mar.
08
févr.
2011
Hangoron’entana sa mbola hijanona maharitra ? Na hiala na ho tafajanona dia tokana ihany ny fihetsik’ireo mpikambana ao amin’ny governemantan’ny fitondrana avo : Tsy miasa tsara, tsy miasa mafy fa mitaintain-dava. Tsy misy fandaharan’asa vaovao, na tonta ho tanterahina fa mampihodina tsy sazoka izay asa mandalo ny masony. Tsy sahy mivolana koa fa te-hifikitra eo amin’ny toerana, kanefa mampiasa « saribakoly » etsy sy eroa mba hanasohaso. Tsy mbola hiova ato ho ato velively io governemantan’ny paiminisitry ny fahefana avo io. Na dia efa tany amin’ny tapatapaky ny volana desambra sy tao aorian’ny fivoahan’ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka aza no efa novinaniana fa tokony hovana ny mpikambana sy ny praiminisitra. Amin’izao fotoana dia tsy noho ny antony fifandanjan-kery ara-politika no antony hanovana na tsia ny governemanta, fa noho ny resaka « taratasy » soniavina etsy sy eroa............
Tsy resaka olona, hono, no olana Voaroaka tao amin’ny governemanta na nametrapialàna (arakaraky ny fijery) ny minisitra miadidy ny fifandraisan-davitra, noho ny antony fanomezana alalana « mpanao serasera » iray, tamin’ny taon-dasa. Fa tsy mbola voasolo io hatramin’izao fa fehezin’Ingahy praiminisi t r y ny FAT ao Mahazoarivo ao ny resaka fitantanana io minisitera io. Moa tsy antony bitika toy izany no nampisy olana teo amin’ireo mpandraharaha mikasika ny « serasera » sy ny fitondrana ? Dia voatery noraisin’ny Filoha Avo ireo mpandraharaha ireo vao tonitony ny resaka ankehitriny. Ireny fitakiana ara-bola nifanesinesy ireny (oniversite, mpitsabo, sns) dia tokony ho adidin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola, kanefa dia mbola ny Filoha Avo ihany no iankinany. Ankehitriny dia te-hiray feo ireo mpanao politika Gasy fa ny praiminisitra amperin’asa ihany dia mety ho taratry ny marimaritra sy tsy mitongilana, ary afaka hitantana ny fifidianana, raha izany no ifanarahan’izy rehetra. Dia olom-pirenena iza no hino izany ? Tsy lasa ho tsikombakomba ve izany no hevitry ny hoe: marimaritra iraisana ? Iza no hino fa tsy hitsabahan’ny filoha Avo na ny filohan’ny tetezamita (arakaraky ny fijery hatrany) izay tetika entin’ity praiminisiny ity? Ny marina dia ny olona no olan’ izao fitondrana avon’ny tetezamita izao ka tsy misy hatokisany intsony hitondra ny heviny sy ny programa tiany ho tanterahina. Koa mba hitohizan’ny fitantanana ny fitondrana dia ezahiny indray ny hanaparitaka ny feo sy ny hevitra fa io governemantan’ny praiministry ny FAT io dia efa taratry ny maha-teknisiana sy manana ny fahaiza-manao, ary indrindra tsy mitongilana.
Tsy misy te-hiala Samy mitaintaina noho io fanovàna governemanta io daholo ankehitriny ireo minisitra isan-tokony, koa tsy mahagaga raha samy mampiasa ny heriny rehetra hamikirana eo amin’izay tombony efa ananany. Tsikaritra izany eo amin’ny fizotran’ny ady hevitra ankehitriny fa samy manana ny olony avy ireny minisitra ireny any amin’izay ady hevitry ny samy mpanao politika etsy sy eroa. Koa tsy mahataitra intsony ny hahita fa lasa resaka savoan-danitra ilay fisokafana nolazain’ny filoha avo, satria ny mpanao politikantsika dia hasesika arý amin’ny CST sy ny CT mba hihainohaino sy hivorivory fotsiny. Tsy hisy mba hisahana ny asa tena ilàn’ny firenena sy hamaha ny olan’ny Gasy amin’ny ankapobeny. Dia mazava ho azy arak’izany fa hihemo-dava ny fanovàna ny governemnta sy ny Ceni izay tena hifototra amin’ny fikarakarana ny fifidianana sy ny fampandresena ny kandidàny avy. Hiverimberina indray ny resaka ato ho ato fa ekipa mandresy ve ka mila hovaina indray ? Mandany andro sy fotoana lava izany, hono, fa mila faranana ny tetezamita. Hafa ny lazain’ny vavany fa hafa ny zavatra tanterahiny. Tsy vaovao amin’ny mpanao pol i t ik a gasy ny toet r a miara-maty eo amin’ny fitondrana e!