lun.

07

févr.

2011

Havako mamomamo

Tsy toaka, na zava-mahadomelina no naha-mamomamo ny havako Gasy mpanao politika, fa taratasy ho soniavina. Anisan’ireo mamomamo àry ve iny olona iny? Sa efa tetika maty paika sy vita lamina ny lalana hizorany? Miavaka tokoa mantsy raha ny zotra politikan’iny olona iny nandritra izao fotoan’ny tetezamita izao. Nanentana ny vahoaka Gasy hitsipaka ilay volavolan-dalam-panorenana naroson’ny mpitondra avo iny olona iny sy ny fikambanana tarihiny tamin’ny taon-dasa, saingy vetivety ihany io fandavan’iny olona iny io, satria nandritra ny fanamarihana ny faha-herintaonan’ny fikambanan’izy ireo dia manolo-tanana ny mpitondra iny olona iny ary vonona ny handray anjara mivantana amin’izay asa rehetra ho tanterahina , na koa hampanaovina azy. Fihetsika maha-te-hidera izany satria endrika iray ho fanajana ny safidim-bahoaka sy ho dinam-piaraha-monina hiaraha-mientana tokoa............

Hanao sonia ny resak’ilay Rangahy Mozambikana iny koa anie iny olona iny e ! Ary dia nakotrokotrotra mihitsy ny fomba nanambaràny azy. Tsy misy madilana ho sosohana intsony fa mety aminy tsara iny hevitra iny, na dia nampanantena ihany aza ny tenany fa tokony hodinihina manokana ny fampahafantarana ny vahoaka amin’ny ankapobeny ny lalam-pifidianana, ny fifandanjana isam-paritra, ary ny faharetan’ny tetezamita izay heveriny fa tsy tokony haharitra loatra. Teo amin’ny resaka fanendrena ny ho Praiminisitra dia manana ny hatolotra ho amin’izany iny olona iny sy ny fikambanaa izay tarihiny, kanefa tsy mampaninona azy ireo velively ny hanaiky ny efa amperin’asa raha izay no eken’ny rehetra ho fototry ny marimaritra iraisana. Noho ireo ezaka efa vita àry dia manentana ireo namana mbola misalasala iny olona iny mba hanao sonia ity lalam-baovao ity indray. Ny Betsileo tsy mamo fa ny toaka no mahery, hoy ny fitenin’ny mpiray firenena any Matsiatra ambony any. Fa dia variana sy fanina am-pitoerana ny Gasy manaraka ny fihetsik’iny olona iny. Ilay Praiminisitra am-perinasa dia mitarika ny marimaritra eo aminay mpifanandrina hoy iny olona iny. Moa fantatr’iny olona iny fa tsy nisy akory anie ny famindrana andraikitra teo amin’ity praiminisitra tohanany ity sy ilay teo alohany e! Mora manadino ve iny olona iny fa izao fitondrana mahamaika azy ho tohanana sy hanolorany tanana izao anie ka tsy mihevitra akory ny hampihatra an’ilay lalampanorenana nolazaina fa nofinidim-bahoaka e! Porofon’izany ny tsy hitodiany akory amin’izay voarakitr’io lalampanorenana io ho amin’izay hifehezana sy hitantanana ny fe-potoana tetezamita. Lalan-jotra nomen’ny iraky ny mpanelanelana, toa an-kahamehana fotsiny ihany, no tanterahina ankehitriny. Moa manantena iny olona iny fa tsy hiara-mamo amin’ny havana rehetra ao anaty sambo ao ka hiara-hidola sy hiara-hihogahoga amin’ny tsy antony? Sa handraman’iny olona iny aloha ny hiara-mirona mba hahitàna izay ho fanina sy ho mamo mialoha? Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    bazile (lundi, 07 février 2011 10:09)

    hita miharihary fa nisotro toaka rajaonarivelo. ary lasa mamo tampina. mirediredy§ Tsy azoko oe inona no iarovan'ny Basvv azy?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra