory nareo de miteny zavatra azo lazaina e! inona zay tinareo lazaina e!.
A+
Tena tsy azoko koa le zavatra lazain'ny akama fa toa olona fanina miteny rery, sao de mba fanin'ny ronondravalo avy any afrika atsimo ary nareo de lasa mibolongany le???
iza no anontanian-dra-kidety? ilay te-Gasy sa le mpanoratra ny article?
