lun.
14
févr.
2011
Anisan’ireo sakafo azo atao fanomezana ary manana ny dikany ny sôkôla rehefa fetin’ny mpifankatia toy izao. Nandia vanim-potoana maro ny tantaran’ny sôkôla, eo amin’ny maha-sakafo manaitaitra ara-pilana azy. Efa elabe fahiny mihitsy no nanana ny lazany ho sakafo manaitaitra ny kakao. Nisy nitantara aza fa nihosotra vovo-ka kakao ny tompontany Indiana, hampatsirotsiro ny fiarahana, hono. Teny amin’ny an-kasarotana no nanosorany izany. Norarana kosa indray ny fihinanana sôkôla teny anivon’ireny toerana fitaizana zaza amin’ny f inoana k r i s t iana i reny tamin’ny taona 1624. Manampahaizana ara-pivavahana no nanao izany fandrarana izany, mba hisorohana ny fihetsika mety mamoafady ataon’ny ankizy any hono. Betsaka ireo kisarisary niangaliana tamin’ny taonjato faha-XVII izay nampiseho olona mpifankatia miara- misotro sôkôla mafana. Nisy ireo fikarohana nilaza fa mampafana ra ny sôkôla. Amin’izao fotoana izao moa dia ity “aphrodisiaque” ity indray no voizina. Voasokajy ho ao anatin’ireny ny sôkôla. Mazotoa homana !