jeu.
10
févr.
2011
Tsy ilay filaofana maraina akory ny « kitoza » resahana eto. Tsy ireny velively, fa karazan’olona tsy azo ariana eny an-dalana. Tsy maintsy raisina sy hampiakarina ao anaty fiara satria “namana”. Ary rehefa ao anaty fiara izy ireny dia be resaka, mampiresaka ny mpamily (izay voararan’ny lalàna). Tsy mitsahatra ny mitantara izay fotoana nahafaly, na nahasorena azy tany ambadimbadika tany. Indraindray dia efa feno ny fiara kanefa ny “kitoza” tsy maintsy “hajaina”, ary dia mahasorena ny mpanampy ny mpamily izy ireny. Tsy mba mandoa saran-dalana, fa mbola omena vola (avy any amin’ilay mpanampy ny mpamily) indray aza izy ireny rehefa hiala sy tonga amin’ny toerana sy ny tanjona iriany. Mandrebireby ny mpandeha rehetra irao anaty fiara ny “kitoza” noho ny resany tsy mitsahatra, ary toa azy irery ny fiara. Lasa “masi-mandidy” kanefa tonga farany, rehefa hiala dia alàna amin’ny toerana tiany ialàna (tsy amin’ny fiantsonana velively!). Fa mba fantatrao moa fa misy, ary hisy ny “kitoza-politika”? Efa nahazo toky izy ireo fa hampiakarina anaty ny fiara satria anisan’ny “akaman’ny mpamily”...........
Tsy misy resaka fialonana na fifanomezan-tsiny akory no antony mahatonga ny mpitazana hanontany tena ny amin’izay antony tsy maintsy handraisana ireto “kitoza” ireto. Ny ataon’ny mpananty ràn-kena sy ny tandapa aza efa tena mampikaikaika ny mpitazana kanefa dia mbola horaisina koa ireto manao fiavin’ny tafara ireto. Tsy fantatra mazava hoe: fifanarahana taiza, na didy aman-dalàna toy ny inona no antony mampientanentana ny mpamily hampanantena azy ireo izay takiany. Efa nomena “karama” isam-bolana izy ireo, fanampiana maro samihafa, fa izao dia hampiakarina ao anaty fiara, ary hisonanina erý Tsimbazaza erý. Tsy fantatra intsony ny tena isa marina amin’ny seza ao anaty fiara, ny azo antoka dia ho taingim-be izy ity. Ny “carte grise”-n’ity fiara ity dia tsy mbola fantatra mazava ny fahamarinany sy ny maha-ara-dalàna azy. Indraindray sonian’olona marobe mivorivory no lazaina fa anto-pisiany, vao haingana teo dia teratany Mozambikana no nanentana ny rehetra hanao sonia fa io no “lalam-baovao”. Ny fahazoan-dalana mamily eny an-tsikinan’ny mpamily dia tsy mbola fantatra mazava ihany koa raha sokajy tena ahafahany mamily ity fiarabe ity na ahoana; fa ny tsikaritra fotsiny dia misosa ny fiara na dia sahirana sy maty lava teny an-dalana aza. Ireo mpitandro ny filaminana teny an-dalana dia mitsikitsiky tsara amin’ity mpamily ity isaky ny fefy tsy maintsy dinganiny. Tsy mijery ny antontan-taratasy mihitsy, fa vitan’ny resadresaka fotsiny. Koa azo antoka izany fa tsy hampaninona ny rehetra efa ao anaty fiara ny fampidirana ireto “kitoza” ireto, na inona na inona mety ho fifandraisan’ny mpamily amin’izy ireo. Hanana anjara amin’ny ady hevitra ao anaty fiara ve izany ny “kitoza” sa handrebireby sy hibaikobaiko mpamily ihany koa? Sa handray ilay “jinjany kely” no tena antony hidirany amin’ity raharaha ikambanana ity ? Satria tsy misy teny ierana mazava intsony moa izao izay miditra sy mivoaka ato amin’ity fiara faha-IV vao nivoaka ny garazy ity, ka samy miseho ho mahay sy tompon’ny hevitra daholo izay rehetra miteny. Tsy nisy kosa angamba tamin’ireny niolomay nampijaly tena nandritra ny tolona teto, tamin’ny taona 2009 ireny, hivevitra fa izay voadaroka sy sisa-paty dia homena “seza volammena”. Fa “mana” nilatsaka moa izy ity ka tsy maintsy hararaotina ny fandalovan’ny fiara sao sanatria ho mihazakazaka tratry ny miadana eo indray.