Nampiesonin’ny Dr SIMAO ny « troïka » Ony RAMBELO Vao niainga teto ny Dr Simao dia efa nisy taratasy roa samy hafa (samihafa) teny aminy, ary naderaderany ny mpanao politika Gasy. Ny iray ilay « vaha-olana » narosony ny talata 01 febroary 2011, izay nambarany fa lalan-kivoahan’ny Malagasy ary tokony ho soniavina avy hatrany. Ny iray faharoa dia izay novakiany teo imason’ny mpanao politika sy ny mpanao gazety ny alakamisy 3 febroary, izay efa nisy fanovàna, tsy toy ilay teo aloha, ary mbola nohamafisiny fa volavolan-kevitra mbola azo ovaina arakaraky ny zava-misy sy fanitsiana tian’ny mpanao politika hatao. Dia niaro ny « vahaolany » ho an’ny Malagasy teo anoloan’ny Sadc ny Dr Simao ny alatsinainy 7 febroary 2011, ary teo anoloan’ny « troïka » (*) ny talata teo. Fa ny olana dia tsy fantatra hoe: taratasy manao ahoana no natolony an’ireto “mpaniraka” azy ? Ny azo antoka dia tsy maintsy ho hafa noho iretsy efa notanisaina teo aloha no « narovany » tao. Inona no anton’izany? Hila « 19 » indray ny Dr Simao ka namboariny hifanentana amin’izay naniraka azy ny taratasy sy ny voarakitra ao. Dia mbola milaza ny hitampody aty indray izy amin’ity herinandro ity, araky ny filazany tao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahinin’ny Fitondrana Avo...........
Tantara mitohy Manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha eto Madagasikara ny firenena maro eto amin’izao tontolo izao, fa tsy ireo fikambanana isam-paritra toy ny Sadc ihany akory no mifantoka aty amintsika ny masony. Tsy maintsy teny ifanarahan’izy rehetra, izay nateraky ny fifandresen-dahatra, no hahatonga ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Ny mpitondra avo eto amintsika dia efa nampiseho niharihary, nandritra ilay fahatsiarovana ny 7 febroary, teny Antaninarenina, fa tsy ho afaka hanameloka ny dingana vitan’i Madagasikara ireo fikambanana isam-paritra sy ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny. Mahatoky tena avy hatrany izany ny mpitondra fa hiaro ny hevitra voarakitry ny taratasiny ilay iraky ny Sadc teto amintsika. Dia inona amin’ireo taratasy eo ampelantanan’ny Dr Simao, no heveriny fa hampiova hevitra ireto sehatra iraisam-pirenena ireto ? Tsy maintsy nisy resaka matavy sy « fampiesonana » tao matoa nahazo laka tamin’ireo « troika » sy ny Sadc ny « tetika Simao ». Tsy maintsy nodioviny ho fotsy mangatsakatsaka ny mpitondra avo eto amintsika, ary nomeny rariny ilay fihetsika nitsipaka ny teny ierana iraisam-pirenena tany Maputo. Tsy maintsy ho navadika ny resaka ka navilivily fa tsy misy hifandraisany ny hetsiky ny vahoaka Malagasy teto sy ny lalàna iraisam-pirenena voasonia tany Cotonou (Bénin) mandrara sy manameloka ny fanonganampanjakana. Dia tsy gaga isika raha mbola ho tantara mitohy ny fianjeran’ny firenentsika ao anaty korontana politika hatrany satria dia misy ny tsikombakomba ratsy ho fiarovana ny tombontsoan’ny andian’olom-bitsy te-hifehy ny toe-karen’ny firenena aty amin’ny faritr’i Afrika sy Amerika atsimo.
Hafakely i Madagasikara ? Any amin’ireo firenena any avaratr’i Afrika dia misy mpitondra niongana noho ny fifikirany nandritra ny 20 taona mahery teo amin’ny f i tondrana, toy ny any Tonizia; ary dia mbola eo an-tany fiadiana ny ao Ejipta sy Alzeria. Hetsi-bahoaka toy ny niseho amin’ireny « revolisiona » mpiseho eran-tany ve ireny ? Toy ny nanonganan’i Khomeni ny amperoran’Iran ? Toy ny nandroahana ilay mpanao didy jadona taloha tany Haïti ? Nomen’ny sehatra iraisam-pirenena « rariny » ireny tolona miendrika ho fiovàna mahery vaika ireny satria namahatra nandritra ny taona maro ny mpitondra sady tsy nifototra tamin’ny fifidianana demokratika marina. Ny mpanongana avy eo dia noterena hanao fifidianana mangarahara handraisan’ny rehetra anjara. Fa ny an’i Madagasikara dia asandratr’izao tontolo izao ka hatao fakàna tahaka ny fandravàna ny safidim-bahoaka satria niesona sy natory am-pitsanganana ny sehatra Afrikana noho ny fiarovan’ilay iraka nanao fanelanelanana ireo tompon’antoka amin’ i o fandravàna fanjakana voafidim- bahoaka io ? (*) fivondronan’ireo olobe mpitondra taloha sy amperin’asa eo amin’ny firenena Mozambikana, Afrikana Tatsimo, ary Zambiana.