lun.
07
févr.
2011
fampangirifiriana ataon’izao tetezamita izao ny ray aman-dreny Zafy Albert, ka miantso ny vahoaka hidina an-dalambe. Ho fongorana hatramin’ny farany ity tetezamita nandroba fahefana ity hoy izy, ary tsy avela ho raraka an-tany ireo ran’ny mpiray tanindrazana latsaka tamin’ny 7 febroary. Ampamoaka goavana no nataon’ny filoha Zafy Albert, ary nataony ho ren-tany ren-danitra ny halatra toy ny bois de rose ataon’i Andry Rajoelina izay haondrany any ivelany, ka tera-tany sinoa any Shangai no manao kopaka hiaraha-mihinana amin’izany. Horonan-tsary navoakany tao amin’ny Carlton io. Tsy hiara-hidika amin’izao tetezamita izao intsony ihany koa izy satria efa nolaviny teo imason’izao tontolo izao ny fametrahana azy ho filohan’ny tetezamita tamin’ny fifanarahana natao tany Maputo sy Addis Abeba ireny...............
Ireo herisetra nataon’ny fitondrana ankehitriny no hamongorana hatramin’ny farany ity fitondrana FAT ity hoy ihany ny Pr Zafy Albert. Mandany andro, izay mbola mihevitra hiara-hidinika amin’ity fitondrana efa tsy mahita rirany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity, hoy izy, ary ny samy malagasy amin’izay no handamina ny raharaha rehetra eto. Ampy ihany koa izay ny fibodoana seza ataon’ny mpanao politika, izay mampitondra takaitra ny vahoaka, satria toa tsy mihevitra afa-tsy ny tombon-tsoany ireo olona ireo. Hitarika ny tolona manomboka izao ny Pr Zafy Albert, ary tsy avelany raha tsy mipetraka ny ara-dalàna. Raha io fanambarana nataon’ny ray aman-dreny Zafy Albert io, dia mihevitra ny maro, fa hanao sorona ny ainy amin’ny fiovana ny tenany. Midika ve izany fa handray ny andraikiny toy ny fanaony mahazatra ihany koa ity FAT ity amin’ny fisamborana ireo ambara ho mpanakorontana ? Ho hita eo, fa rehefa tsy misy marimaritra iraisana teto, dia ny fidinana an-dalambe hatrany no setriny. Miandry ny havoakan’ny anio isika.