lun.

14

févr.

2011

Fiainam-pirenena: Mila tairina ve vao… ?

Mila tairina ve vao… ?Raivobe Soa fa teo ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita. Soa fa nahatsiaro tena izy ka nahay nanaitra ny tompon’andraikitra sy manan-pahefana tsy nahalala ny tokony nataony. Fa toy ny inona moa ny olona tokony hapetraka eo amin’ny sezan’ny minisitra e ? Raha havadika ny fanontaniana, tokony ho inona no ao an-tsain’izay manam-pahefana hapetraka na hipetraka eo amin’ny sezana minisitra ?

Mpanatanteraka izy Natetezamita na Repoblika mijoro ara-dalàna, mpanatanteraka ny tetikasam- panjakana no anjara asan’ny mini s i t ra. N’ iza n’iza, ary na departemanta inona na inona no iandraiketany. Eny tokoa, manana andraikitra izy. Dia andraikitra mpanatanteraka ny … hetahetam-bahoaka. Ary satria tetezamita no resahana, dia tsy misy afa-tsy ny fanohizana ny tetikasa farany teo izany no tokony ataony, afa-tsy ny ny fanatanterahana ny fifidianana izay fepetra « tsy maintsy » karakarainy. Mazava, araka izany, fa tsy miditra amin’ny famoronana tetikasa vaovao ny manam-pahefana, indrindra raha tetikasa lavareny (longue durée, long terme).............

Tsy nahay Tsy ny praiminisitra akory no nanome baiko, fa ny filohan’ny Fat mihitsy. Nisy ihany ny filan-kevitry ny governemanta, tamin’ny talata teo, saingy tahaka ny hoe niandry ny lehiben’ny hetsika 2009 mihitsy nanaitra ireo natory. Na niesona, satria eo ihany fa tsy nahatsiaro saina ; tsy nahatsiaro ny andraikitra iantsorohana. Asa angaha, var iana tamin’ny « tsena mora » loatra, ka tsy nijery ny hafa ! Na nampatorian’ny seza malemilemy ka tsy nahatadidy fa tsy any amin’io tsena io avokoa akory ny Malagasy rehetra no mividy izay ilainy andavanandro. Na dia fantatra aza, amin’izao fotoan aizao, misy dia misy, amin’ireo « tsena mora » ireo no mivarotra entana « mihoa-pefy », ka « biscuits » avy no hamidy any. Ka vary aza tsy azon’ny vola, ka no entana tsy ilain’ny lovia eo ambony latabatra avy no iaingitraingetana…

Ary natao inona moa ny Fat ? Io ihany koa dia fanontaniana mipetraka. Raha ny fanazavana sy fepetar napetraka tamin’ny volan amartsa 2009, dia olona napetraky ny filohan’ny Fat hanampy azy amin’ny famoahana lalàna ilaina hanodinana ny firenena ireto olona marobe (manodidina ny 50 isa) ireto. Satria efa tafapetraka taorian’ny dina’Ivato ny sarian solombavam- bahoaka sy sarina loholona izay miady an-trano amin’izao fotoana izao, dia mbola inona indray moa no ilàna ireto vahoaka tsy andraofana ireto ? Tsy sanatria manitsaka ny andraikitry ny parlementera sy ny andraikitry ny mpanatanteraka ve izy ireto ? Eisy e, angamba mila tirin’ny filohan’ny fahefana avo indray koa izy ireto vao hahalala ny andraikitar tokony hosahaniny, dia ampahalalaina ny vahoaka lazainy fa nametraka azy ireo teo…

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra