lun.

07

févr.

2011

Vehivavy manao “masturbation”: Filana hivelatra ?

Fahazoana fahafinaretana, fanalana rarin-tsaina … Anisan’ny tombony azo avy amin’ny fanaovana « masurbation » avokoa izany, raha ny filazan’ny mpikaroka. Lalana : ny fikitihana ny “clitoris”. Avy amin’ny teny latina no nihavian’ny hoe “masturbation”. Ho an’ny foto-pinoana sasany dia mety ho heloka ny fanaovana azy, noho izy maka fahafinaretana samirery, tsy misy vady. Ny 45%-n’ny vehivavy eran-tany no voalaza ho manao azy matetitetika. Mandray anjara lehibe ao anatin’izany ihany koa ny fomba nanabeazana ny ankizy tsirairay. Misy ireo fikarohana milaza fa mivelatra kokoa ny fiainana ara-pananahan’ny vehivavy manao “masturbation”. Fomba ahazoana mamantatra ny vatana sy ny faritra manaitra anefa izy io, raha ny voalaza ihany..........

Samy manana ny fomba fanaovany sy itiavany azy ny vehivavy mpanao azy, saingy ny tanana no tena miasa betsaka. Mila velarina tsara fotsiny ny fe rehefa manao azy, atomboka amin’ny fanafosafoana ny faritra ivelany vao miroboka moramora amin’ny anatiny. Sarotra ihany anefa indraindray ny mikitika ny faritra anatiny, ka matetika misy ireo mampiasa fitaovana hafa. Tsy voatery ho ny olona tsy ampy firaisana ara-nofo no mandrisika ny vehivavy iray hanao “masturbation”. Tsy ny olona tokan-tena samirery ihany koa no tsy maintsy hanao azy. Misy ireo manao azy samirery tsy misy mahita. Misy kosa ireo mankafy ny miaraka manao izany amim-badiny. Miankina amin’ny safidy ihany izany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra