jeu.

10

févr.

2011

« Point G »: Lakilen’ny filana

Mpikaroka iray, teratany Frantsay, ikoizana eo amin’ny fifehezana ny resaka fananahana izany Gérard Leleu izany. Sady mpitsabo ihany koa izy, ankoatra izany. Nanoratra boky mandalina ny vehivavy hetsaka izy taona vitsy lasa izay, namaritany ny fombafomba rehetra fanaon’ny vehivavy momba izany. Raha ny fanazavany dia misy ny faritra tena anatin’ny taovam-pananahana, dia ny « cavité vaginale ». Io no itoeran’ny kintan’ny fahafinaretana rehetra, izay tena voarafitra hanaraka izay anjara asany izay. Ao mantsy no fanalahidin’ny hetsaka rehetra eo amin’ny vehivavy. Hita ao anatiny ao ny « point G », ny « points A, P sy ny C » izay samy miteraka fahafinaretana ho an’ny vatana avokoa rehefa voakitika. Hazavainy amin’ny pitsopitsony mihitsy ireo teboka karazany maro ireo sy ny mety ho fifandraisany amin’ny fiainana ara-pananahana. Taty amin’ny taona 1940 taty vao tena hitan’ny fanadihadiana natao ny asan’ny “point G” ao anatin’ny “cavité vaginale”. Mbola misalasala ny amin’ny fisiany anefa ny ankamaroan’ny mpitsabo manokana ny fahasalamana ara-pananahana ary misy mihitsy ireo tsy mino izany. Ireo vehivavy efa nahita sy nanandrana ny mihetsaka avy amin’ny alalan’ny fikitihana azy kosa anefa dia tsy miasa saina amin’izay fikarohana sy fanadihadiana rehetra any. Ho azy ireny dia tokana ny zavatra niainany, dia ny hetsaka amin’ny alalan’ny “point G”. Koa dia asakasany !

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    CLAUDE (jeudi, 24 février 2011 10:42)

    INONA NO TENA MAHATONGA NY AN'NY VEHIVAVY MORA TONGA, FA MISY VEHIVAVY MAHATONGA VATIVETY KELY REHEFA MANAO,

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra