lun.
07
févr.
2011
Toy ny zavatra rehetra ihany dia mety hankaleo ihany koa ny fiarahan’ny mpivady ao. Mila miala kely amin’ny mahazatra ihany hisorohana izany. Toy ny hoe ovaovaina ny toerana hanaovana firaisana ara-nofo. Mila alefa lavitra ny saina indraindray … Hatramin’izao aloha dia mbola ny any anaty fiarakodia hatrany no hafa indrindra amin’ireo toerana tsy mahazatra ireo. Toraka izany ihany koa ny any anatin’ireny “ascenseur” ireny. Ho an’ireo olona monina any amoron-dranomasina dia manome toky tsara ny tora-pasika amin’ilay takariva mody masoandro iny. Ho an’ireo tia milomano indray dia azony atao tsara ny manao firaisana ara-nofo any anaty dobo filomanosana, na anaty rano tsotra azo ilomanosana. Mbola ao ny trano fijerena sarimihetsika, ilay anaty haizina, saingy any aoriana, tsy tokony hisy hahita. Voalazan’ireo efa be traikefa amin’izany fa ilay tahotra ny hisy hahatsikaritra izay indrindra no tena mampiakatra ny filana ao anatin’ny vatana, rehefa hoe hanova toerana miala amin’ny mahazatra. Akaiky ity ny fetin’ny mpifankatia, ankalazaina isaky ny 14 febroary. Fotoana hanapahana hevitra hialana amin’ny mahazatra. Koa mba andramo ihany, na dia amin’io fotsiny aza.