mar.

08

févr.

2011

Izy no nahatonga izao, ka…

« Ekenay antsakany sy andavany », hoy ny maro an’isa ao amin’ny fitondrana avo ao. « Ekena ihany fa misy ny tokony hamboarina », hoy indray ny hafa. Fa mazava be mihitsy ny valin-tenin’ny ankolafy telo ambiny : « tsy azo raisina velively io ». Mijaly mihitsy io tondro zotra natolotry ny manam-pahaizana amin’ny fitsaboana iry. Ny dokotera Leonardo Simao io, iraky ny Sadc, ary nisolo tena ny fianakaviambe iraisam-pirenena tonga teto amintsika, « hamaha ny krizy », hono. Na marimarina kokoa hanampy antsika amin’ny fivoahana amin’ny kizo efa tena lalina amin’izao fotoana izao. Asa na tsy nahay nijery ny aretina ny dokotera, na tsy nijery mihitsy ka fanafody tsy mifanaraka amin’ny toetry ny aretina mihitsy no natolony ! Aiza ve ka efa marary izao i Madagasikara, nomena fanafany ny mpitarika ny tolona isan-tsokajiny hamafana ny fanaviana fara faharatsiny, ka no dia misy ihany ny tsy handray ? « Hihàfana ny hafanana » hoy ny maro an’isa ao amin’ny fitondrana avo ao. « Tsy hanavy intsony saingy hiteraka aretina hafa indray io », hoy indray ny hafa. Fa mazava kosa ny valin-tenin’ny ankolafy telo : « manolo-bato mafana io lehilahy io. » Mijaly mihitsy io sori-dalana natolotry ny mpitsabo Leonardo Simao io. Satria nitondra ny tenin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy. Na marimarina kokoa nanampy ny fitondrana avon’ny tetezamita hivoahany- izy mpitondra- amin’ny fikatsoany samy irery ao. Dia nahalasa saina ihany ny tenin’ilay minisitra teo aloha – tao amin’ny Fat e- izay nitarika ny tolon’ny mpitaky ny ara-dalàna talohan’izay. Tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray eto an-drenivohitra, ny zoma farany teo, izy no nanambara ny toy izao : « Izy no nahatonga ny aretina, any aminy ny fanafody ». Ny filohan’ny fahefana avo indray no tiany horesahina eto. I Andry Rajoelina, hoy izy, no tompon’antoka amin’ny fahavoazan’i Madagasikara, noho izany, « any aminy ny fanafody. » Koa inon aindray no andrasana e ? Tsy ‘ndao alaina any aminy dia afafiny ny vahoaka. Angamba amin’izay fotoana izay, tsy ilaina intsony ilay vahiny dokotera iny, fa ho sitran-tsy miody isika.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra